· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2018

Koety: Malahelo an'i Shaikh Saad

(May 2008) Maty teo amin'ny faha-78 taonany i Shaikh Saad Al Abdulla Al Sabah, ilay mpitondra fahiny an'i Koety rehefa narary nandritra ny fotoana ela. Tohina tamin'ireo vaovao ny vondrom-piarahamonina an-tambajotra tao Koety, ka hafatra fangorahana sy fitsapana alahelo aman-jatony no niraradraraka nameno ireo blaogy amin'ny teny Arabo sy Anglisy. Nanambara telo andro ofisiaily hisaonana ny firenena - fa handeha araka ny efa voalahatra hanaovana azy ihany ny fifidianana parlemantera

Honduras: Lasa filoha ihany i Porfirio Lobo taorian'ny fifidianana nampiady hevitra

  19 Oktobra 2018

Ny fifidianana dia efa nampiady hevitra satria fanohanana ankolaka ny fanesorana ny filoha teo aloha Manuel Zelaya tamin'ny volana Jona taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila. Tamin'izany fotoana izany, nandimby toerana an'i Zelaya i Roberto Micheletti, izay filohan'ny Kongresy Nasionaly, ary nandimby ny toerany mandra-pahatonga ny fifidianana tamin'ny volana Novambra 2009.

Fiparitahan'ny tontolon'ny bilaogy Kenyana

  17 Oktobra 2018

Raha tsy nandray anjara tamin'ny fandrobana sy ny kolikoly goavana ianao, dia miezaha mampiseho porofo amin'ny vokatr'izany. Raha tsy manana porofo ianao, dia lazao izany ary lazao fa tsy manan-tsiny ianao. Milaza ny lalàna fa tsy manan-tsiny ianao mandrapanaporofoana fa meloka.