Iran: Nanao Fety Teo Ambany Ny Fanarahamason'ny Polisy Ny Iraniana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Marsa 2010 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Nankalaza ny Charshanbeh Soori, fety mialoha ny taona vaovao Persiana teo ambany ny fanaraha-mason'ny polisy misahana ny rotaka akaiky ny Iraniana tamin'ny Alakamisy alina, rehefa nandràra ny fankalazana ny mpitarika ny Repoblika Islamika, Ayatollah Ali Khamenei. Charshanbe Soori no mialoha lalana ny Norouz, Taombaovao Persiana izay manomboka ny 21 Martsa ary manamarika ny fahatongavan'ny lohataona.

Nankalaza ny fetibe ny Iraniana tamin'ny alàlan'ny fandrehetana ny afon'ny fifaliana sy mitsambikina eo ambonin'ny lelafo, fihetsika manamarika ny  fanantenana ho amin'ny fahasambarana amin'ny taona vaovao.

Maro ireo olom-pirenena nandrakitra an-tsarimihetsika sy nitatitra ity hetsika ity, izay, indraindray, ahitana ireo hiaka ara-politika manohitra ny fitondrana Iraniana. Amin'ny tranga hafa, mankalaza fotsiny amin'ny alalan'ny dihy ny olona.

Polisy miatrika ny olona ao amin'ny distrikan'i Haft Hoz ao Tehran

Olona mihiaka fanoherana ny Ayatollah Khamenei ao an-tanàna avaratr'i Rasht

Mandihy ao Bandar Anzali ao avaratr'i Iran

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.