Thailandey mpitsara nitifi-tena tao amin'ny efi-pitsarana taorian'ny filazany fa misy fitsabahana ara-politika amin'ny famoahana didim-pitsarana

Miaramila ao Yala, Thailandy. Sary sy fanazavana avy amin'i Tarik Abdel-Monem. Loharano: Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)
Taorian'ny fanafahana madiodio olona dimy voampanga ho namono olona tao atsimon'i Thailandy tamin'ny 4 Oktobra 2019, namaky fanambaràna iray tao anatin'ny lapan'ny fitsaram-paritany Yala ho fisian'ny fitsabahana ara-politika sy ara-itsarana ny Mpitsara Khanakorn Pianchana. Taorian'izany izy nandray basy ary nitifitra ny tenany teo amin'ny tratrany. Lasa toe-draharaham-pirenena ny zava-nitranga ary nahatonga ny maro hanontany ny amin'ny fahaleovantena sy ny fitokisana ny fitsarana. Nahazaka ny ratra nahazo azy ny Mpitsara Khanakorn ary efa nimpody tsikelikely ny fahasalamany.
Namoaka fanambaràna ahitana pejy 25 manazava ny hetsika nataony ny Mpitsara Khanakorn. Nanoratra i Khanakorn fa nobaikon'ny lehibeny izy hanameloka ireo voampanga na dia tsy ampy aza ny porofo fitanana sy fanamelohana. Nivoaka tao amin'ny Facebook izany tamin'ny andro nisian'ny tifitra saingy nanjavona vetivety.
Tamin'ny taona 2018, Nisambotra olona dimy ahiahiana ho nanao famonoana olona, fikambanana miafina, firaisana tsikombakomba ary heloka mifandraika amin'ny basy ny manampahefana tao atsimon'i Thailandy. Raha meloka ireo voampanga ireo dia mety ampiharina aminy ny famonoana ho faty.
Efa an-taonany maro izao no nitrena fihenjanana ny tao Thailandy atsimo noho ny fisian'ireo vondrona mampijoro ny zon'izy ireo hizaka tena. Ahitana miozolomana betsaka izany faritra izany ao amin'ity firenena betsaka bodista ity. Nampihatra ny fepetra amin'ny tany misy hotakotaka ny governemanta izay midika fa afa-misambotra olona tsy misy taratasy fampisamborana ary afa-mihazona azy ireny ao anatin'ny fotoana voafetra ny tafi-panjakana.
Mino ny Mpitsara Khanakorn fa tsy mety heverina ho ara-dalàna ny porofo azo nandritra ny famotorana sy ny fihazonana ao anatin'ny fepetran'ny hotakotaka napetraky ny governemanta.
Tao amin'ny fanambaràna nataony izy nandrisika ny mpanao lalàna hanitsy ny lalànan'ny Lapan'ny Fitsarana mba handraràna ny fanovana ny didy mialoha ny hamakiana azy ireny. Amin'izao fotoana, afa-mamaky mialoha ny didin'ny mpitsara eny fa na dia mialoha ny hanambaràna azy ireny ao amin'ny fotoam-pitsarana aza ireo manampahefana ambony kokoa ao amin'ny rafi-pitsarana. Afa-manery ny eo ambany fahefany ireo mpitsara zokiny ireo hanoratra indray (hanova) ny fanapaha-keviny voalohany. Nangatahan'ny Mpitsara Khanakorn tamin'ny governemanta ihany koa ny ‘hanomezana ara-drariny ny vola (karama)’ ho an'ny mpitsara.
Return rulings to judges. Return justice to people.
My statements might hold weight as light as a feather, but a judge’s heart must be as firm as a mountain.
Avereno amin'ny mpitsara ny didim-pitsarana. Avereno amin'ny vahoaka ny rariny.
Mety ho maivana tahaka ny volomborona ny fanambaràna ataoko, saingy tokony ho mivaingana tahaka ny tendrombohitra ny fon'ny mpitsara.
Natahotra ny Mpitsara Khanakorn fa hiteraka famotorana sy hanimba ny asany ny hanadiovana ireo voampanga. Saingy ao anatin'izany fotoana izany ihany, tsy afa-manameloka ny voampanga noho ny tsy fahampian'ny porofo izy. Noho ny tsy fahitany izay ho lalan-kombany dia nanapa-kevitra izy ny hitifi-tena.
Nahazo ny fifantohan'ny ao amin'ny firenena haingana ny fitifirana. Ny sasany amin'ireo mpanohana ny miaramila miampanga ilay mpitsara ho manangana tantara an-tsehatra hamelomana fifandirana ara-politika. Ny sasany indray mino fa ao anatin'ny tsikombakomba hanampiana ny mpanohitra mba hitsofohana ao amin'ny (rafitra) mpitsara izany.
