Iran: Hetsi-Panoherana Ho Anà Farihy Miha-Maina

Ampolony mahery ireo mpanao hetsi-panoherana no voasambotra tamin'ny 2 Aprily 2011 tao amin'ny faritr'i Azerbaijan Iraniana tao an-tanànan'i Tabriz sy Urmia (Avaratra-andrefan'i Iran). Tamin'ity indray mitoraka ity ny hetsi-panoherana dia tsy ho an'ny demaokrasia na ny fahalalahana, fa fangatahana amin'ny governemanta mba hiaro ny  Farihy Urmia, iray amin'ireo farihy lehibe indrindra manerantany misy rano masira.

Ny fanorenana tohodrano amin'ny ampahany amin'ilay farihy narahana haintany tsy ela akory izay dia tena nampihena ny hadirin-drano azon'i Urmia isan-taona. Setrin'izany dia nitombo ny ngidin'ny sira, ka nampandositra ireo vorona marobe.

Hoy ireo mpanao hetsika nikiaka hoe: “Matin'ny hetaheta ny Farihy Urmia”, sy  “Vakio ny tohodrano ary avelao ny rano hivarina ao amin'ny Farihy Urmia”.

Ao amin'ny vohikala Tabrizsesi, misy sary marobe – toy ny iray etsy ambony momba ny hetsika androany.

Az inavr o Oonvar miteny hoe[fa]

Azontsika lazaina fa nijoro androany ireo Azerbaijani Iraniana  ary nihetsika nanohitra mba hanavotana ny Farihy Urmia. Tokony hanohana ity hetsika ity ireo vahoaka hafa any amin'ny tanàna hafa toa an'i Tehran sy  Shiraz ho mariky ny firaisankina.

Manoratra ny bilaogy Urmuiscileri [fa] fa araka ny voalazan'ireo vavolombelona nanatri-maso, manodidina ny 300 ireo olona niezaka nitarika ny fihetsiketsehana tao Urmia, nefa dia nanaovan'ny mpitandro filaminana herisetra ry zareo ary olona maro no nosamborina.

Manana nosikely 102 ny Farihy Urmia, Kaboudi no faharoa lehibe indrindra. Io no toeram-pilevenan'i Hulagu Khan, zafikelin'i Genghis Khan, amperoran'ny ‘empire’ Mongol. Ny fitantaràna voalohany momba ny Farihy Urmia dia avy amin'ny tahirin-tsoratra  Assyriana efa tamin'ny taonjato faha-9 talohan'i Jesosy Kristy. Jereo ny sary maneho ny hakantony ao amin'ny Abdolian.com.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.