Fomba fijerin'ny Kashmirita iray manokana teraka tany Nepal ny krizy any Kashmir

Lehilahy Kashmirita mitazona bala tafondro mirefy 120mm. Mijoro eo an-tampon'ny tranony izy izay ravan'ny zera baomba. Nifampitifitra ny tafika avy ao India sy Pakistan teo amin'ny Tsipika Fanaraha-maso ao Jammu sy Kashmir taorian'ny fanafoanan'ny manampahefana Indiana ny Andinin-dalàna faha 370. Sary avy amin'i Ieshan Wani tao amin'ny Instagram. Nahazoana alàlana.

Tamin'ny 5 Aogositra 2019, namoaka didin-dalàmpanorenana ny governemanta Indiana manafoana ny Andinin-dalàna faha 370 – hetsika iray manafoana ny sata manokana nomena ny fanjakana Jammu sy Kashmir.

Vakio ny Fitantaranay Manokana: Ny krizin'i Kashmir Indiana

Ny mpifanolo-bodirindrina amin'i India, Nepal, no iray amin'ireo firenena maro izay tsy manohana ny fidiran'ny firenenkafa, ary araka ny notateran'ny ANI dia nilaza ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ao Nepal, Pradeep Gyawali fa raharaha anatiny ho an'ny fanjakana Indiana izany.

Nankalaza ny fanapahan-kevitry ny Governemanta Indiana ireo Gorkhas mpiteny Nepaley sasany monina ao Jammu  raha nisy ny fihetsiketsehana tao an-renivohitr'i Nepal, Kathmandu mba hamahana ny olan'i Kashmir amin'ny alàlan'ny fifanakalozan-kevitra.

Nivoaka tao amin'ny Oniversiten'i Kashmir i Aquib ary mipetraka ao an-drenivohitr'i Nepal, Kathmandu. Teraka tany Nepal izy ary Nepaley ny reniny ary manana toeram-pivarotana firavaka any Kathmandu izy. Niresaka tamin'i GV momba ny heviny tamin'ny fanapahan-kevitr'i India hanafoana ny Adinin-dalàna faha 370 izy.

Global Voices (GV): Firy taona ianao izay no nipetraka teto Nepal?

Aquib (A): I was born in Nepal. My father came to Nepal to start a business in the 1980s. My father is a Kashmiri and my mother a Nepali. Apart from spending some years in Kashmir during my studies, I’ve been living mostly in Nepal.

Aquib (A): Teraka teto Nepal aho. Tonga teto Nepal ny raiko mba hanomboka orinasa tamin'ny taompolo 1980. Kashmirita ny raiko ary Nepaley ny reniko. Ankoatra ny nonenany taona maro tao Kashmir nandritra ny fianarako dia taty Nepal no nipetrahako ela indrindra.

GV: Ahoana ny fifandraisanao ara-pihetsehampo amin'i Kashmir?

A: I completed my Bachelor’s degree from Kashmir University. My relatives and friends live in Kashmir. Currently, my parents also live in Kashmir.

I visit Kashmir 3-4 times every year. Last I went there on 8 August 2019. Before I got there, the Government of India had decided to revoke the special status of the State of Jammu and Kashmir.

A: Nahazo ny mari-pahaizana lisansa tao amin'ny Oniversiten'i Kashmir aho. Mipetraka ao Kashmir ireo havako sy namako. Mipetraka ao Kashmir ihany koa ny ray aman-dreniko ankehitriny.

Mitsidika an'i Kashmir in-3 na in-4 isan-taona aho. Tamin'ny 8 Aogositra 2019 ny farany nandehanako tany . Nanapa-kevitra ny hanafoana ny sata manokana ho an'ny Fanjakan'i Jammu sy Kashmir ny Governemanta Indiana talohan'ny nahatongavako tany.

Global Voices (GV): Araka ny hevitrao, nahoana no hifandroritana i Jammu sy Kashmir ?

A: Kashmir has been in debates since 1947 when India and Pakistan were divided. Both India and Pakistan have been neglecting the self-decision rights of Kashmir. Kashmir got entangled in the conflict. Recently, after India encroached on their rights, the conflict rose sharply.

A: Efa niadian-kevitra i Kashmir hatramin'ny taona 1947 rehefa nizarazara i India sy Pakistan. Samy tsy niraharaha ny zon'ny fanapahan-kevitra manokana noraisin'i Kashmir i India na i Pakistan. Nifandroritana tao anatin'ny ady i Kashmir. Vao haingana, nitombo ny fifanolanana rehefa nanitsakitsaka ny zon'izy ireo i India.

GV: Inona no maha-zava-dehibe ny Andinin-dalàna faha  370 ho an'i Kashmirita?

A: Article 370 of the Indian constitution holds a special significance for Jammu and Kashmir. Because of it, Jammu Kashmir was free to have its own constitution, flag and laws. The Kashmiris have lost their identity and rights after the abrogation of the Article which gave Jammu Kashmir a ‘Special State’ status.

