Honduras: Lasa filoha ihany i Porfirio Lobo taorian'ny fifidianana nampiady hevitra

(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tao anatin'ny antso ho amin'ny tsy fandehanana mifidy sy ny tahotra herisetra amin'ny andro fifidianana, voafidy ho Filohan'i Honduras, nitarika  alohan'i Elvin Santos avy amin'ny Antoko Liberaly i Porfirio “Pepe” Lobo avy amin'ny Antoko Nasionaly. Ny fifidianana dia efa nampiady hevitra satria fanohanana ankolaka ny fanesorana ny filoha teo aloha Manuel Zelaya tamin'ny volana Jona taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila. Tamin'izany fotoana izany, nandimby toerana an'i Zelaya i Roberto Micheletti, izay filohan'ny Kongresy Nasionaly, ary nandimby ny toerany mandra-pahatonga ny fifidianana tamin'ny volana Novambra 2009.

Vitsy ny firenena nanamafy fa hankatoa ny valim-pifidianana, raha naneho ampahibemaso ny fandavana kosa ny governemantan'ny elatra ankavia  [ao Amerika Latina]; tamin'ny fotoana nanoratana ny teny anglisy, mbola tsy nankatoa ny filoha voafidy Porfirio Lobo i Arzantina, Brezila, Ekoadaoro ary Venezoela, araka ny nambaran'ny The Guardian .

Nizotra tsy nisy olana lehibe ny fifidianana na dia teo aza ny tsy fahazoana antoka sy ny toe-draharaha sarotra ara-politika sy ara-tsosialy tao amin'ny firenena. Nanambara ny taham-pahavitrihana amin'ny 60% ny  Lehiben'ny Fifidianana Fara Tampony , salan'isa avo kokoa noho ny efa nampoizina, kanefa mbola niteraka olana hahazoana solontenan'ny maro an'isa.

Sarin'ny rbreve. Nalaina tao amin'ny Flickr, teo ambany lisansa Creative Commons

Hita ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Hondioriana ny adihevitra momba ny fifidianana.

Nizara ny zavatra tsy nampoiziny rehefa nahatsikaritra ny tsy fisian'ny fanatrehan'ny miaramila tany amin'ny biraom-pifidianana i La Gringa ao amin'ny La Gringa’s Blogicito:

Je me suis rendue dans trois bureaux de vote dimanche dans La Ceiba (la troisième plus grande ville du Honduras) et un dans El Porvenir (une ville plus petite) dans le département d'Atlantida. Les bureaux de vote étaient bondés avec pratiquement aucune force de police ou militaire. Cela m’a étonnée car  je craignais qu’elles ne soient nécessaires pour la sécurité.

Nitsidika birao fandatsaham-bato miisa telo aho tamin'ny Alahady tao La Ceiba (tanàndehibe fahatelo lehibe indrindra any Honduras) ary iray tao El Porvenir (tanàndehibe kely kokoa) tao amin'ny Departemanta Atlantida. Feno olona kanefa tsy nisy polisy na miaramila ny biraom-pifidianana. Nahagaga ahy izany satria nanahy aho fa nilaina tamin'ny filaminana izy ireo.

Nihevitra ilay bilaogera David Moran avy ao El Catracho fa maneho ny tsy fahafaliana manoloana ny filoha teo aloha Zelaya ny fiakaran'ny isanjaton'ny mpifidy:

El hecho destacable de las elecciones fue la notoria participación de los hondureños, algo sumamente necesario para contrarrestar el boicot de Zelaya y sus adláteres chavistas. Lo único que hicieron con sus protestas callejeras y actos vandálicos fue despertar nuestra conciencia democrática y ponerla en su contra.

Ny zava-misy azo marihana momba ny fifidianana dia ny fandraisana anjara mavitrika avy amin'ireo Hondioriana, izay nilaina mba hanakanana ny fanaovana ankivy ataon'i Zelaya sy ireo mpikatroka Chavista. Ny zavatra tokana nahatonga ny fihetsiketsehana ampahibemaso sy ny fandrobana nataony dia ny hamohazana ny konsiansy demaokratika antsika sy ny hampiasa izany hanoherana azy.

Avy amin'ny fomba fijery ara-politika amin'ny tendrony ilany, nitaky fandavana ny filoha voatendry ny Mandam-pirenena Fanoherana Ny Fanonganam-panjakana  :

Hacemos un llamado a los gobiernos y movimientos sociales democráticos y honestos en el mundo a rechazar los resultados de la farsa electoral y a desconocer el pretendido gobierno que se instale a partir del 27 de enero.

Miantso ny governemanta sy ny hetsika ara-tsosialy ara-demokratika marina manerana izao tontolo izao izahay handà ny vokatr'ity fifidianana mampihomehy ity ary tsy hankatoa ilay antsoina hoe governemanta izay handray ny asany amin'ny 27 Janoary 2010.

Ao amin'ny Mirada de Halcón , nihevitra i Juan Carlos Rivera fa azo ampiasaina mba “hanadiovana” ny hetsik'ireo mpanongam-panjakana ny fifidianana:

Ahora, los magistrados del Tribunal, aliados del régimen de facto, tuvieron que recurrir a la trampa para intentar convencer a la comunidad internacional de que las elecciones “fueron masivas y transparentes” y, lograr en consecuencia, lavar el golpe de Estado y absolver de los delitos a los ejecutores.

Ankehitriny, tsy maintsy nampiasa ny hosoka ireo mpitsara ao amin'ny tribonaly, ireo mpiara-dia amin'ny fitondrana, mba handresen-dahatra ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena fa “goavana sy mangarahara”  ny fifidianana ary mba hanadiovana ny fanonganam-panjakana noho izany ary hanafahana  madiodio ireo meloka.

Porfirio Lobo, izay nanao ny fianihanany ho filoham-pirenena ny volana Janoary 2010, dia mpifanandrina tamin'i Zelaya nandritra ny fifidianana parlemantera tamin'ny taona 2005. Anisan'ny elatra afovoany-ankavanana ao amin'ny Antoko Nasionaly izy ary efa filohan'ny Kongresy Nasionaly tao Honduras hatramin'ny taona 2006. Araka ny gazety Espaniola El País , 62 taona izy, ary raim-pianakaviana manan-janaka miisa 11 sy manana ny mari-pahaizana amin'ny fitantanana ny raharaham-barotra tao amin'ny Oniversiten'i Miami.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.