Ezypta: Nandà ny hihaona amin'ny filoha Bush i Wael Abbas

Nilaza tao amin'ny bolongany ny mpamahana ezypsiana iray Wael Abbas izay mpikatroka ihany koa fa nolaviny ny hihaona amin'ny filoha Bush.

Izao ary ny nosoratan'i Abbas:

تلقيت مكالمة تليفونية من موظف كبير في السفارة الأمريكية أول أمس لدعوتي لمقابلة الرئيس الأمريكي جورج دابليو بوش – أيوة هو لسه رئيس لحد ما أوباما يمسك – والصراحة أنا إستفوجئت بالدعوة دي وتذكرت إن بوش كان قابل مدون عراقي من فترة كده بس هو يقابل مدون عراقي يمكن علشان هما محتلين العراق لكن عايز يقابلني انا ليه؟ لو المقابلة في اطار ان انا صحفي او حتى مدون وهاعمل انترفيو حصري مع بوش وافرمه في الأسئلة يبقى اشطة لكن مقابلة بوش في حد ذاتها ليست شرف اقابل بوش ليه؟

بوش مش رئيس جمهورية بلدي ولا ولي أمري ولا ولي امر العالم كما هو متخيل. بوش مش رمز لأي حاجة كويسة أصلا علشان حد يتشرف أو يتكرم بمقابلته. مقابلة بوش تلطخ أي شريف وليست تشريف أو تكريم. انا مالياش حاجة عند بوش ولا طالب منه حاجة ولا في ايده اي حاجة ليا وحتى لو في ايده انا مش عايزها وانا اصلا ضد فكرة اي تدخل امريكي في مصر لا بالخير ولا بالشر – انا عايزه يكف اذاه بس ويبطل مساعدة ومساندة النظام المصري. سيبكم من غزو العراق والبلاوي الكتير التانية اللي بوش عملها في العالم كله انا كفاية عليا ان بوش يقول مبارك رجل سلام. انا لم ارفض هذه الدعوة لخوفي من الانتقاد او بمعنى اصح الشرشحة بتاعة بعض التيارات السياسية لان بصراحة احنا في مصر لا عندنا تيارات سياسية ولا بطيخ من بابه ولان ببساطة كمان هاقابل بوش بتاع ايه مش علشان انا قليل لا بالعكس علشان بوش ده ايه اصلا بوش مش نلسون مانديلا ولا غاندي ولا الام تريزا الله يرحمها ولا حتى بانكي مون اللي زي قلته

انا الصراحة لو كانت جات لي دعوة لمقابلة اوباما – ومحدش يزعل مني – كنت ها ارحب جدا على الاقل الحق قبل ما اوباما يمسك ويوسخ الدنيا وتبتدي الناس تنتقده ببساطة لاني ها اقابل رمز تاريخي للتغيير في امريكا ورمز لرئيس دولة منتخب ديمقراطيا بجد والناس بتحبه وعندها امل فيه وده نموذج نتمنى نشوفه في كل دول العالم بداية بمصر وممكن كمان اتجرا واقول ان انتخاب اوباما من اهم الاشياء منذ حركة الحقوق المدنية للسود ورموزها زي مارتن لوثر كينج ومالكوم اكس
لكن بوش ده رمز لإيه؟ انا باشتغل على الحريات السياسية والفردية وعلى مقاومة القمع والعنف والديكتاتورية بوش بيرمز لإيه في اللي باشتغل عليه؟

الادارة الامريكية القديمة للاسف عارفة انها رايحة وبتشتغل بمبدأ يا رايح كتر من الفضايح وبتعمل انها بتكرم عدد من المناضلين في حين انها في الحقيقة بتلوثهم وعايزة تنسب الفضل في نضالهم ونجاحهم لنفسها قبل ما تمشي. أنا باحب الشعب الأمريكي والشعب الأمريكي هو اللي بيحتضني ويكرمني وليست الإدارة الأمريكية

وربما أمريكا ليست النموذج الامثل في حرية الصحافة ولا الاحزاب السياسية
لكن تجربة المجتمع المدني الامريكية جديرة بالاهتمام

