· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2017

Afghanistana: Kabul Bank Eo Am-pahafatesana

  18 Oktobra 2017

Eo am-pahafatesana, manana trosa 1 miliara ny banky, izay an'ny rahalahin'i Hamid Karzai, filohan'i Afghan. Olona an'arivony no afaka naka vola mahery ny 200 tapitrisa dolara tamin'ny herinandro lasa, fa ny hafa kosa tsy navelan'ireo mpiambina mitam-piadiana niditra tao amin'ny banky.

Iran: Ny Fahafatesan'ny Ayatollah Hossein Ali Montazeri

Nitatitra ireo olom-pirenena Iraniana sy ny fampahalalam-baovao mahazatra iraisampirenena fa mpanohitra an'aliny no nidina an-dalambe tao amin'ny foibe teolojikan'i Iran tamin'ny Alatsinainy ary nifandona tamin'ny milisy mpomba ny governemanta nandritra ny fandevenana ilay mpitondra fivavahana ambony ao amin'ny fanoherana ao amin'ny firenena, ny Ayatollah Hossein Ali Montazeri.

Iran: Fizarana Ovy Maimaim-poana Niteraka Resabe Momba Ny Fifidianana

Nizara ovy maimaim-poana tany amin'ireo tanàna samihafa ireo manampahefana iraniana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy. Mpanao politika Iraniana maromaro no nanakiana ity fizarana ovy maimaim-potoana nataon'ny fitondràn'ny governemantan'i Mahmoud Ahmadinejad ity ho toy ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana filoham-pirenena ary miantso izany ho fandaniam-bolam-bahoaka fotsiny.