Mahafaty olona ny firotsahan'ny polisy an-tsehatra ao Ginea, mifikitra amin'ny fitondrana i Alpha Condé

Pikantsarin'efijerin'ny France 24 milaza ny vaovaon’ny toe-draharaha any Ginea.
Nipoaka tao Ginea tamin'ny 14 oktobra ny herisetran'ny polisy, izay niteraka fahafatesan'olona maro sy fisamborana tsy voaisa, noho ny fihetsiketseham-panoherana ny tetikasan'ny filoha Alpha Condé hanova ny lalampanorenena mba ahafahana mirotsaka ho amin'ny fehim-potoana fahatelo.
Lasa kianja ifanandrinan'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana ny araben'i Conakry, renivohitra, sy ireo tanandehibe ao an-kibon'ny firenena.
Etsy ankilany, nahazo tombondahiny manokana ny polisy ho afa-mitifitra avy hatrany araka ny voatondron'ny lalàna. Nahafatesana olona enina, ary zandary ny iray amin'izany, ireny fihetsiketsehana ireny sy maratra maro dia maro.
Vakio ihany koa: Mahazo alalana hitifitra raha vao mahita ny mpitandro ny filaminana
Etsy andaniny, toherin'ny mpanao fihetsiketsehana ny fanovana ny lalampanorenana izay heverin-dry zareo ho paipaikan'ny filoha ikendreny ara-dalàna ahafahany miditra fehim-potoana fahatelo. Feran'ny lalàna ankehitriny ho roa misesy tokoa manko ny fehim-potoana iasan'ny filoha. 81 taona ny filoha Condé izay tokony hamarana ny fehim-potoana fiasany amin'ny oktobra 2020.
Tena marefo tokoa ny mpanao fihetsiketsehana satria zary manitsakitsaka ny lalàna ny ataon-dry zareo, hoy ny fampahatsiahivan'ny fikambanana iraisampirenena ho fiarovana ny zon'olombelona, Human Right Watch:
Depuis plus d’un an, le gouvernement de la Guinée interdit de fait les manifestations de rue en invoquant les risques pour la sûreté publique. Les autorités locales ont interdit au moins 20 manifestations. Les forces de sécurité ont utilisé des gaz lacrymogènes contre les personnes qui défiaient l’interdiction, et ont arrêté des dizaines de manifestants.
Efa mihoatra ny herintaona izao ny governemantan'i Ginea no nandrara ny fihetsiketsehana an-dalambe amin'ny fanononana ny filaminam-pirenena. Farafahakeliny fihetsiketsehana 20 no efa norarànan'ny manampahefana isaky ny any an-toerana. Mampiasa etona mandatsa-dranomaso amin'ireo olona mihaika izany fandraràna izany ny mpitandro ny filaminana, ary nisambotra mpanao fihetsiketsehana am-polony.
Eo amin'ny toe-draharaha politika, mifanohitra be ihany ny fitenin'ny governemanta: tamin'ny 13 oktobra ny filoha Condé niantso fifampiresahana, araka ny fampahatsiahivan'ny habaka africaguinee.com:
Alpha Condé a réitéré son appel au dialogue responsable et à la concertation permanente pour aplanir toutes les divergences et relever tous les défis qui se posent au pays.
Nanantitra indray ny antsony hisian'ny fifampiresahana tompon'andraikitra sy ny fiara-midinika maharitra indray i Alpha Condé mba handravonana ny tsy fitovian-kevitra sy hihoarana ireo fanamby manoloana ny firenena.
Mandritra izany fotoana izany ny mpanolotsaina ao amin'ny Prezidansa Ahmed Tidiane Traoré no nanambara tamin'ny 12 oktobra araka ny habaka gineana guineenews.org, izany hoe roa andro alohan'ny fihetsiketsehana, amin'ny mpitolon'ny RPG Arc-en-ciel [Antoko eo amin'ny fitondrana] avy ao amin'ny fokontanin'ny seranam-piaramanidin'i Conakry:
Nous invitons la jeunesse du parti à la vigilance dans les quartiers. Ils [les militants de l'opposition] ont stocké [des pneus usés dans les trous, nous invitons la jeunesse du parti à faire sortir ces pneus. Empêchez-les. Sortez ces pneus cachés, n’attaquent personne, ne détruisez rien, défendez-vous seulement. Tous les malfaiteurs seront dénichés et ils seront montrés au peuple
Manasa ny tanora izahay hanao andrimaso eny anivon'ny fokontany. Nanangona [kodiarana efa niasa] ry zareo, manasa ny tanora ao amin'ny antoko izahay hamoaka ireny kodiarana ireny. Sakano ireo. Avoahy ireo kodiarana nafenina ireo, aza manafika na iza na izany, aza manimba na inona na inona, miarova tena fotsiny. Ho hita daholo ny mpanao ratsy ary haseho vahoaka
Vao maika nampitombo ny fahatezeran'ny mpanohitra sy ny firaisamonim-pirenena izany lela roa ataon'ny ao an-tampon'ny fitondrana izany, hany ka araka ny habaka globalguinee.info:
Ce 14 octobre 2019, sans doute un lundi sombre pour ne pas dire noir, à l’appel du FNDC, les Guinéens sont massivement sortis dans les rues pour s’opposer au projet de changement constitutionnel.
