· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jolay, 2018

Fanapahan-kevitra ara-politika mafonja tao Khatmandu

  19 Jolay 2018

Ao anatin'ny fihetsiketsehana "hampiova zavatra" hanonganana ny fitondrana tsirefesimandidy ao Nepal ny fifamatoran'ny antoko fito any Nepal, niharan'ny fanoherana tsy mbola nisy toy izany nataon'ireo mpitandro ny filaminana ny programan'ny fihetsiketsehana.

Ekoatora: Manadihady Ny Tatitra Nataon'ny Kaomisiona Misahana Ny Fahamarinana Ireo Blaogera

  18 Jolay 2018

Tamin'ny May 2017, najoro tao Ekoatora araka ny didim-panjakana ny kaomisiona iray misahana ny Fahamarinana mba hanadihady sy hamory ireo vaovao mikasika an'ireo fanitsakitsahana zon'olombelona izay naha-tomponandraikitra ny polisy sy ny tafika tao anatin'ireo taona 25 lasa. Ny 7 May lasa teo, taorian'ny 3 taona nijoroany, nanolotra ny tatitra nataony tamin'ny Filoha Rafael Correa ilay Kaomisiôna misahana ny Fahamarinana. 831 no isan'ireo nofaritany tamin'ireo 456 niharan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, teo anelanelan'ny 1984 sy 2008. Manadihady an'io tatitra io aminà zoro samihafa ireo blaogera.

Tabataba be ao Zimbaboe

  11 Jolay 2018

Maro ny adihevitra tao Zimbabwe nandritra ny herinandro lasa. Resabe tsy misy dikany, izany no misy. Ny fivoarana lehibe indrindra amin'ny vaovao navoakan'ny firenena dia i Gideon Gono, governora mampiadihevitra ao amin'ny banky foiben'i Zimbabwe izay namoaka  fanambarana ara-bola efa nandrasana mafy tamin'ny herinandro lasa teo.