Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Desambra, 2008

13 Desambra 2008

Brezila: Lasa mpamono olona mihitsy ny pôlisy breziliana

Amin'ny fotoana ankalazana indrindra ny andro ho an'ny zon'olombelona, ary raha nisy vono olona mitovy tamin'ity mihitsy izay niteraka fitokonambe tany Gresy, dia mihiaka mafy ny mpamaham-bolongana Breziliana manohitra ny fomba tena mampihivinginvin-doha nefa tsimatimanota ataon'ny pôlisy ao Rio de Janeiro - tamin'ity fotoana ity kosa ny niharandoza dia zaza...

Kambôdza: Sary voarara

10 Desambra 2008

Ezypta: Antso ho fahatsiarovana an'i Saddam Hussein

Amin'izao tsingerintaona faharoa namonoana ny filoha Irakiana teo aloha Saddam Hussein izao, ary noho ny fiaraha-mientan'ny fiaraha-monina Irakiana any Kairo, dia niantso hanao hahatsiarovana ny Filoha irakiana teo aloha ny antoko politika dimy any Ezypta. Taorian'ny nanatsongana lahatsoratra tao amin'ny Gazety Al Youm 7, no nanoratra ny Ezypsiana iray: Believe...

Iran: Fanoheran'ny mpianatra ny jadona sy ny fanavakavahana ny vehivavy

Sary avy amin'ny yaarinews.com Nikarakara fihaonam-panoherana ny fitondrana iraniana sy ny filoha Mahmoud Ahmadinejad tao amin'ny Anjerimanontolon'i Teheran tamin'ny alahady teo ny fikambanana mpianatra iray ho fahatsiarovana ny Andron'ny Mpianatra, nitsingerenan'ny namonoana ny telo tamin'ny mpianatry ny Anjerimanontolon'iTeheran tamin'ny 6 Desambra 1953. Daftare Tahkim Vahdat (midika hoe Biraon'ny Fanamafisana ny...

09 Desambra 2008

Shina: Ny zanaky ny laibany no mitavana ny harena

Araka ny tatitra hita amin'ny haino aman-jerim-panjakana dia nataon'ny mpitazona ny fahefana politika ampihimamba ny harena ao amin'ny firenena. Ny naharatsy ny toe-draharaha dia rehefa nifindra tamin'ny taranaka manaraka izany tombondahiny azony izany.

08 Desambra 2008

korea: naato ny fiaran-dalamby mamitohy ny avaratra sy ny atsimo

Niato tamin'ny 28 novambra lasa teo ny fifamoioizana an-dalamby mampitohy an'iKorea avaratra amin'i Korea atsimo.[En] Raha nanomboka niasa indray ny fiaran-dalamby nampitohy ny roa tonta taorian'ny fihaonana an-tampony teo amin'ny roa tonta tamin'ny herintaona rehefa nitsahatra 50 taona izany, dia nanantena fivoarana sy fifanakaikezana teo amin'izy ireo ny olona. Rehefa...

06 Desambra 2008

Taiwan: Filoha very saina?

Kroasia: Vondrona Facebook-n'ny mpanohitra an'i Sanader nampiady hevitra

Misy vondrona iray antsoina hoe :"manao fanamby aminareo aho fa hahita mpampiasa 5000 tsy tia an'i Sanader ianareo!" niforona tao amin'ny Facebook hitsikera ny praiminisitra Kroaty Ivo Sanader. Ho fanampin'ny nitazonan'ny polisy ny mpamorona izany vondrona izany dia nandrisika ny olom-pirenena hahatsapa fa tandindonin-doza ny fahafaha-miteny izany.

05 Desambra 2008

Ezypta: Nandà ny hihaona amin'ny filoha Bush i Wael Abbas

Mpamaham-bolongana Ezypsiana iray antsoina hoe Wael Abbas no nilaza tao amin'ny bolongany fa nolaviny ny fanasana hihaonana amin'ny (filoha Amerikana George Herbert Walker) Bush. Nandika ny lahatsorany avy amin'ny teny arabo i Marwa Rakha.