Hira nalaza haingana an'ny mpanakanto Vietnamiana-Amerikana manohana ireo mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong manohitra ny fampodiana olona

Pikantsary avy amin'ny lahatsary “Sea of Black” (Ranomasin'ny Mainty) navoakan'ny SBTN tao amin'ny Youtube tamin'ny 2 Jolay 2019

Nanjary nalaza teo amin'ireo mpisera Vietnamiana sy Hong Kong ny hira iray nosoratan'ny mpamoron-kira Vietnamiana-Amerikana iray izay teraka avy amin'ny aingam-panahin'ny hetsi-panoherana manohitra ny volavolan-dalànan'ny fampodiana olona any Hong Kong.

Navoaka tamin'ny fiandohan'ny volana Jolay 2019 ilay hira, taorian'ny fihetsiketsehana tao Hong Kong nitakiana ny fanesorana ny volavolan-dalàna momba ny fampodiana niteraka adihevitra izay mamela ny manampahefana ao amin'ny taniben'i Shina hanome baiko ny fisamborana sy ny fampodiana ireo mpanohitra, mpikatroka ary eny fa na dia ny mpanao gazety aza. Mety hanimba ny fahalalaham-pitenenana sy ny fahalalahana sivily hafa izay isitrahan'ireo olom-pirenena ao Hong Kong ankehitriny izany.

Nanoritsoritra tao amin'ny Facebook ny aingam-panahiny tamin'ny fanoratana ity hira ity i Truc Ho, mpiangaly mozika fanta-daza sady mpamorona eo anivon'ny vondrom-piarahamonina Vietnamiana any ivelany:

Nhớ thứ Bảy tuần rồi sau khi xem tin tức về Hong Kong, Trúc Hồ đã cầm guitar lên và viết những note nhạc đầu tiên cho bài Hong Kong, Sea of black

Tamin'ny Asabotsy lasa teo raha nanaraka ny zava-nitranga tao Hong Kong aho no naka ny gitara ary nanoratra ny andininy voalohany tamin'ilay hira ho an'i Hong Kong, Sea of ​​Black.

Ilay mozisiana Vietnamiana-Amerikana Truc Ho (havanana) tany Hong Kong nandritra ny hetsika Hetsi-panoherana Elo tamin'ny volana oktobra 2014. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'i Truc Ho, nahazoana alalana

Mampita ny hafatry ny hira mazava ho fanohanana ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny lalànan'ny fampodiana ny andininy hoe  “fahalalahana, demaokrasia ihany no tena ilaintsika” sy ny hoe “mjery anao isa-dingana izao tontolo izao “.

Nianatra momba ny fampitam-baovao i Truc Ho ary liana tokoa amin'ny hetsika miaro ny zon'olombelona. Nanoratra tao amin'ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook izy mikasika ny fitsidihany tany Hong Kong tamin'ny taona 2014 mba hitatitra momba ny famoriam-bahoaka izay nanjary fantatra tamin'ny anarana hoe Umbrella Movement (Hetsika Elo):

Sea of Black được viết từ năm 2014, khi đó qua Hong Kong để ủng hộ cách mang Dù Vàng …
Freedom, Democracy is all that we need viết từ những ngày đó… đến hôm nay mới hoàn thành

Nanomboka tamin'ny taona 2014  ny dian'ny ‘Sea of ​​Black’ rehefa nandeha tany Hong Kong aho hanohana ny Hetsi-panoherana Elo. Nanomboka tamin'izany andro izany ‘Ny fahafahana, ny demokrasia ihany no tena ilaintsika’. Ankehitriny vao vita (feno) ilay hira.

Nifampizaràna betsaka tao amin'ny tambajotra sosialy tao Hong Kong sy tamin'ny sehatra toy ny LIHKG, sehatra fifanakalozan-kevitra an-tserasera ao Hong Kong mitovy amin'ny Reddit izay nampiasaina mba hiresahana ny hetsika sy hanomezana fanampim-baovao momba ny hetsi-panoherana manohitra ny volavolan-dàlanan'ny fampodiana olona ilay hira.

Nametraka izao fanehoan-kevitra manaraka izao tao amin'ny YouTube ny olom-pirenena Hong Kong iray:

As a Hong Konger, I am touched. It's the first time a neighbour country write a song to support our protest. Thank you for giving us strength to carry on.

Nanohina ahy izany amin'ny mponin'ny Hong Kong ahy. Ity no voalohany nanoratan'ny firenena mpifanolo-bodirindrina hira ho fanohanana ny hetsi-panoherana ataonay. Misaotra anao nanome anay hery hanohy izany.

Nizara ilay hira ihany koa ny mpisera hafa, isan'izany ny mpanao lalàna ao Hong Kong Raymond Chan.

Nahazo aingam-panahy avy amin'ny hetsi-panoherana tao Hong Kong, namorona ny hira “Sea of Black” ilay mpihira sady mpikatroka Vietnamiana Amerikana Trúc Hồ  ary nanolotra izany ho an’ “ireo izay nanolotra ny ainy ho an'ny fahalalahana sy ny demaokrasia. Soratana hoe ” tự do ” amin'ny teny Vietnamiana ny #fahalalahana izay midika hoe 自由 amin'ny teny Shinoa

Teraka tany Vietnam, nandositra ny firenena i Truc Ho taorian'ny nangalan'ny fitondrana komonista izany taorian'ny Ady Vietnamiana. Nifindra tany Etazonia izy izay nananganany ny tambajotram-pahitalavitra Saigon Broadcasting  Television Network (SBTN), fikambanan'ny fampitam-baovaon'ny ampielezana Vietnamiana any California. Mpanatontosa fandaharana mozika teo aloha, nampiasa mozika ihany koa i Truc Ho mba ho fitaovana hampiroboroboana ny zon'olombelona ao Vietnam.

Tamin'ny taona 2012, nanoratra hira iray mitondra ny lohateny hoe Million Hearts” (Fo an-tapitrisany) izy mba hanohanana ny fanentanana hisarihana ny saina momba ireo bilaogera Vietnamiana nogadraina, anisan'izany i Dieu Cay sy Ta Phong Tan.

Mbola manohy ny fidinana an-dalàmbe ny olona an'aliny maro mba hanao fitakiana hafa, anisan'izany ny fametraham-pialan'i Carrie Lam sy ny fampiharana ny fanavaozana politika na dia teo aza ny fanambaran'ity lehiben'i Hong Kong ity fa efa nalana ny volavolan-dalàna momba ny fampodiana olona voampanga.

Jereo ny lahatsarin-kira :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.