Des affrontement ont été signalés dans plusieurs quartiers de la Capitale guinéenne. Les activités au centre administratif de Kaloum ont été quasiment paralysées. Plusieurs Points d’appui (PA) des unités d’intervention de la police ont été aussi saccagés. A l’intérieur du pays, l’appel a été aussi observé dans les régions De Moyenne Guinée, Basse Guinée. En forêt et en Haute Guinée, l’appel n’a pas tellement prospéré. Mais tout de même, les villes sont restées paralysées.
Tamin'ity 14 oktobra 2019 ity, izay tsy isalasalana fa alatsinainy matroka mba tsy ilazana hoe mainty, nivoaka marobe ho eny andalambe ny vahoaka gineana ho fanoherana ny tetikasam-panovana lalampanorenana.
Nahitana fifandonana tany amin'ny fokontany maro tao amin'ny renivohitra gineana. Saika nihitsoka tanteraka ny raharaha tany amin'ny foibem-panjakana tao Kaloum. Voaroba ihany koa ny Points d’appui (PA) maro an'ny vondrona vonjy taitra an'ny polisy. Nisy nihaino maro ihany koa ny antso tany amin'ny faritra tao Ginea antenantenany sy Ginie ambany. Tsy dia nisy nihaino loatra kosa ny antso tany an'ala sy tany Ginea Ambony. Fa nihitsoka ny tanandehibe na dia izany aza.
Nanoratra toy izao ny bilaogera maliana Adam Thiam raha naneho hevitra tao amin'ny benbere.org, sehatra maliana “ihaonan'ny tanora”:
Les choses sérieuses commencent en Guinée, avec ses surenchères incendiaires, ses morts presque banales de manifestants criblés de balles, les traînées de sang sur les pavés barricadés et carrefours fumant sous les pneus enflammés et les gaz lacrymogènes.
Manomboka mihenjana ny toe-draharaha ao Ginea, amin'ireo tabataba mirehidrehitra, tahaka ny lasa mahazatra ny fahafatesan'ny mpanao fihetsiketsehana rotiky ny bala, ra mandriaka eny amin'ny rarivato voabahana sy ny fihaonan-dalana irehetan'ny kodiarana sy ny etona mandatsa-dranomaso.
Melohin'ny mpiserasera ao Ginea sy any an-kafa ao Afrika any amin'ny tambajotra sosialy ny herisetra.
Mampitandrina ny filoha gineana ny mpisera Twitter Concerned Citizen®🇸🇳 (@raia_husika):
Comme Blaise Compaoré, Alpha Condé se dirige vers l’abîme. Parviendra-t-il à entendre les cris de colère de ses compatriotes ? Le très proche avenir nous édifiera. En attendant, le navire est en train de chavirer. pic.twitter.com/oRAev0qNEN
— Concerned Citizen®🇸🇳 (@raia_husika) October 15, 2019
Tahaka an'i Blaise Compaoré, mizotra mankany amin'ny tevana ihany koa i Alpha Condé. Handre ny hiakam-pahatezeran'ny mpiray tanindrazana aminy ve izy? Hanefy antsika ny ho avy akaiky dia akaiky. Mandra-piandry izany, manomboka mihilangilana ny sambo.
Naneho setriny avy amin'ireto teny ireto ny mpanora-gazety gineana Bhoye Barry (@BhoyeBarry91) tamin'ny 15 oktobra:
Hamdallaye pharmacie (#Conakry): des citoyens réveillés par les FDS [Forces de sécurité] tôt ce matin
Selon un citoyen de la zone, les FDS sont entrain de défoncer les portes et pillés le contenu des maisons.
(Image archive)#Amoulanfe #Kibaro #Guinee pic.twitter.com/xk6xax8DT0— Bhoye Barry 🇬🇳 (@BhoyeBarry91) October 15, 2019
Hamdallaye pharmacie (#Conakry) olompirenena tairin'ny Mpitandro ny filaminana androany maraina.
