Ejypta: Bilaogera miresaka momba ireo “Zanakalahin'ny Ziona”

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny taona 2009)

Mety hoe nijanona tsy nianjera ny baomba tao Gaza, saingy mbola mitohy ny ady an-tserasera goavana, amin'ireo bilaogera amin'ny andaniny sy ankilany manetsiketsika ny vondrony mba ‘hanongotra’ ny fisian'ny hafa – farafaharatsiny ao amin'ny aterineto.

Ary amin'ny hatezerana, ny fahavinirana ary ny fankahalàna izay fitaovana tsara indrindra ho an'ny ady mety haharitra mandrakizay, bilaogera Ejiptiana roapolo mahery no manambana ady amin'ny tafika bilaogera Israeliana.

Tamin'ny volana lasa teo, nitatitra i Haaretz fa mitady “tafika bilaogera” i Israely mba hiady amin'ny tranokala anti-Zionista. Nambaran'ny Minisiteran'ny Fanarahamaso ny Fifindramonina Israeliana ny fanapahan-kevitra fa mitady Isiraeliana mahay ny fiteny faharoa amin'ny teny anglisy, frantsay, espaniola ary alemana izy mba hisolo tena an'i Isiraely amin'ny “bilaogy manohitra ny Ziônista”.

Etsy ankilany, nanapa-kevitra hanohitra mafy an'ity tetikasa ity i Nawara Negm, tanora Ejiptiana bilaogera izay malaza antserasera tsy mbola misy toy izany. Nanapa-kevitra hitady bilaogera mahay fiteny maro ihany koa izy mba hanetsiketsehana ny herin'izy ireo hiadiana amin'izay lazainy ho “Zanakalahin'ny Ziona” ao anatin'ity ady antserasera ity.

Nahasarika fanehoan-kevitra 127 avy amin'ireo bilaogera mpanohana, mpanoratra 29 ary mpanaraka 21 i Negm, izay mitazona bilaogy iray malaza antsoina hoe Tahyyes. Nandrisika ireo bilaogera izy mba hanatevin-daharana ny bilaogy mitondra ny lohateny hoe New Holocaust, izay mikendry ny hanangona ireo habibiana rehetra nataon'ny fanjakan'i Isiraely hatramin'ny niforonany tamin'ny taona 1948.

Ao amin'ny blaoginy, manazava ny hetsika toy izao i Negm:

اول حاجة: محتاجين اكتر من لغة، غير الانجليزي والعربي، كان فيه واحدة دخلت لي وقالت لي انا فرنساوي، طيب عايزين لغات كمان
تاني حاجة: عايزين نركز على حاجة حاجة، يعني الجريمة الاخيرة دي، انا عارفة ان اسرائيل جرايمها كتير، واحنا محتاجين نركز على الجريمة الاخيرة، بس مش كأنها اول مرة تحصل، لازم نوصل للعالم ان هي دي طريقتها طول عمرها وان احنا مطلبنا تقديم القيادات العسكرية والسياسية للمحاكمة، واحدة واحدة، نمسك حاجة حاجة
تالت حاجة: عايزين صور وفيديوهات كتير، االمشكلة في عرض القضية الفلسطينية من اول النكبة ان بيبقى فيها وثائق طويلة ومكتوبة، عايزين شرح للقضية الفلسطينية من اولها بفيديوهات وصور بعدة لغات وبشكل مكثف من غير ما نزهق الناس برغينا، واضح ان ماحدش مقتنع بينا عشان احنا رغايين وللا ايه
خلينا نكون حسني الظن ونقول انهم مش مقتنعين عشان احنا رغايين وما نقولش انهم مش لاقيين حد يضطهدوه غيرنا
رابع حاجة بقى: احنا عايزين نطالب الامم المتحدة تطلع قانون لحماية العرب والمسلمين من الاسلاموفوبيا والعربوفوبيا لان كده بقى ما ينفعش فعلا التهزيء اللي احنا فيه، ولما نتهزأ ونزعل يتريقوا علينا، طب اللي بيتعمل فينا ماحدش يقدر يعمله في الصهاينة ابدا
خامس حاجة: انا ليا صحاب امريكان بيقولوا لي ان احد اسباب كراهية العرب انهم بيدرسوا في التاريخ الحملات الصليبية
شوف البجاحة يا اخي، شوف البجاحة يا اخي، ييجوا يحتلونا ويطلعونا احنا اللي وحشين كمان، وده بيخلي اسقاط كل الكراهية على العرب سهل، اولا لانهم بعيد، ثانيا لان يمكن استلهام الكراهية من التاريخ، لما سألتهم طب هو انتوا لازم تكرهوا حد؟ قالوا لي اه!!! لازم يبقى فيه عدو نسقط عليه كل الكراهية عشان ده بيبقى محفز كويس للشغل وشحذ الهمم والنشاط الخارجي والداخلي
(للتوضيح رجاء قراءة كتاب الامير لمكيافيللي)
لا معلش يشوفوا لهم حد يكرهوه غيرنا احنا اخدنا نصيبنا
النقطة دي لازم تتوضح
سادس حاجة: احنا مش ننتقد الناس ونعمل زيهم
بشكل اوضح، انا مش عايزة احفاد القردة والخنازير والكلام المهبب ده، اردوغان كان ذكي جدا لما قال اجدادي العثمانيين احتضنوا اليهود لما كانوا بيعانوا من الاضطهاد، والحقيقة التاريخ بيقول ان اليهود المواطنين طول فترة الحضارة العربية كانوا مدلعين اخر دلع، اكتر من المسيحيين بكتير (هههههه يا عيني المسيحيين) وانا عندي وثائق تاريخية بكده، ودراسات تاريخية عاملها الباحثين اليهود نفسهم، وفي مؤتمر المخطوطات كان فيه باحث يهودي قدم بحث رائع بيوثق بالمخطوطات ان مكانة اليهود في ظل الحضارة العربية كانت اخر دلع وهشتكة وده لانهم كانوا عددهم قليل واهتماماتهم كلها منصبة على التجارة والعلوم وما كانش لهم اطماع سياسية فكان دايما الخليفة يدلعهم ويقربهم
بالمختصر، انا مش عايزة عنصرية، ومش عايزة نكرر غلطة الصهيونية، هم يعملوا رد فعل للناز واحنا نعمل رد فعل للصهيونية ونلف في حلقة مفرغة، التوحش والكراهية دي لازم تقف دلوقت حالا لو ينفع

