Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Avrily, 2011
Côte d'Ivoire: Mikiribiby i Gbagbo, Fanoherana Afrikana
Raha mbola mihidy ao amin'ny bunker misy azy ao amin'ny firenena hatrany ny filoha Ivoariana teo aloha Laurent Gbagbo, mikiry mandà ny fahareseny nandritra ny fifidianana filoham-pirenena 2010, niteraka adihevitra teo amin'ny olom-pirenena sy ny mpanao politika frantsay, mbamin'ny Fiaraha-monina Afrikana any Frantsa ny fandraisana anjara an'i Frantsa hanongana azy. Hatrany Paris...
Yemen: mitohy ny famoretana atao amin'ireo mpanao fihetsiketsehana
Tamin'ny alatsinainy (04 aprily), nisehoana famoretana nandatsahana ain'olona nataon'ny miaramila tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana tsy mankasitraka ny fitondrana tao an-tanànan'i Taiz sy Hodaida. Dia izay indray, i Ali Abdullah Saleh, izay nitondra an'i Yémen nandritra ny 32 taona, no nampiasa miaramila sy bala tena izy hanoherana ireo mpanohitra mitaky ny...
Iran: Hetsi-Panoherana Ho Anà Farihy Miha-Maina
Ampolony mahery ireo mpanao hetsi-panoherana no voasambotra tamin'ny 2 Aprily 2011 tao amin'ny faritr'i Azerbaijan Iraniana tao an-tanànani Tabriz sy Urmia (Avaratra-adnrefan'i Iran). Tamin'ity indray mitoraka ity ny hetsi-panoherana dia tsy ho an'ny demaokrasia na ny fahalalahana, fa fangatahana amin'ny governemanta mba hiaro ny Farihy Urmia, iray amin'ireo farihy lehibe indrindra manerantany misy rano masira.
Syria: Tafaverina soa aman-tsara any an-tranony ny anankiroa, mbola tsy hita kosa i Khaled El Ghayesh
Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny fanoherana tany Syria 2011 ity . Tamin'ny herinandro lasa teo, ilay teratany amerikana ejipsiana Muhammad Radwan (fantatra amin'ny @battutta ao amin'ny Twitter) no nosamborina tany Syria satria nampangaina ho mpitsikilo sy nahazo fangatahana avy any ivelany handefa sary sy lahatsary momba an'i Syria. Tamin'ny 01 aprily, nilaza...
Syria: Mofo dipaina sy Propagandy
Raha niditra amin'nyherinandro fahatelo ny fanoherana any Syria, dia nisy fileferana nataon'ny governemanta Assad mba hampitonena ny mpanao fihetsiketsehana. Androany dia nanakatona casino vaovao ao amin'ny fireneny ny fitondrana mba hahazoany sitraka amin'ny miozolomana mpitahiry nentin-drazana.
Mampifanolana an'i Etazonia sy Bolivia ny ravina kôka tsakoina
Mitana ny laharana fahatelo maneran-tany i Bolivia raha ny resaka famokarana kôka no jerena araka ny tatitra momba ny zavamahadomelina navoakan'ny firenena mikambana tamin'ny taona 2010, kanefa tsy avy hatrany dia nitodika tamin'i Bolivia ireo mpiasa ao amin'ny DEA (Sampana miady amin'ny fanondranana sy fidorohana zavamahadomelina any Etazonia). Fanazavana. The...
Libia: Ny Vahoaka Mitatitra Vaovao Avy Any Ambava-Ady
Mitohy voasivana ny lahatsary momba an'i Libia rotiky ny ady izay ifanandrinan'ireo mpanohitra amin'ny herin'ny Kolonely Muammar Gaddafi mba hanonganana ny fitondrany izay efa naharitra 42 taona. Ity misy fantina lahatsary farany nalain'ireo mpampiasa aterineto any ambava-ady amin'ireo tanàna lehibe mbola ifandroritana any Libia.
Côte d'Ivoire: Asa Famonjena Noho ny Maha-Olona Amin'ny Alalan'ny Tenifototra Ao Amin'ny Twitter
Anatin'ny korontana ara-politika misy ankehitriny ao Côte d'Ivoire, ny tenifototra #civ2010 ao amin'ny twitter dia nanjary loharanom-baovao nànana ny toerany teo amin'ny firenena. Na izany aza, maro ireo mpampiasa twitter no nampiakatra ny feony ka nitaraina fa ilay tenifototra dia nanjary lasa fitaovana nampiasain'ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany handrehetana ady.. Tenifototra iray vaovao, #civsocial, no noforonina mba hifampizaràna zavatra mikasika ny famonjena noho ny maha-olona.