Iran: Nipoaka ny hetsi-panoherana taorian'ny fifidianana

demo(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Olona an'arivony no nanao fihetsiketsehana tao Teheran, Mashhad sy tany amin'ny tanàndehibe maro hafa tao Iran nanohitra ny fandresen'ny filoha Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana. Reformista mpifanandrina roa samihafa sy ireo mpanohana azy no nanitrikitrika fa nisy hosoka tamin'ny fifidianana.

Nilaza i Mir Hussein Moussavi, ilay mpifanandrina amin'i Ahmadinejad fa maneho “ny fahalemen'ny andry izay mandrafitra ny rafitra masina” ao Iran sy ny “fitondrana manapatra fahefana ary ny didy jadona” ny vokatra azo avy amin'ireo “mpanara-maso tsy atokisana.” Tranga maromaro mampiseho ny ady sy fihetsiketsehana an-dalambe no navoaka tao amin'ny YouTube.

Fihetsiketsehana tao an-dalamben'i Valiasr tao Teheran izay nahitana olona an'arivony nanao fihetsiketsehana sy nihiaka teny filamatra manohitra ny governemantan'i Ahmadinejad.

Ary eto dia mihiaka ny olona hoe: ‘Moussavi, alaivo ny vatoko!’.

https://youtube.com/watch?v=RWfVmdqBfbM

Namoritra ireo mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro filaminana:

Nisy fihetsiketsehana hafa natao tao Mashhad izay nangatahan'ireo mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro  filaminana ny fanohanana azy ireo [fa tsy ny famoretana].

Namoaka sary maromaro mampiseho ny mpitandro ny filaminana midaroka mpanao fihetsiketsehana (jereo ny sary etsy ambony) i Ghomar Ashegahne . Nanoratra ilay bilaogera fa ny famoretana dia antony iray tsy tokony hidinana an-dalambe hanao fihetsiketsehana, kanefa ‘inona no azontsika atao amin'ity alahelo ity?’. Nilaza izy fa tokony hanomboka dieny izao i Karoubi sy Moussavi [ireo kandidà reformista roa] izay mikasa ny hanova ny toe-draharaha eto amin'ny firenena.

Nanoratra i Belgiran fa nanongana an'i Moussavi tamin'ny fanonganam-panjakana talohan'ny naha-filoha azy ilay mpitarika Iraniana, Ali Khamenei ary nosoloiny an'i Ahmadinejad izy… Nanoratra ilay bilaogera hoe: ” Very ny maha-ara-dalana izay efa kely ananan'ity fitondràna ity.”

Nanoratra tao amin'ny Twitter i Mehrdadd fa ny Mpitondra Iraniana dia mampiseho fa manohitra ny vahoaka Iraniana izy. Ankehitriny, tokony haka toerana ny mpanao politika rehetra na izy momba na manohitra ny vahoaka.

Nilaza tao amin'ny Twitter i Mehri912 hoe, “Raha matory i Iran anio alina dia hatory mandrakizay izy”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.