Voalohany: Mila fiteny maro isika, ankoatra ny teny Arabo sy teny Anglisy. Nisy nanome soso-kevitra hoe Frantsay. Tsara. Mila zavatra mihoatra noho izany isika.
Faharoa: Aoka isika hifantoka amin'ny zavatra iray amin'ny fotoana iray. Fantatro fa tsy tambo isaina ny heloka vitan'izy ireo, saingy andeha atomboka amin'ny famonoana farany nataon'i Isiraely. Mila izao tontolo izao isika hahita ny zava-misy amin'ny heloka rehetra vitan'ireo. Hangataka isika mba hotsaraina noho ny didy jadona sy vono olona izy ireo.
Fahatelo: Mila sary sy lahatsary, tahirin-kevitra sy antontan-taratasy ofisialy maro isika, mba hampisehoana ny zava-misy Palestiniana hatramin'ny nanombohany tamin'ny fiteny samihafa mandra-pamakin'ny firenena iray manontolo ny hafatra ampitaintsika.
Fahaefatra: Te-hangataka amin'ny fomba ofisialy amin'ny Firenena Mikambana isika mba hamoaka lalàna hiarovana antsika Arabo sy Silamo manoloana ny fankahalana silamo sy ny fankahalana Arabo … leo fanesoana sy fanevatevana. Tsy misy olona sahy maniratsira tahaka izany amin'ny Zionista
Fahadimy: Nahafantatra tamin'ny namako Amerikana aho fa ny ankamaroan'ireo mankahala antsika – Arabo – dia nianatra ny fomban'i Makiavelona (Machiavel) amin'ny fampazotoan-tena amin'ny alàlan'ny fandefasana fankahalàna sy fahatezerana amin'ny vondron'olon-kafa. Mankahala antsika izy ireo satria milaza izany ny bokin'izy ireo saingy tsy mahafantatra antsika izy ireo satria (manava-tena) sy tsy tratra atonina isika. Anjarantsika ny manitsy izany.
Fahaenina: Tsy hanaraka ny dian'izy ireo isika. Tsy mila fanehoan-kevitra sy lahatsoratra manavakava-bolokoditra aho. Tiako isika mba hahira-tsaina sy ho marina amin'ny fomba hanehoantsika ny zava-misy. Tsy te hamerina ny fahadisoan'izy ireo aho ka ho tratran'ny ranomodin'ny fanenjehana.

Efa natomboka ireo lahatsoratra maromaro mankany amin'ny blaogy iraisana, anisan'izany ireo lahatsoratra momba ireo mpikatroka Amerikana izay manohana ny fanaovana ankivy ny vokatra Israeliana, ny ankizy Palestiniana sy ny fijalian'izy ireo, ny mpitondratena Gazaita, hafatra ho an'i Obama avy amin'ny vehivavy Israeliana iray, ny hiran'i Sami Youssef, ary sary sy lahatsary maromaro mahavaky fo.

Nanangana vondrona Facebook ihany koa i Negm, izay nahasarika mpikambana mihoatra ny 160 hatramin'izao.

Raha mijery ny lafiny hafa amin'ny zava-misy, sy ankoatra ireo “tafika bilaogera” Israeliana voatonona teo aloha, dia maro ireo mpiserasera mampiasa ny aterineto mba hanamafisana ny zavatra arovany sy ny paikadiny ara-politika.

Ny tsangambatom-pahatsiarovana Yad Vashem tao Jerosalema, ohatra, nanangana ny tranonkalany amin'ny teny Arabo sy Persiana mba hiadiana amin'ny fandàvana ny fandripahana faobe (Holocaust) hita ao amin'ny tontolo Arabo sy Miozolomana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.