Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Desambra, 2023
Hafanao ny tanako: Tantaran'ny Nepali iray vao vita raharaha
"Ankehitriny, eto Kathmandu, hitan'i Kalpana fa tsy mifanaraka amin'ny fitantarana henony miverimberina tany an-tanindrazany ny fiainana.."
Voarara ao Rosia saingy alefa amin'ny YouTube ilay fanadihadiana mikasika ny mosary tany Volga tamin'ny andian-taona 1920
Noho ny antony tsy mazava, noraran'ny governemanta Rosiana ilay fanadihadiana Rosiana iray mampiseho ny mosary tamin'ny taona 1921 hatramin'ny taona 1923 tao amin'ny faritr'i Volga, saingy azo jerena amin'ny aterineto ao amin'ny YouTube.
Adihevitra manodidina ny fandraràn'ny parlemantan'i Kenya ny ‘akanjo Kaunda’ sy ny fitafy nentin-drazana afrikana
Mandresy lahatra ireo mpikirakira media sosialy hafa fa fomba iray hitadiavana ny maha-izy azy sy hankalazana ny fiangeso Afrikana ny fandraisana ny akanjo nentim-paharazana Afrikana, milaza fa mifanohitra amin'io fihetseham-po io ny fandraràna toy izany.
Nodimandry teo amin'ny faha-65 taonany i Benjamin Zephaniah, poeta britanika tsy manam-paharoa manana faka avy any Karaiba ary manintona be ao anatina fiarahamonina manana kolontsaina marolafy
Lasa mpanakanto sy mpandika teny ankafizina izy izay namakivaky ny sisintany rehetra ary nikaroka izay hanasitranana ny fiarahamonina voasamantsamaky ny fanjanahantany, ny fanavakavaham-bolonkoditra ary ny tsy rariny ara-tsosialy.
Androm-piravoravoana ny volana Desambra manontolo ao Kôlômbia
Firavoravoana telo no mameno fetibe ireo arabe ao Kôlômbia hatramin'ny faran'ny Novambra. Saingy vitsy ny olona mahalala ny fombandrazana ara-tantara niavian'ny tsirairay amin'izy ireny
Ao anaty fanadihadiana iray vaovao, Ozbekistan mankalaza ny hetsika reformista Jadid
Toa mbola haharitra ela ny fiverenan'ny Jadid eny amin'ny habaka natao ho an'ny daholobe, miaraka amin'ny governemanta mampiasa ny lova navelan'izy ireo ho fitaomam-panahy.
Nodimandry teo amin'ny faha-85 taonany i Earl Rodney, ilay olomangan'ny filalaovana Steelpan, ary namela mozika iray ‘tsara kalitao’ sy fanontaniana raha toa i Trinidad & Tobago ka mbola ho afaka hanao zavatra bebe kokoa hanomezam-boninahitra ireo olo-malaza ara-kolontsaina ao aminy.
Natosiny lavitra hatrany ny sisintanin'ny mozika [...] tamin'ny fandraisana anjara ho amina fanehoana iray vaovao ny mozika avy eo an-toerana ao anatin'ilay fampivadiany ny gadona afrikàna sy ny funk amerikàna, anatsofohana ny daroka barika sy vely vilany.
Miha-maoderina ny tanàna ambanivohitra nepaley, an-tampon'ny hanjavona ny zavakanto mokha
Efa nisy ny fotoana nanjakan'ny trano volotsangana sy rotsipeta nitafo bozaka sy taila ny endritanin'ambanivohitr'i Nepal ary voaravaka zavakanto mokha ny tranon'ny Tharu. Fa novonoin'ny fampanjakana ny maoderina izany endrikanto izany.