A: Manana dikany lehibe ho an'i Jammu sy Kashmir ny andininy faha-370 ao amin'ny lalàm-panorenana Indiana. Noho io antony io, malalaka amin'ny fananany lalàm-panorenana, sainam-pirenena ary lalàna manokana i Jammu Kashmir.  Very ny mari-panondroana azy sy ny zony ny Kashmirita taorian'ny fanafoanana ilay Andinin-dalàna izay manome an'i Jammu Kashmir ny satan'ny ‘Fanjakana Manokana’.

GV: Araka ny hevitrao, nahoana ny governemanta India no nanafoana ny andinin-dalàna faha 370?

Aquib: India’s Prime Minister Narendra Modi and the Bharatiya Janata Party (BJP) he is leading had been trying to repeal Article 370. This was their political motive and they had mentioned it in their election manifesto as well. And only a few months after winning the Lok Sabha elections they have hurt the sentiments and snatched the rights of Kashmiri people by repealing Article 370.

Aquib: Niezaka ny hanafoana ny andinin-dalàna faha-370 ny Praiminisitra ao India, Narendra Modi sy ny Antoko Bharatiya Janata (BJP) izay tarihiny. Io no antony manosika azy ireo ara-politika ary noresahan'izy ireo  ihany koa izany tamin'ny manifesto fifidianana. Ary volana vitsy monja taorian'ny nandreseny ny fifidianana Lok Sabha no nandratran-dry zareo ny fihetseham-po sy nandrombahan-dry zareo ny zon'ny vahoaka Kashmirita tamin'ny fanafoanany ny Andinin-dalàna faha-370.

GV: Raha nanambara i Nepal fa raharaha anatiny ao India ny olan'ny Kashmir, ahoana no fomba itondran'i Nepaley ireo Kashmirita mipetraka ao Nepal?

Aquib: More than 500 Kashmiris live in Nepal’s capital city Kathmandu and touristic city Pokhara doing business. We Kashmiris have neither been discriminated [against] nor been treated badly by the Nepali community. In contrast, we are treated with suspicion in India. At the airport immigration, we are hassled by questions like “why we are going to Nepal?” and “for how long?”, etc.

Aquib: Kashmirita maherin'ny 500 no mipetraka ao Kathmandu renivohitra sady tanan-dehibe ara-pizahan-tany ao Pokhara izay manao raharaham-barotra. Tsy mbola nisy nanavakavaka na niharan'ny tsy rariny avy amin'ny vondrom-piarahamonina Nepaley izahay Kashmirita. Mifanohitra amin'izany anefa fa mampiahiahy izahay any India. Rehefa any  eo amin'ny seranam-piaramanidin'ny fifindra-monina dia rahonana amin'ny fanontaniana izahay toy ny hoe “Inona no antony ankanesanao any Nepal?” ary “mandritra ny hafiriana?”, sns…

GV: Ahoana ny fahitanao ny vaovao momba ny olan'i Kashmir alefan'ny fampahalalam-baovao Nepaley – manohitra an'i Kashmirita ve izany sa tsy miandany amin'iza na amin'iza?

A: The news about the Kashmir issue disseminated by Nepali media is not biased against anybody, but it is about the latest move by the Indian Government and Article 370. India’s move is ill-considered and one-sided. This decision might lead to more trouble instead of solving the dispute.

I appeal to the international community to stand in solidarity with the Kashmiris against the injustice meted out to them.

A: Tsy miandany na amin'iza na amin'iza, fa miresaka momba ny tranga farany nataon'ny Governemanta Indiana sy ny Andinin-dalàna faha-370 ny vaovao momba ny olan'i Kashmir izay alefan'ny fampahalalam-baovao Nepaley. Tsy voahevitra ary mitongilana manokana amin'ny ankolafy iray ny fihetsika nataon'i India. Mety hiteraka olana bebe kokoa izany fanapahan-kevitra izany fa tsy hamaha ny fifandirana.

Manao antso amin'ny fianakaviambe iraisampirenena aho mba hijoro amin'ny firaisankina amin'i Kashmirita hanoherana ny tsy rariny mihatra amin'izy ireo.

GV: Ahoana no mety ho fiantraikan'ny fanafoanana ny Andinin-dalàna faha-370 ho an'i Kashmir any aoriana?

A: The special rights Jammu and Kashmir had been exercising for the last seven decades have been removed. To muzzle the Kashmiri voices against this move armed forces have been sent to Kashmir. Communication services like mobile phones and the internet have been shut down including educational institutions. People have been prohibited from gathering and the opposition leaders have been put under house arrest. But the Indian government’s authoritarianism can never control the sentiments of Kashmiris and their dissenting voices.

A: Nofoanana ny zo manokana nositrahan'i Jammu sy Kashmir nandritra ny fitopolo taona farany. Nalefa tany Kashmir ny tafika mitam-piadiana hampangina ny feon'i Kashmirita manohitra ity hetsika ity. Nakatona ny tolotry ny Fifandraisandavitra toy ny finday sy ny Aterineto anisan'izany ireo ivontoeram-pampianarana. Voarara  tsy hivory ny vahoaka ary nampidirina am-ponja ny mpitarika ny mpanohitra. Saingy tsy afaka mifehy ny fihetseham-pon'i Kashmirita sy ny feon'ny mpanohitra azy ireo ny governemanta Indiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.