Araka ny nolazain'ny olom-pirenena tao amin'ny faritra, manomboka mamaky varavarana sy mandroba izay ao an-trano ny mpitandro ny filaminana.
Naneho ny loniloniny i S. Nkola Matamba(@Simeon_5) mpanoratra sady mpikatroky ny zon'olombelona avy ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo:
Jadis opposant, aujourd’hui consumé par l’envie de faire changer les lois pour un 3ème mandat, pour peut-être rester sur le trône jusqu’au bout, Alpha Condé incarne l’une de ces parts sombres d’une Afrique qui n’a cesse de nous tirer vers le bas! Courage au peuple de #Guinée! ✊🏾 https://t.co/K3DAaqaIYI
— S. Nkola Matamba🇨🇩🛠 (@Simeon_5) October 12, 2019
Fahiny mpanohitra, ankehitriny levon'ny faniriana hanova ny lalàna mba ahafahana miditra fehim-potoana fahatelo, mba hahazoana mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana hatramin'ny farany angamba, Alpha Condé no maneho ireo faritra matroka amin'i Afrika tsy mitsahatra ny misintona antsika hidina! Mahereza ny vahoakan'i Ginea!
Ho an'ilay senegaly Cheikh Fall™ @cypher007 ny fandavana hiala amin'ny fahefana no olana:
#GUINÉE – C'est juste déplorable. Première journée de manifestation contre un troisième mandat de Condé et voilà qu'on publie un bilan de victimes avec des morts. Cette folie des hommes politiques à vouloir occuper le poste de Chef de l'état à vie. #Amoulanfe
— Cheikh Fall™ (@cypher007) October 14, 2019
Tena mampalahelo. Andro voalohany amin'ny fihetsiketsehana anoherana ny fehim-potoana fahatelo ho an'i Condé dia indreo ny vokatra amin'ny isan'ny niharam-boina ahitana maty maro. Ilay fahadalàn'ny politisiana te-hitazona ny toeran'ny filoham-panjakana mandra-maty.
Manamarika ihany koa ny sasany amin'ireo fikasana hanodikodina ny saim-bahoaka, mahita izany ilay mpikatroka gineana Macky Darsalam :
#Guinée
Le @GouvGN dans le but d'affaiblir la grande protestation de ses citoyens contre le tripatouillage constitutionnel ce #Lundi14 procède à une opération de distribution des sacs de riz dans la capitale@Amoulanfe2020 @AlphaCondePRG@Cellou_UFDG@diallousmane@RFI@afpfr pic.twitter.com/T7qY6JOlzB— Macky Darsalam (@DarsalamMacky) October 12, 2019
Ginea: Mba hampalemy ny fihetsiketseham-panoherana ataon'ny olom-pirenena ho fanoherana ny fikitikitihana ny lalampanorenena androany alatsinainy, mizara vary amin'ny gony eto an-drenivohitra ny governemanta.
Miraviravy tanana ny gineana ao amin'ny fanoherana manoloana ireo fanafihana ireo: nampiato ny fandraisany anjara adihevitra parlemantera ireo depioten'ny antoko UFDG, UFR, UDG, UPG izay manohitra an'i Condé, sy ireo mpikambana ao amin'ny vondrona parlemanteras ‘’Libéral Démocrate et Alliance Républicaine’’ hatramin'ny 11 oktobra 2019 lasa teo. Miampy izany, mihamahery vaika ny herisetra mihatra amin'ireo antoko ireo, araka ny nomarihan'ny habaka mediaguinee.org:
…au siège de l’Union des forces républicaines (UFR) de Sidya Touré, des échauffourées ont éclaté entre certains éléments de l’opposition et des militants de la mouvance qui avaient pris des dispositions la veille pour boucler toute manifestation non autorisée dans le fief traditionnel du parti au pouvoir. Des affrontements qui se sont soldés par le saccage du siège de l’UFR et l’arrestation de 6 personnes dont les identités et leurs partis d’origine restent encore méconnus du grand public.
… Ao amin'ny foiben-toeran'ny UFR an'i Sidya Touré, gidragidra teo amin'ny mpikambana sasantsasany ao amin'ny fanoherana sy ireo mpitolon'ny fironana izay nandray fepetra ny omalin'io mba hanidiana izay fihetsiketsehana rehetra tsy nahazoana alalana ao amin'ny toerana fahazoan'ny antoko ao amin'ny fitondrana vato betsaka. Gidragidra izay niafata amin'ny fandrobana ny foiben-toeran'ny UFR sy ny fisamborana olona enina izay tsy fantatry ny sarambabem-bahoaka hoe iza ireo ary avy amin'ny antoko inona.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...