Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ireo vehivavy ao ambadiky ny “Revolisiona Vilory” ao Armenia

Ity manaraka ity dia lahatsoratra fiarahamiasa avy amin'ny Chai-Khana.org, mpiara-miasa amin'ny Global Voices. Lahatsoratra sy lahatsary avy amin'i Aren Melikyan.

Anisan'ny antony mahatonga an'i Armenia hanana praiminisitra ny vehivavy. Saingy ho an'ny maro, vao manomboka ny “revolisiona” izay nitondra an'i Nikol Pashinyan, mpitarika ny fihetsiketsehana fanavaozana, ho eo amin'ny fahefana tamin'ny volana Mey.

Tsy nanao hetsi-panoherana ho an'ny fanovàna governemanta ihany ireo vehivavy an'arivony izay nidina an-dalambe tany Armenia nandritra ny 40 andro tamin'ity lohataona ity, fa koa ho an'ny zon'izy ireo ao amin'ny fiarahamonina nentin-drazana anjakazakan'ny lehilahy.

Ho an'ireo telo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana: Maria Karapetyan, 30 taona, filohan'ny fampandrosoana ao amin'ny Foibe Imagine amin'ny Fiofon'ny Fifandonana, Avnik Melikyan, 22 taona, mpandrindra ny tetikasa ao amin'ny Fikambanana tsy mila Herisetra, sy tsy mitady tombontsoa ary ilay mpikatroka ara-politika, 23 taona, Lilith Baghdasaryan- — izay mitaky mihoatra ny seza iray ao amin'ny parlemanta na ao amin'ny kabinetra.

Mitaky fanovana toe-tsaina izany ary manome ho an'ny vehivavy Armenianina bebe kokoa ny fahaiza-manao ilainy hitazonana fahefana.

Amin'izany lafiny izany, “revolisionera” tokoa ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.