Shily: Fivoriana Amin'ny Fisainana Mpanombo-Draharaha Ihariana

(Tamin'ny desambra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny anglisy)

.
Saripikan'i Luis Ramirez ary miasa amin'ny alalan'ny lisansa Creative Commons.

Webprendedor [es] no fivoriambe voalohany amin'ny karazany ao Shily izay mamory ny mpanombo-draharaha sy ny tetikasany. Ny sasany amin'ny fanontaniana hovahana dia ahitana ny manao hoe: Inona ireo karazana tetikasa mampiasa ny fitaovana web 2.0? Inona ny sasantsasany amin'ny fahasarotana rehefa mamelona karazana tetikasa tahaka izany eto Shily? Notontosaina tao amin'ny Tranombokin'i Santiago ny fivoriambe, ary eo ho eo amin'ny olona 300 eo no nanatrika izany. Luis Ramirez manazava ny toetry ny kaonferansa [es]:

Algo que siempre sorprende de esta clase de eventos es la pasión que colocan los emprendedores, especialmente los que ya han tenido que pasar por las fases iniciales de creación de su empresa. Ellos comunican de manera eufórica que hay que a atreverse a cruzar las barreras o como uno de ellos dijos (en inglés) BE BOLD (ser audaz, tal como el lema de mi blog). Me llamó mucho la atención algo que venía escuchando hace tiempo: cada vez impresionan menos los buenos planes de negocio e impresionan más las ideas que se creen con convicción. Oskar, el sueco que vino a Chile a fundar Needish fue la máxima prueba de ese punto.

Ny zavatra mahataitra ahy hatrany rehefa amin'ireny hetsika ireny dia ny fitiavana amam-pifantohana asehon'ny mpandraharaha, indrindra fa ho an'ireo izay tsy maintsy mandalo ny dingana voalohany tamin'ny fananganana ny orinasany. Mampita hafatra ao anatin'ny fientanentanana fa tsy maintsy miampita sakana maro ny tsirairay araka ny tenin'ny iray amin'izy ireo (amin'ny teny anglisy hoe) BE BOLD na mahatanjaha (izay teny fanevan'ny bilaogiko ihany koa). Ny zavatra hafa nanaitra ny fifantohako izay efa henoko elaela koa izay: tsy dia manaitra loatra ny drafi-pihariana sy fifampiraharahana (Business plans) fa manaitra kokoa ny hevitra miaraka amin'ny faharesen-dahatra. Oskar, ilay Soedoà, izay tonga tao Shily hanangana ny Needish [es] no ohatra faratampony amin'io teboka io.

Tim Delhas no nandray fitenenana voalohany, izay niresaka izany hoe mpandraharaha sy izany hoe miasa amin'ny tetikasa web 2.0 izany. Richard Bou ao amin'ny La Ideoteca [es] no namoaka lahatsoratra amin'ireo hevitra azony avy amin'ny fampianaran'i Tim. Ny sasany amin'ireo dia tolo-kevitra amin'ny tokony hahatanjahana sy ahasahiana miroso, ary ny zavatra ilain'ny mpanombo-pihariana mba hananana zavatra efatra mazava tsara: ny tsena, ny fanararaotra, ireo toetra isankarazany anelanelan'ireo zava-droa loha ireo, ary ny ekipa ahafahana mampijoro izany. Nofintinin'i Richard ihany koa ireo fanolorana hafa sy izay azony avy amin'ireo.

Cristian Sepulveda [es]
 nanolotra ny kabariny, “Corfo te amo, te odio.” (Corfo, tiako ianao, halako ianao). Nohazavainy ny fifandraisany amin'i Corfo [es], fikambanana iray manohana ny fanavaozan'ny web 2.0. Fanampin'izany, noresahany ny fomba iadiana varotra, ny fomba ihetsehana, ary ny zavatra azo antenaina rehefa mitady fanohanana ara-toekarena ahafahana manomboka tetikasa iray miaraka amin'i CORFO. Efa nampihariny ireo fomba ireo rehefa nangata-panohanana ny tetikasany Meeting [es], izay tetikasa antserasera hitarihana fihaonana, kilasy fampianarana ary seminera izy.

