· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2017

  Zazalahikely Valo Taona Notafihan'ny Alika

  17 Oktobra 2017

Hanaiky ny fanirian'ity zazalahy kely ity ve ny mpanapa-kevitra ara-politika ao amin'ny Govenemanta? Toa tahaka ny henjana loatra izany, tokony hovonoina tsirairay ve ireo alika mpirenireny. Angamba mety ho tsy mifaditrovana  mihitsy aza izany.

Iran: Manao Fihetsiketsehana Manerantany Ny Iraniana

Raha maro ireo vavolombelona tao Teheran nilaza fa nipoaka ny fifandonana lehibe teo amin'ny mpitandro ny filaminana Iraniana sy ny mpanao fihetsiketsehana mankalaza ny tsingerintaona voalohan'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 jona, nisy ihany koa ny hetsi-panoherana nitranga tany amin'ireo tanàna maro samihafa manerantany, tahaka ny tao Ankara, Torkia, Vancouver, Canada.

Feo Avy Ao Zimbaboe

  16 Oktobra 2017

Taorian'ny tatitra vao haingana nilaza ny fihenan'ny fihanaky ny VIH/SIDA ao Zimbaboe, nifantoka tany amin'ny fiantraikan'ny fanentanana iadiana amin'ny SIDA eo amin'ny fitondran-tena sy ny soatoavina nentim-paharazana Zimbaboeana ny maso ankehitriny.

Iràna: Dr. Hesam Firouzi, Bilaogera Iray Hafa Naiditra Am-ponja

Ilay bilaogera sady mpitsabo, Dr. Hesam Firouzi, no nahazo tsilian-tsofina tsy ela akory izay, tamin'ny alàlan'ny mpisolovava azy, momba ny fahafatesan'ilay bilaogera, Omid Reza Mir Sayafi tany am-ponjan'i Evin tao Teheràna. Nilaza izy fa nanaitra ireo manampahefana miandraikitra ny fonja mba hoalefa hamonjy hopitaly ilay gadra miady amin'ny fahafatesana, saingy nolavin-dry zareo.

Romania: Mihira Ny Noely

"Fahatsiarovana avy any Romania: Tamin'ny andro farany nijanonako tao [ Onesti ], maro tamin'ireo mpianatra no tonga tao amin'ny" Cancelarie "(efitranon'ny mpiasa) mba hihira ireo hiran'ny noely ho an'ny mpampianatra. Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe efa niomana ny hanao izany izy ireo, tena fahatsiarovana mahafinaritra tsy hay hadinoina :) "- avy amin'ny L-plate big cheese