Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Belarosia: Fety iray, karazany ihany

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny jolay 2009)

Isaky ny 3 Jolay, mankalaza ny fetin'ny fahaleovantena ahitana matso i Belarosia.

Namoaka lahatsoratra lavalava ho an'ny vavahadin-tserasera TUT.by, izay anazavany, ankoatra ny zavatra hafa, ny tantara sy ny politika ao ambadiky ny datin'ny fety ilay Belarosiana mpanadihady Alexander Klaskouski:

[…] July 3 was chosen to spite political enemies, to rebut the nationalists who mark Freedom Day on March 25 (honoring the [Belarusian People's Republic]), and to cross out the decision of the disbanded organ, the Supreme Council, to celebrate independence on July 27, honoring the adoption of the Declaration of Sovereignty in 1990 (many people no longer remember that until the mid-1990s this was the main holiday). […]

[…] Nofidiana ny 3 jolay [handroràna] fahavalo politika, hanoherana ny nasionalista izay manamarika ny Fetin'ny Fahafahana isaky ny 25 marsa (fanajana ny Repoblika Entim-Bahoaka Belarosiana), ary hihazakazahana hialàna amin'ny fanapahan-kevitry ny andrim-panjakana iray nofoanana, ny Filankevitra Faratampony, hankalaza ny fahaleovantena isaky ny 27 jolay, fanajana ny fandraisana ny Fanambaràna Fiandrianam-Pirenena tamin'ny taona 1990 (maro ny olona tsy mahatadidy intsony fa hatramin'ny tapaky ny taompolo 1990s dia izany no fety lehibe indrindra). […]

Nitodika nitamberina tamin'ny fotoana nanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin'ny 24 novambra 1996, tamin'ny fotoana nankatoavana ny fety ny mpisera LJ rokobungi, tao amin'ny lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe Fety iray, karazany ihany. nanamarika ny bilaogera fa ny zavamisin'ny 3 jolay dia ny daty nanafahana an'i Minsk tamin'ny taona 1944. Notononiny ihany koa ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka:

[…] 5,450,830 people voted in favor of moving the Independence Day [to a different date) – 88.18 percent; 646,708 people voted against it – 10.46 percent; and 83,925 ballots […] were recognized as invalid. […]

[…] Olona 5.450.830 no nandrotsa-bato hamindrana ny fetin'ny fahaleovantena (ho amin'ny daty iray hafa) – 88,18 isanjato; olona 646.708 no nandrotsa-bato hanohitra izany – 10,46 isanjato; ary vato 83.925 […] no maty. […]

Tamin'ity taona ity maro ny polisy teny an-dalambe, angamba noho ny fahitana fa maro loatra ny olona tamin'ny herintaona tamin'ity fankalazana ity. Mpisera LJ sammy-belarus nanoratra tao amin'ny bilaoginy:

[…] The police have surpassed themselves this year. They were checking everyone with metal detectors, and there was a fixed camera filming everyone who was passing through. [Other] restrictions: one couldn't carry any alcohol in, only soft drinks in small transparent bottles were allowed; no cameras with lenses longer than 4 cm; and, naturally, access was denied to people who were tipsy […].

[…] Nihoatra be ny isan'ny polisy tamin'ity taona ity. Nosavainy tamin'ny famantarana metaly avokoa ny olon-drehetra, ary nisy ny fakantsary naraikitra hanara-maso ny rehetra izay mandalo eo anoloany. Fameperana [hafa]: tsy misy na iza na iza afaka hitondra alikaola any ho any, ny zavapisotro malefaka ao anaty tavoahangy mangarahara ihany no afa-miditra; tsy misy fakantsary mihoatra ny 4 sm mahazo miditra, ary, mazava loatra, tsy mahazo miditra ny olona mivembena […]

Maro amin'ny mponin'i Minsk no nandao ny tanàna tamin'io andro io. Ny sasany tamin'ireo nandeha tany amin'ny tranony amin'ny andro mafana, ny hafa lasa milasy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.