Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny Korontana Cote d'Ivoire 2011.
Kihon-dàlana lehibe ho an'i Côte d'Ivoire, firenena ao andrefan'i Afrika iny herinandro vao nidify iny. Niatrika olana ara-politika lalina ny firenena nanomboka tamin'ny 3 Desambra 2010, rehefa nanambara an'i Alassane Ouattare ho nivoaka nandresy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena ny Komitim-Pifidianana Ivoariana, raha ny Filankevitry ny Lalampanorenana kosa indray dia nanambara fa ny filoha teo aloha, Laurent Gbagbo, no nivoaka ho mpandresy.

Ireo olona nafindra toerana ao anatin'ny taniny ihany ao Duekoue, andrefan'i Côte d'Ivoire, voatosika handao ny trano fonenany noho ny fanafihana nataon'ireo milisy mpomba an'i Ouattara tamin'ny Janoary 2011. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr, Sunset Parkerpix (CC BY-SA 2.0).
Taorian'ny fandrosoana malaky avy any atsimo sy andrefan'ny firenena, ny tafika Repoblikana manohana ny filoha Ouattara izay nankatoavin'izao tontolo izao dia tonga tao Abidjan, renivohitra ara-toekarena, tamin'ny 31 Martsa 2011, ary nanao fahirano ny lapan'ny filoha tao Cocody, izay nambara fa nialokalofan'ny filoha Gbagbo.
Nanomboka teo, nahazo toerana tao an-tanàna ny fifandonana mahery vaika, ary nisy ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina napetraky ny governemantan'i Ouattara nanomboka ny Sabotsy 2 Aprily hatramin'ny Alatsinainy 4 Aprily.
Bitsika maro avy eny anaty korontana eny
Ao anatin'ity korontana ity, ny tenifototra ao amin'ny Twitter hoe #civ2010 dia nanome loharanom-baovao tena nànana ny toerany teo amin'ny firenena. Na izany aza, maro ireo mpampiasa twitter no nampiakatra ny feony nitaraina fa ilay tenifototra dia nanjary lasa fitaovana nampiasain'ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany handrehetana ady.
Kojito R. Gossoum, mibitsika amin'ny solonanarana @N2_language [fr], dia naneho ny fikorontanan-tsainy:
Est-il possible d'ignorer ceux qui font dans l'intox et la provocation? S'il vous plait! Nous voulons des info #civ2010
@bish00p [fr] dia manohy:
#civ2010 avant entre 2 insultes, y'avait des infos sur ce fil, now, y'a plus que des insultes quasiment. C d'un laid
Ity mpitoraka bilaogy ity, Nnenna, dia nahatsiaro ho voatery mba hamoaka na kely monja ihany aza lahatsoratra am-bilaogy manao hoe ‘Hashtag or Hate-tag‘ (Tenifototra sa Fankahalana fototra), ka ao anatin'izany no anazavany ny dikan'ny #civ2010 fony izy io noforonina, sy ny niafarany ankehitriny :
Izay izany, ny fihodinana faharoa tamin'ny 28 Novambra, ary ny “fianjeran'ny mànda”. Goavana tokoa raha ny fiofon'ilay tenifototra. Niainga avy taminà fanaraha-mason'ny olon-tsotra sy habaka nifampizarana vaovao ilay izy dia tonga any amin'ny karazana fikambanan'olona manana firehana mitovy: olona na zavatra iray hàlan-dry zareo! Kanefa, mivaivay ny ady eny an-dalamben'i Abidjan, saingy mafotaka koa ny ady any anaty twitter..
#civsocial
Ho setrin'io fihenjanana amin'ny ankapobeny io, ireo Ivoariana mpampiasa twitter dia nanapa-kevitra tamin'ny Alahady 3 Aprily fa hamorona tenifototra hafa, ka hifampizaràna ao anatin'izany ny vaovao amin'ny maha-olona sy ny vonjy taitra.
Edith Brou (@edithbrou) [fr], mpiasa ara-tsosialy iray ao Côte d'Ivoire dia manazava hoe:
Twittons utiles, twittons efficaces, pour sauver des vies, vi@ le Web ivoirien.#civsocial… Un seul tweet peut faire la difference, le tien
Nadira,mpampiasa twitter amin'ny (@Naddah) [fr], “Frantsay iray manana firazanana Alzeriana”, manampy hoe:
Ivoiriens au lieu de vous insulter sur le fil #Civ2010, rendez vous utile sur le fil#CivSocial
Mandritra izany, cartunelo (@cartunelo), mpampiasa Twitter sady mpamorona vohikala monina ao Abidjan, [fr] dia nanomboka nanpiely feo momba ny filàna fanampiana amin'ny maha-olona tamin'ny alàlan'ny #civsocial, mikasika olona iray voatifitra:
#civsocial, besoin d un médecin à la star 6 la soeur dune amie vient de prendr une balle!si oui,ses contacts svp!très urgent!!!#civ2010
Ny antsony dia sady niely tao amin'ny tenifototra #civsocial ary tao amin'ny #civ2010 , ary tamin'ny farany dia avotra soa aman-tsara ilay tovovavy, araka ny nitateran'i [fr] cartunelo azy taty aoriana kely:
Grace a votre aide L'hémorragie de la 1ere fille a stoppé. Besoin maintenant de xylocaine. Contactez 40003480/03784354 #civsocial,#civ2010
Vonjy Voina Voalohany ao amin'ny Twitter
Ny tenifototra #civsocial koa dia nanjary lasa toerana iray ifampizaràna torohevitra momba ny fanaovana vonjy voina voalohany ho an'ireo maratra, araka ny fanazavan'i @Naddah [fr]:
gestes de premier secours http://bit.ly/eKsyUr #civ2010#CivSocial
Amin'ny fotoanan'ny ady, zava-tsarobidy ny rano ara-pahasalamana; samy nampiasain'ireo mpampiasa Twitter avokoa ny #civ2010 sy #civsocial mba hifampizaràna vaovao amin'ny fomba atao hanadiovana rano. Patience (@zorociv2011) [fr], mpampiasa Twitter iray avy ao Abidjan no nizàra ity manaraka ity:
#civ2010 #civsocial Eau insalubre? Filtrer avec tissus. 1 cuillère à soupe de javelle pour 6 a 8 lit d'eau. attendre 15 mn ==>ok eau potable
Ity lahatsoratra ity dia iray am in'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny Korontana Cote d'Ivoire 2011.