Nilaza ireo vahoaka voalohany ao Trinite fa tsy tokony ovaina ny anarana indizeny amin'ilay seranam-piaramanidina

Ny fitodian'ny seranam-piaramanidina Piarco ao Trinite, nopihana tamin'ny 20 Septambra 2010, avy amin'i Saltprune416 mpisera Wikimedia Commons ; nampiasaina araka ny lisansa GNU Free Documentation, Voatra 1.2.

Tamin'ny lanonan'ny zanaka ampielezana natrehan'i Keith Rowley praiminisitr'i Trinite sy Tobago nandritra ny diany ho any New York City, namaly izy tamin'ny tolokevitra amin'ny mety hanovana ny anaran'ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Piarco ao Trinite mba ho fanomezam-boninahitra ny praiminisitry ny firenena voalohany, Eric Williams.

“Tiako tokoa ny hihevitra izany — ary hihevitra izany ihany koa ny kabinetra — amin'ny fanomezana anarana ny seranam-piaramanidina ho seranam-piaramanidina Eric Williams,” hoy izy tamin'ny mpanatrika. Tamin'izay fotoana izay Rowley nampahatsiahy ny mpanatrika fa tsy fanirian'i Williams tenany mihitsy ny hanomezana ny anarany amin'ny fanorenana na trano lehibe ary nolazainy koa fa rehefa nifandraisana ny fianakaviany momba ity raharaha ity tany aloha tany dia namaly fa “raha mivoaka amin'izany faniriany izany dia toy ny mametraka (ady) politika amin'ny fahatsiarovana azy”.

Nampisara-tsaina ny vahoaka amin'ny ankapobeny anefa izany hevitra manontolo izany. Misy ny mahita fa ho dingana lehibe amin'ny fankatoavana an'i Williams ho rain'ny firenena izany fihetsika izany, raha mihevitra kosa ny hafa fa tsy voatery atao izany, ary ao anatin'ny mihevitra toy izany indrindra ny avy ao amin'ny vondrom-piarahamonina vahoaka voalohany ao San­ta Rosa — izay vondrona sisa tavela tamin'ny tompotany nonina tao amin'ny firenena.

Heniky ny hafaliana amin'izay mety hisian'ny fanovana anarana ny mpikambana ao amin'ny komitim-pahatsiarovana an'i Er­ic Williams: niteny tamin'ny Guardian Trinite sy Tobago ny filoha Regi­nald Vi­dale:

It’s long in com­ing I would say, it is wor­thy of a great son of the soil, a great con­trib­u­tor to this coun­try, to our in­de­pen­dence and a great con­trib­u­tor to our re­pub­li­can­ism.

 Te-hiteny aho hoe ela ny ela, mendrika ny zanaky ny tany, mpandray anjara lehibe tamin'ity firenena ity, tamin'ny fahaleovantenantsika ary mpandray anjara lehibe tamin'ny repoblikanisma antsika.

Saingy nametraka ny Vondrom-piarahamonin'ny vahoaka voalohany ao San­ta Rosa fa ny anarana “Piarco” no iray amin'ny anarana indizeny vitsy dia vitsy nomena ny faritra ao amin'ny firenena, izay mbola velona raha nandalo ny fanjanahantany ary mbola tavela rehefa nahazo ny fahaleovantena avy amin'ny  Britanika. Ka raha amin'ny hoe ho fankasitrahana an'i Williams fa mendrika izany azy tamin'ny fandraisany anjara, nanamarika ny vondrona fa efa misy ny fotodrafitrasa ara-bola, kianja ary fotodrafitrasa ara-tsiansa efa nametrahana ny anarany.

Navoitran-dry zareo ihany koa ny mahazavadehibe ny fahaveloman'ny anarana tahaka ny “Piarco”, satria ireny no manamarika ireo fitenin-tompotany efa adino:

This sug­ges­tion of re­nam­ing the air­port through eras­ing a name in an orig­i­nal lan­guage of the First Peo­ples would fur­ther erode the First Peo­ples her­itage and lega­cy which our com­mu­ni­ty con­tin­ues to strug­gle to pre­serve.

Ny fanolorankevitra amin'ny fanomezana anaram-baovao ny seranam-piaramanidina amin'ny famafana ny anarana amin'ny fiteny ôrizinalin'ny vahoaka voalohany dia handrava ny vakoka sy ny lovan'ny Vahoaka Voalohany izay ezahan'ny vondrom-piarahamonina mafy dia mafy hotandrovina.

Tsy mbola nomena ny ambaratongam-pankatoavana tsapan'ny maro fa mendrika azy ireo Vahoaka Voalohany ao amin'ny firenena ireo, saingy tsy ireo ihany no manohitra ny hetsika. Mpisera media sosialy maro no nanandra-peo naneho ny ahiahiny amin'ny fanovana anarana, izay hitan-dry zareo fa tsy ilaina handanian'ny governemanta vola sy fotoana:

Niteny tao amin'ny Twitter ny mpisera Reshma :

Avelao io hijanona hijanona ho Seranampiaramanidina Iraisampirenena Piarco fa ny tena olana atrehina azafady!!!

Ny hafa nampitamberina ny fanomezana anarana hafa indray ireo toerana hafa ao an-toerana, toy ny King George V Park, izay novaina anarana ho Zaridaina Nelson Mandela tamin'ny taona 2014 izay nitseha tsy fitovian-kevitra. Hatramin'ny andro ankehitriny, maro ny olompirenena no mbola manondro ny zaridaina tamin'ny anarany voalohany ihany:

Zavamisy..avereno ho amin'ny anarany voalohany ny zaridaina Mpanjaka George fahadimy azafady.
Tsy zavatra iray io anarana vaovao izay tsy misy mampiasa hanondroana ny zaridaina io.

Azon-dry zareo atao ny manome anarana azy hoe “Plane Lane” fa tsy raharahako, mbola hiantso azy hoe Piarco hatrany aho.

Ho an'ny maro, hita hoe ny mampanahy ny maro dia handany fotoana, vola ary ezaka betsaka izany fanovana izany, nefa ireo rehetra ireo mety hiatrehana raharaham-pirenena mety maika kokoa, toy ny fiakaran'ny heloka bevava.

Na ho inona na ho inona, mbola mety hiadian-kevitra daholo izany rehetra izany: Tsy maninona hoe tahaka ny ahoana ny fahatsapan'ny ampielezana amin'ny fanomezana anarana ny seranampiaramanidina ho fanatsiarovana mendrika an'i Williams, tsy msy na inona na inona hanetsika ny fiheveran'ny kabinetra raha tsy efa mankatoa ny fianakaviana — ary hita ho afa-po ihany ry zareo raha mijanona amin'izao ny zava-drehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.