Naharay antso avy amin'ny mpiasa ambony ao amin'ny masoivoho amerikana aho omaly nanasa ahy hihaona amin'ny filoha Bush – eny, mbola izy tokoa aloha no filoha mandra-pametraka amin'ny fomba ofisialy an'Atoa Obama. Amin'ny fo tsotra no ilazako fa gaga aho saingy tsaroako ny fa efa nihaona tamina mpamaham-bolongana Irakiana koa i Bush. Mety hoe nahaliana azy ny hihaona amin'ny mpamaham-bolongana Irakiana noho ny fanafihana any Iràka saingy nahoana kosa moa izy no hitady fihaonana amiko? Raha toa moa mifandraika amin'ny maha-mpanao gazety ahy sy amin'ny maha-mpamaham-bolongana ahy no iresahany amiko mba hanontaniako zavatra maro aminy dia milamina avy eo tsy ho heninkaja mihitsy ny hihaonana aminy. Inona moa no ilako fihaonana aminy?Tsy filohako na raiko akory i Bush; Tsy izy koa no mpiambina ara-dalàna an'izao tontolo izao araka ny eritreretiny. Tsy mba mariky ny zavatra iray maha-te-hidera i Bush ka hanome voninahitra ny olona rehetra mihaona aminy; Hanimba ny laza tsaran'ny olona marina iray ny fihaonana amin'i Bush – tsy hisy ahazoana rehareha avy amin'izany. Tsy nitrosa tamin'i Bush aho ary tsy manan-trosa aminy ihany koa ary raha misy aza ny zavatra mety ilaiko avy aminy, dia tsy mila izany intsony aho. Manohitra amin'ny heriko manontolo ny fitsabahan'ny Amerikana amin'ny raharaha an-tokatranon'i Ezypta aho na na hitondra zava-tsoa izany na hitondra voka-dratsy. Ny hany tadiaviko aminy dia ny hitandroany ny fandriampahalemany sy ny hampiatoany ny fanohanany ny fitondrana Ezypsiana. Aleo tsy resahina ny fananihana an'Iràka sy ny voina rehetra nentiny manerana izao tontolo izao, fa efa mihoatra ny zaka kosa ny iantsoan'i Bush ny filoha Mubarak ho “olon'ny fandriampahalemana”.
Tsy noho ny tahotry ny ho voatsikera no andavako ny fanasany ka hiaina hanambaka (hisongona?) ny antoko politika sasany satria afaka manambara amim-pilaminana isika fa tsy manana fifandraisana akaiky na amin'ny antoko iza na antoko iza eto Ezypta. Fa tsotra ny antony tsy mahaliana ahy hiresaka amin'olona tahaka an'i Bush – tsy tahaka an'i Nelson Mandela na i Gandhi na ny Mera Teresa izy – handry am-piadanana anie ny Mera.
Raha toa moa izy ity fanasana avy amin'i Obama – tsy misy ompa izany – dia ho nanaiky tamim-pifaliana tokoa aho. Farafaharatsiny mba nahazo fahafinaretana hihaona amin'ilay olona mialoha ny handraisany ny asany izay handoto ny tanany. Ankehitriny dia tia azy ny olona ary tiako ny hihaona aminy raha mbola tia azy ny olona. Mety ho heninkaja amin'ny fihaonana amina olomangan'ny fiovana amin'ny tantara Amerikana aho. Izany no ohatry ny filoha tena nofidiana tamin'ny fomba demaokratika. Izany no ohatry ny zavatra tianay ho hita manerana izao tontolo izao, manomboka eto Ezypta izany. Mety ho sahisahy loatra aza aho miteny hoe ny fandresen'i Obama indray no mari-pamantarana vaovao taorian'ny hetsika nataon'ny Amerikana Afrikana nitaky ny zony miaraka amin'ireo mpitarika azy – izay tononina anarana hoe Martin Luther King sy Malcolm X. fa mba iza moa ity Bush ity ary inona no ahafantarana azy na isoloany tena? Miasa ho amin'ny fahafahana politika eo amin'ny tsirairay aho ary manohitra ny tsindrihazolena, ny herisetra, ary ny jadona koa amin'ny lafiny manao ahoana amin'ny tolona ataoko moa no ilako an'i Bush?
Mahafantatra ny ekipa teo aloha fa kely sisa ny fotoana iasany ka nanapa-kevitra izy ireo hanasaritaka kely mialoha ny ialany. Nanapa-kevitra izy ireo ny hanome voninahitra mpikatroka vitsivitsy nefa ny tena marina dia manilika azy ireo i Amerika. Te-hahazo tombony eo amin'ny tsy fitovian-kevitra sy ny fahombiazana azony izy ireo mandra-pahatongan'ny faha-15 minitra mampitsahaketrika ny lazan'izy ireo. Tiako ny Amerikana amin'ny maha-olona azy sy isaky ny mitsidika an'i Amerika aho, satria manohana ahy sy ny hevitro ireo Amerikana ireo…. Mety hoe tsy i Amerika no vahaolana fakantahaka indrindra momba ny fahafahan-gazety sy fahafahan'ny antoko politika saingy mahaliana hatrany ny mandinika sy manadihady ny fiaraha-monim-pireneny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.