Ranomasimbe Indiana: Mahatsiaro Mifandray Amin'izao Tontolo Izao Ny Bilaogera Amin'ny Alalan'ny Global Voices

(Marihina fa tamin'ny 6 Novambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nahamarika ny lahatsoratra GV vao haingana momba ny tontolon'ny bilaoginin'izy ireo ny bilaogera avy any amin'ny faritra lavitra any amin'ny Ranomasimbe Indianina toa an'i Madagasikara sy iLa Réunion ary naneho ny fientanentanany momba ny asan'ny GV sy ny fanasongadinana ny fireneny .

‘Ny Porofo fa Afaka Manao Zavatra Misongadina Isika’

Nahamarika ny tantaran'ny Global Voices momba ny fandinihan'ny bilaogera malagasy ny fiakaran'ny hafanana ilay bilaogera Malagasy monina ao Frantsa Harinjaka :

En effet, une discution entre JoGaNy 2.0 qui se trouve au Canada et Aiky à Madagascar (Celui qui a écrit l’article) est à la fois retransmis et traduit sur un Blog qui s’appel Global Voices. Ce dernier est un Blog 2.0 qui rassemble toute la communauté de blogueurs du monde entier et publie les billets les plus pertinent de chaque blogosphère. Nos deux bloggeurs malgaches y plaident l’effet du réchauffement de la planète à Madagascar et le monde entier les écoute sur Global Voices ) c’est ça que je trouve beau

Navadika an-tsoratra sy nadika tao amin'ny bilaogy iray antsoina hoe Global Voices ny fifanakalozan-kevitra teo amin'ny JoGaNy 2.0 izay any Canada sy i Aiky eto Madagasikara (izay nanoratra ny lahatsoratra). Bilaogy 2.0 ny GV izay mamory ny vondrom-piarahamonina bilaogera rehetra manerantany ary mamoaka lahatsoratra tena manan-danja indrindra avy amin'ny tontolon'ny bilaogy. Miresaka momba ny fiantraikan'ny fiakaran'ny hafanana eto Madagasikara ireo bilaogera malagasy roa ary mihaino azy ireo izao tontolo izao ao amin'ny Global Voices. Tena hitako fa tsara izany.

Ben oui quoi, GlobalVoices c’est The blog du mouvement mondial pour la liberté d’expression et puis c’est le liens direct entre médias traditionels et les blog puisqu’ il travail en collaboration evec l’agence Reuteurs. Et devine ou est ce que le mec du TIMES va pêcher son article ?

Eny e! Bilaogin'ny hetsika manerantany miaro ny fahalalaham-pitenenana ny Global Voices . Mampifandray ny fampahalalam-baovao mahazatra sy ny bilaogy izy io satria miasa miaraka amin'ny Reuters. Ary alaivo sary an-tsaina hoe avy aiza ilay bandy avy ao amin'ny [NEW YORK] TIMES no maka ny lahatsorany?

Le fait que l’echange entre Jogany et Aiky soit publié là bas est tous simplement la preuve que notre blogsphère malgache n’est pas en reste, et qu’elle pourra bien faire la différence sur des sujets important comme celui qui touche à notre environement

Porofo milaza fa voatsipalotry ny hafa ny tontolon'ny bilaogy malagasy iny fifanakalozana nisy teo amin'i Jogany sy Aiky iny ary azo atao ny mametraka fahasamihafana eo amin'ny lohahevitra lehibe toy ny tontolo iainantsika.

Scoop: Nos deux blogueurs ne font pas que discuter par bolg interposer, ils envisagent déjà de faire un blog meeting à Tananarive pour mieux faire bouger les choses.

Scoop: tsy vitan'ny miresaka amin'ny alàlan'ny bilaogy ireo bilaogerantsika roa, efa mikasa ny hanao ny fivorian'ny bilaogera ao Antananarivo sahady izy ireo mba hanatsarana ny hetsika.

Bilaogera Malagasy maro no naneho ny hevitr'izy ireo momba ny Global Voices. Maro tamin'izy ireo izay avy any Manyland no niteny hoe:

J’ai découvert Global Voice y a de ça 3 semaines seulement mais j’avoue que c’est super géniale comme concept : The World is talking. Are we listening ?

Vao 3 herinandro lasa izay no nahitako ny Global Voices kanefa tiako ny milaza fa tena hevitra tsara izany: Miresaka izao tontolo izao. Mihaino ve isika?

‘Ny Zavatra voamarika amin'ity taona ity’

Tahaka izany ihany koa, nahamarika tantara iray vao haingana tao amin'ny Global Voices momba ireo bilaogera ao amin'ny firenena ny vavahadim-baovaon'ny tontolon'ny bilaogy ao La Reunion, Reunion Permanente:

Mais l’évènement de cette année c'est bien évidemment les 15 min de gloire de la blogosphère réunionnaise sur le site de journalisme participatif américain globalvoices : A ne pas rater.

Mazava ho azy fa ny zavatra nanamarika ity taona ity dia ny lazan'ny tontolon'ny bilaogin'i La Réunion naharitra 15 minitra tao amin'ny tranonkala ifarimbonana fampitam-baovao Amerikana GlobalVoices: aza avela handalo fotsiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.