Manapariaka Ny Bilaogy Aty Afrika Amin'ny Alàlan'ny Onjampeo

(Marihina fa tamin'ny 2 May 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Mety miahiahy angamba ny mpihaino sasany  – “be pitsony loatra ny famahanana bilaogy … aiza ny fahafahana hifandraisana, mbola lafo vidy ny aterineto, ” izany no fanehoan-kevitry ny mpihaino iray – kanefa mampiseho ny fandaharan'ny Onjampeo BBC World Tambajotra Afrika fa zava-misy ary anisan'ny miroborobo ny famahanana bilaogy eto Afrika .

Indreto misy sombiny avy tamin'ny fandaharana – voalohany amin'izany ny fanazavana fohifohy avy amin'i Sokari Ekine izay toniamparitra Afrika Atsimon'i Sahara :

audio link

Milaza amintsika i Sokari fa mbola lavitr'ezaka ny famahanana bilaogy aty Afrika

Nahitana ilay bilaogera izay asongadina matetika eto amin'ny Global Voices, Mshairi tao amin'ny trano fandraisam-peo niaraka tamin'ny mpanolotra Bola Mosuro nandritra ny fandefasana mivantana ny fandaharana ny maraina .

Miresaka momba ny fomba tsotra sy maimaim-poana izy hanombohana ny bilaogy aty Afrika ao amin'ny rakipeo faharoa,  ilay bilaogera Malawita Mwai Kasamale no teo alohany izay niresaka momba ny bilaoginy hiarahany amin'ny anadahiny, Malawi Is! ary nanomboka tamin'ilay mpaneho hevitra tao amin'ny fandaharana izay voalazako etsy ambony izany.

audio link Mwai Kasamale sy Mshairi – bilaogera mamahana bilaogy

“Mila fampianarana bebe kokoa isika amin'ny famahanana bilaogy”, izany no fanehoan-kevitra farany tao amin'ity rakipeo fohy ity, izay nalefa tao amin'ny fandaharana tamin'ny alàlan'ny hafatra Somaiso avy any Monrovia any Liberia. Manome fanazavana bebe kokoa sy rohy maromaro mba hanaovana izany fotsiny ny fandaharana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.