· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jolay, 2018

Iran: ny angano sy ny marina momba ny Twitter

Nankalazain'ny fitantaran'ny haino aman-jery iraisam-pirenena momba ny hetsi-panoherana Iraniana nandritra ireo herinandro vitsy lasa ho toy ny fitaovana hikarakarana sy hitaterana momba ny hetsi-panoherana ny 'herin'ny Twitter', saingy nisy vokatra tsara sy voka-dratsy ny fiankinan-doha tamin'ny Twitter tamin'ity krizy ity.

Meksika: Fanentanana hiarovana ny safidim-bato

  06 Jolay 2018

Ny "Cuidemos el voto" [“Andao arovana ny vato”] dia tetikasa mikendry ny hiarovana ny vaton'ny Meksikana mandritra ny fifidianan'ny 5 jolay manoloana ireo "fahavalo ela": herisetra, karapanondro hosoka, fangalaram-bato, fanimbana ny vata fandrotsaham-bato ary ireo sakana hafa amin'ny fisian'ny fifidianana mangarahara. . Ny Fitaovam-piadiany? SMS, Twitter ary ny tranonkala.

Rosia: Mampihisatra ny fandrosoan'ny hafangainam-pandehan'ny aterineto ny manampahefana eo an-toerana ao Kraskovo

Nivory tao Kraskovo, tanàna kely akaikin'i Moskoa ireo Rosiana mpikatroka, mba hitaky ny fitomboan'ny hafangainam-pandehan'ny Aterineto ary hanohitra ny ampihimamban'ny mpanome tolotra aterineto. Niresaka momba ireo fitsipika tsy voafetran-dàlana izay mampihisatra ny fivoaran'ny fidirana amin'ny aterineto malalaka ao amin'ny firenena ihany koa ireo mpikatroka .