Midrikina ny manampahefanan'ny Lapan'ny Fitsarana fa ao anatin'ny rariny sy mahaleotena ny rafi-pitsarana ary nolazainy fa ny trangam-pitifirantena nataon'ny Mpitsara Khanakorn dia mety ho tondro fa miatrika ‘olana manokana maro dia maro’ izy.
Tahaka izany ihany koa, nanangana famotorana amin'ny filazana natsangan'ny mpitsara mba hiarovana ny fitokisana ny rafi-pitsarana ny governemanta.
Atiya Achakulwisut, mpanao matoandahatsoratra ho an'ny gazety Bangkok Post namehy ny setriny avy amin'ny Thailandey maro:
His putting his life on the line to call for attention to what he believes is a malady eroding the justice system is as outrageous as it is sickening, especially when considering what amount of despair could have driven the judge to the point of self-sacrifice.
Ny fanesorany ny ainy mba hahazoana fifantohana amin'izay inoany no midika faharisarisàna mikiky ny rafi-pitsarana ary manafintohina satria mankaloiloy, indrindra rehefa heverina ny halehiben'ny fitaintainana mahatonga ilay mpitsara ho tonga any amin'ny fanaovana sorona ny tenany.
Avoitran'ny matoambaovaon'ny Bangkok Post ny fahasarotana ao amin'ny tontolo politika ao Thailandy atsimo:
…that it is an extremely complicated issue which can easily result in innocent people being wrongly punished or scapegoated. When that is the case, such injustice only fuels resentment among the Muslim majority and hinders state attempts to bring peace to the troubled region.
… fa raharaha tena manahirana dia manahirana tokoa izy ity izay mety manamora ny fanasaziana olona tsy manantsiny na lasa sorona. Raha izay no mitranga, hiteraka lonilony amin'ny ankamaroan'ny Miozolomana izany tsy rariny izany ary hanelingelina ny fikasan'ny fanjakana hitondra fandriampahalemana ao amin'ny faritra misy hotakotaka.
Cross-Cultural Foundation, FTMF iray miorina ao amin'ny faritra atsimon'i Thailandy ao no manana zavatra tokony hotanterahana :
Immediately transfer all persons involved in Judge Khanakorn’s predicament out of their posts: Such an order will ensure that an ensuing investigation will be fair for all parties, free from internal influence and the designated inquiry team should also include external advisors. The investigative findings should also bring about preventive measures to guarantee a non-recurrence of interference in the judicial independence.
Afindrao toerana avy hatrany ireo olona rehetra tafiditra nahatonga izao raharaha Mpitsara Khanakorn izay manahirana izao. Izany baiko izany ho hiantoka fa ho ara-drariny ho an'ny rehetra ny famotorana manaraka, tsy hisy tsindry avy ao anatiny ary tokony ahitana mpanolotsaina ivelan'ny faritra ireo ekipa hanao ny famotorana. Tokony hitondra fepetram-pisorohana izay hiantoka ny tsy isian'ny fitsabahana ao amin'ny fahaleovantenan'ny rafi-pitsarana ihany koa ny zavatra hita ao amin'ny famotorana.
Mamerimberina ny filàna hisian'ny fanavaozana ara-politika sy ara-pitsarana ao Thailandy i Frederick Rawski, talen'ny Vaomieran'ny Mpitsara Iraisampirenena ao Azia:
This unfortunate incident again shows the need for sustained reforms of law enforcement and particularly of the independence of the judiciary in Thailand.
This case again shows how misuse of emergency decrees in southern Thailand has aggravated the political pressure exerted on judges.
Asehon'ity toe-javatra mampalahelo ity indray ny filàna fanavaozana amin'ny fampiharana ny lalàna ary indrindra ny fahaleovantenan'ny rafi-pitsarana ao Thailandy.
Asehon'ity raharaha ity indray fa manavesatra ny tsindry atao amin'ny mpitsara ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny hitsivolana mihatra amin'ny hotakotaka ao amin'ny faritra atsimon'i Thailandy
Ny antony voalohany mahatonga ny famonoantena dia avy amin'ny fahakiviana tanteraka tsy voatsabo. Azo tsaboina ny fahakiviana ary azo sorohina ny famonoantena. Afa-mahazo fanohanana tsy ambara manoloana ireo manampanirina ny hamono tena sy ireo tratran'ny krizy ara-pihetsehampo ianao. Tsidiho ny Befrienders.org hahitanao antso fisorohana famonoantena ao amin'ny firenena misy anao.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...