Araka ny efa nomarihan'i Ramirez, niresaka ny amin'ny fomba fanolorana fanomboham-pihariana web 2.0 amin'ny mpampiasa vola i Oskar Hjertonsoon avy ao amin'ny Needish sy ny zavatra azo antenaina raha ny tamin'ny zavatra niainany manokana. Iray amin'ny mpanohana ny sehatra Needish i Oskar izay nahazoany fanohanana avy amin'i Wenceslao Casares, nanangana ny Patagon. Raha hijery ny fanolorany dia tsindrio eto.

Ny fanolorana hafa dia nomen'i Paolo Colonnello [es] avy ao amin'ny Blue Company, izay nanazava ny momba ny sehatra Bligoo. Manomboka mahazo tombombarotra ity programa (norafetina tao Shily) ity. Nanoratra ny eritreriny momba ny kaonferansa i Paolo:

La conferencia de ayer me dejo muy satisfecho, es la primera vez que nos encontramos los emprendedores de la Web Chilena. Unos 300 entusiastas llenamos el auditorio de la Biblioteca de Santiago y por más de cuatro horas estuvimos conversando y exponiendo de distintos proyectos y aprendiendo mutuamente. La orientación de las charlas no fue tecnica sino que la visión de negocio, cuidado de clientes, financiamiento y emprendimiento. La organización a cargo de Nico Orellana fue impecable.

Nahafapo ahy ny fivoriambe omaly, raha io fivorian'ny mpanombo-draharaha web voalohany ao Shily. Olona manodidina ny 300 no nameno ny auditorium ao amin'ny tranombokin'i Santiago nandritra ny adiny efatra, niresaka sy nanolotra tetikasa isankarazany izahay. Samy nahazo lesona avy amin'ny hafa. Tsy resaka teknika loatra ny fampianarana, fa nifantoka kokoa amin'ny vinam-pihariana, fikarakarana ny mpanjifa, ny resaka ara-bola sy ara-panombohan-draharaha. Lavorary ny fikarakaran'i Nico Orellana ny kaonferansa.

Lohahevitra iray nahaliana ihany koa ny fomba ahazoam-bola amin'ny alalan'ny bilaogy sy ny pejy. Javier Yranzo [es] avy ao amin'ny Grey Chile [es] no niresaka momba ny adwords sy ny adsense.

Nifarana tamin'ny alalan'ny fanoloran'i Leo Prieto [es] (jereo ato ny antsafa nifanaovany tamin'ny Global Voices), nanangana ny Zetacorp Networks [es]. Noresahany ny tontolon'ny web 2.0 sy ny zava-niainany tamin'ny Fayerwayer [es], iray amin'ny bilaogin'haitao nahomby indrindra ao Amerika Latinina. Raha hijery ny fanolorany dia tsindrio eto.

Nanao ahoana ny nikarakarana ny kaonferansa? Oskar avy ao amin'ny Needish, iray amin'ny mpanolotra efa voasoratra eo ambony, no nanoratra ny fomba nanasana azy handray anjara amin'ity hetsika ity [es]:

Un día aparece Nicolás Orellana en mi vida (no hace falta llorar), con la visión del sitio Webprendedor como un lugar para fomentar el negocio… ¡de otros sitios Web! Algo que entendía hace rato ya, se consolidó en mí como algo clave hoy en la conferencia organizada por Nicolás (y otros importantes emprendedores chilenos, ej. www.meeting.cl): Uno puede crear negocio solo pero un negocio necesita una industria para vivir. La industria tendremos que crear juntos (ahora, si pueden llorar) y yo prometo que Needish – en caso de éxito – prestará futuros recursos para soportar eventos y actividades para fomentar la innovación en Chile

Indray andro, niseho teo amin'ny fiainako i Nicolas Orellana (tsy ilaina ny mitomany) nitondra ny vinan'ny tranonkala Webprendedor ho toerana iray hampiroboroboana fihariana…….tranokala hafa! Zavatra fantatro fotoana elaela izay, saingy nohamafisin'ny kaonferansa nokarakarain'i Nicolás (sy ireo Shiliana mpanombo-draharaha hafa, i.e. www.meeting.cl) fa afa-manangana fihariana ny tsirairay fa izay ilain'ny indostirian'ny fihariana ihany no afa-miavotena. Ao amin'ny indostiria, mila miara-manorina isika (afa-mitomany amin'izay isika) ary mampanatena aho fa i Needish, raha te-hampahomby azy, dia hampindrana fitaovana sy votoaty mba ahafahany manohana hetsika sy lanonana hanohanana ny fanavaozana eto Shily.

Tsindrio eto raha hijery ny sarin'ny kaonferansa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.