Raha niditra amin'nyherinandro fahatelo ny fanoherana any Syria, dia nisy fileferana nataon'ny governemanta Assad mba hampitonena ny mpanao fihetsiketsehana. Androany dia nanakatona toeran-doka vaovao misy ao an-toerana ny fitondrana mba hahazoany sitraka amin'ny miozolomana mpitahiry nentin-drazana.
Mandritra izany fotoana izany, manamafy ny sezany amin'ny alalan'ny propagandy ny fitondrana, ny sasany amin'izany moa dia hita any amin'ny toerana tsy ampoizina indrindra. Ity takariva ity ary dia ni-tweet sarina mofo dipaina syriana ahitana hafatra manokana ho an'ny vahoaka syriana ny mpanangom-baovao ao amin'ny CNN Hala Gorani :
Leaflets handed out w/ bread purchase in #Damascus: “#Syria is our sect (…) We are all Bashar…” http://yfrog.com/gzpk8glj
Araka an'i Assia Boundaoui (@assuss), misy mivaky toy izao ihany koa ao anatin'ny singan-taratasy “ao anaty fivoarana tanteraka ny firenena.” Amin'izany, nomarihan'i Maisa Akbik fa na dia ny “Ejipsiana aza dia tsy mba nanao toy izao.”
@sapiensprod naka fomba fijery somary maivamaivana kokoa:
Football league games cancelled in #Syria and propaganda on the bread. Give them bread, no games…meanwhile many people detained…#Bashar