· Avrily, 2010

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Avrily, 2010

India, Pakistan: Misosa ny fakan-tàhaka an'i Sania-Shoaib

Misosa ny fakan-tahaka ny fanambadian'i Sania-Shoaib raha toa kosa ka manitatra ny fampahalalam-baovao, hany ka toa mitohy misavoritaka ny mponina an-tapitrisany avy amin’ireo firenena ireo. Raha eo ampikarakarana sy miala ireo sakantsakana amin'ny fanambadiany izy roa, mitohy any rehetra any ny fanakianana mivaivay sy manafintohina.

26 Avrily 2010

Rosia: Fampihomehezana amin'ny aterineto tamin'ny andron'ny lainga

Akon

Na dia nosembanin'ny voina sy ny alahelo [RUS] aza ny fiandohan'iny herinandro iny, niezaka ny nanome toerana ho an'ny tsikitsiky teo amin'ny fiainany ihany ireo mpitoraka blaogy Rosiana sy ireo adalan'ny solosaina. Ireto misy fampihomehezana vitsivitsy natolotr'ireo mpitoraka blaogy sy orinasana maro mpanao rindrambaiko .

07 Avrily 2010

Lahatsary: Lalao Amerikana Tatsimo any Medellin, Colombia

Nandritra ny roa herinandro izay no renivohitry ny lanonana sy ny lalao fanatanjahantena isankarazany ny any Medellin, Colombia noho ny fandraisan'ity tanàna ity ny Lalao Amerikana tatsimo fahasivy (ODESUR) ifaninanan'ny firenena Amerikana Latina sy handrombahana medaily amin'ny taranja isan-karazany. Miala amin'ny mahazatra kely na ny tompontany na ny vahiny hizaha toerana maro samihafa sy hijery lalao.

03 Avrily 2010