· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Avrily, 2011

Tetikasa “Exploring Taboos”, diaben'ny vehivavy an-tapitrisa

Rising Voices  23 Avrily 2011

Noraiketin'ireo gazety malaza ary koa ny vaovao an'olo-tsotra an-tantara ireo zava-niseho nandritra ny revolisiona Ejyptiana, ka nitodika tany amin'ny fampandrosoana izay niteraka ny fionganan'i Hosni Moubarak tamin'ny 11 febroary 2011 avokoa ny mason'izao tontolo izao. Niara nifarimbona ireo bilaogera na ireo mpira-miasa isan-karazany tamin'ny tetikasa Rising Voices tao Ejypta mba hilazalaza...

Mozambika: Noravan'ny polisy tamin-kerisetra ny grevy

  22 Avrily 2011

Ny 6 aprily, mpiasa ao amin'ny sampana polisin'ny Repoblikan'i Mozambika – Hery Vonjy Taitra ( Force d'Intervention Rapide)  – no nampiasa herisetra mba handrava ny fihetsiketseham-panorenana nataon'ireo mpiasa amina orinasa momba ny Fiarovana olo-tsotra Group Four Security (G4S). Toa hita fa ny G4S dia nampidina ny karaman'ireo mpiasany, ary mitaraina izy...

Senegaly: Hetsika “Leo izahay” hatreny an-tranokala ka hatrany an-dapam-panjakana

  22 Avrily 2011

Nandritra ny hetsiky ny revolisiona arabo, nahita ny fandraisana andraikitra maromaro an'ireo tanora tezitra amin'ny aterineto ny tranokala senegaley. Nanomboka ny volana martsa, nivoaka ny tranonkala ny fanentanana ary lasa mpitarika ny fanoherana “ny mpifarimbon'asa Y en a marre”. Natsangana tamin'ny volana janoary 2011 ny “Leo izahay” noho ny hakiviana nivangongo manoloana...

Ejipta: “Tena mampalahelo ahy tokoa i Mobarak”

Anisan'ireo lahatsoratra manokana momna ny fanoherana tany Ejipta 2011 ity . Hatramin'ny nivoahan'ny vaovao tamin'ny herinandro lasa fa ny filoha teo aloha Hosni Mubarak sy ny zanany roalahy Alaa sy Gamal El-Din no  nosamborina sy ampiakarina fitsarana, ilay blaogera sady mpitolona Hany George, nilaza fa niresaka tamin'ny olona maro izy ka malahelo...

Syria: Lalàna Amin'ny Tany Misahotaka Naato,Mitohy Hatrany Kosa Ny Hetsi-Panoherana

Tany Syria, nifamahofaho be ihany ny fandraisana ny fanambaràna nataon'ny Filoha Bashar Al-Assad androany nilazany ny fiafaràn'ny fepetra fanao amin'ny tany misahotaka izay efa nihatra teo amin'ny firenena hatramin'ny 1963. Nandalo herinandro maro nisianà hetsi-panoherana ny firenena, ary maro tamin'ireny no nisedra herisetra mahafaty avy tamin'ny mpitandro filaminana ofisialy.

Cote d'Ivoire : Mbola mitohy ny herisetra na dia efa voasambotra aza i Gbagbo

  16 Avrily 2011

Taorian'ny fisamborana azy ny 11 aprily 2011 lasa teo, niparitaka tamin'ny aterineto sy ny gazety iraisam-pirenena ny sarin'ny Filohan'i Cote d'Ivoire teo aloha Laurent Gbagbo sy ny vadiny ary ny manodidina azy. Sary iray manokana no niteraka fihetseham-po mahery vaika: ilay mpanao gazety Israël Yoroba, izay miasa ao amin'ny TV5 any Abidjan,...

Bahrain: Nosamborina i “Emoodz”, mpitoraka blaogy

Tamin'ny faha 30 Martsa 2011, dia nosamborina ilay mpitoraka blaogy teratany Bahraini Mohamed El-Maskati, fantatry ny olona bebe kokoa amin'ny anarana hoe "Emoodz" eo amin'ny tontolon'ny blaogy. Raha araka ny hevitry ny 'Reporters sans frontières', ny fisamborana an'i El-Maskati dia niseho taorian'ny fandrahonana tao amin'ny Twitter izay nataon'ny olona iray ao amin'ny fianakavian'ny mpanjaka, ary fantatra tsara amin'ny hoe @emoodz i El-Maskati ao.