Kroasia: Vondrona Facebook-n'ny mpanohitra an'i Sanader nampiady hevitra

Diso fanantenana amin'ny mpitondra azy ankehitriny ny vahoaka kroaty eo amin'ny fitantanana  ny  toe-karena matotra ka maneho izany eny an-dalambe sy amin'ny aterineto. Mivantana any amin'ny praiminisitra Ivo Sanader moa ny ankamaroan'ny tsikera ary nahatonga ny famoronana ny vondrona Facebook iray antsoina hoe: “manao fanamby aminareo aho fa hahita mpampiasa Facebook 5 000 tsy tia an'i  Sanader ianareo!”. Mazava loatra fa nahazo mpikambana 15 000 izy amin'izao fotoana anoratana izao.

Facebook Group
A screenshot of the Facebook group.

Nanana olana, araka ny nampitain'i Svetlana Gladkova ao amin'ny Profy, ny mpanorina ny vondrona Niksa Klečak teo ho eo:

…ny olana fototra dia tsy vitan'ny hoe olom-pirenena tsotra tsy faly amin'ny praiminisitrany sy ny fomba itantanana ny toe-karenan'ny governemanta ilay zalahy ity – fa izy koa no filohan'ny sampan'ny tanora SDP (Antoko sosialy demaokraty) izay mpanohitra ny fitondrana any Kroasia…Fa tafahoatra kosa ny toe-draharaha omaly raha nosamborin'ny polisy izy satria nolazain'ny polisy fa mitazona marika sy ny fampielezan-kevitra Nazi sy ny ao an-trano. Rehefa tsy nahita porofo moa ry zareo dia nolazaina indray fa manana fifandraisana amin'ny sary fametavatana ankizy izy ary antony hafa nisamborana azy koa izany. Kelikely taorian'izay moa dia navotsotry ny polisy i Niksa Klecak noho ny tsy fahampian'ny porofo saingy hipoky ny resaka momba ity nataon'ny polisy ity ny fampahalalam-baovao tao an-toerana sy ny tambajotram-piarahamonina.

Ny feo tena niavaka tamin'ny mahafahadalana ny fisamborana dia i Vesna Škare Ožbolt izay mpikambana teo aloha tamin'ny governemantan'i Sanader. Hoy ny nosoratany tao amin'ny bolongany, Funky Politika (HRV):

Any Frantsa dia afa-mivarotra saribakoly vaudou amin'i endriky Sarkozy ianao.
Eto Kroasia, voarara ny fihaonana virtoaly ao amin'ny Facebook.
Tsy azoko eritreretina ny mety hanjo ireo mpivarotra saribakoly Vaudou manana ny endrik'ilay tsy lazaiko izay fa fantatrareo any afovoan-tanànan'i Zagreb.
…Taorian'iny toe-javatra iny dia misy ny hafatra ho an'ny rehetra. Ny hafatra dia milaza fa tsy maintsy matanjaka (manatanja-tena) izay miady ho amin'ny fahalalaham-pitenenana.

Ao amin'ny Reci.hr (Words), T-Zombix no manoratra (HRV):

Mazava ankehitriny ny asa lehibe ataon'ny polisintsika dia: Fahafantarana ny Mafia, iza no Mafia, ary aiza ny Mafia. Noho izany, any amin'ny aterineto ny Mafia ary mafana fo ao amin'ny Facebook izay mandravarava zavatra maro tsy voatanisa intsony eto amin'ny firenena.

Efa niala bala tamin'ny fomba ofisialy ity raharaha ity ny Praiminisitra Sanader, ary ny BBC no nitatitra fa tsy avy aminy izy mihitsy (ny fisamborana), “…Tsy misy tokony hosamborina na hotazonina noho ny fahasamihafam-pijery.” mazaa loatra fa mifanohitra amin'izay inoan'i Klečak izany araka ny voasoratry Marko Biočina ao amin'ny Tyche (HRV):

Klečak, izay tsy mpikambana ao amin'ny fikambanam-panoherana notontosaina ny 5 desambra, araka ny teniny voalohany, no nandresy lahatra fa baiko avy any Zagreb mivantana ny fisamborana azy.

Anisan'ny anatin'ny hetsika nizotra tao anatin'ny andro vitsy izay ny “fandraisana andraikitra hanohitra” , izay nitarika ny maro hiantso amin'ny fihetsehana izay araka ny voasoratra ao amin'i Opurba (HRV):

Tena nety ny nisafidianana ny tontolo virtoaly izay ahasahiantsika, tsy ananantsika tahotra, manana ny hevitsika isika ary tiantsika ny aterineto hitondra any amin'ny revolisiona vaovao.
Tokony handao ny virtoaly amin'izay ry zareo dia hameno ny arabe manerana ny tanàna Krôasiana lehibe.

Voavaly moa ny antso araka ny soratan'i (HRV) Marko Biočina :

…raha araka ny noheverina ny zava-drehetra, dia tokony hotontosaina ny 5 desambra  any amin'ny kianja afovoan-tanàna valo ny fanoherana, Zagreb, Split, Osijek, Rijeka, Zadar, Sibenik, Pula ary Požega.

Gazety Kroasiana  Jutarnji (HRV) no nitatitra fa ny nahavory olona be indrindra dia ny tao Zagrab izay nahatratra 2 000. Hahaliana tokoa ny fiafaran'izy ity satria eo amin'ny kihon-dalan'ny tantarany ankehitriny izay eo ambaravaran'ny fidirana ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana i Kroasia.  Ta

Tena mahatsapa izany lalina i Vesna Škare Ožbolt ka nifidy (HRV) hamarana ny lahatsorany tao amin'ny bolongany hoe:

Amin'izay dia afaka mitoetra miaraka amintsika ny faneriterena sy ny fifanaritahana ho amin'ny ady fahefana ary ho betsaka ny famokarana saribakoly vaudou, mazava loatra … fa rehefa miditra ao amin'ny vondrona eoropeana ihany, sa tsy izay?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.