Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Desambra, 2015
Nataon'ny artista ho lasitra hisiam-piovana nandritra ity 2015 ity izao tontolo izao
Manatona ny taona 2016, ataontsika tamberina ny tantara 16 avy ato amin'ny tahirin-javakanton'ny Global Voices nivoaka tamin'ny fotoana nahamety azy.
Ngonongonom-bahoaka Ao Kambodza taorian'ny “Namotsian'ny” Ben'ny Tanàna Ny Hosodokon'ny Mpanakanto Iray Avy ao Etazonia
"Mandefa hafatra mazava ny governemanta Kambojiana fa tsy ho leferina ny zavakanto-bahoaka. Na izay na rorain'izy ireo fotsiny amin'ny fomba mahatrotraka indrindra azo atao ny sarintavan'olona nataon'ireo mpanakanto."
Endri-tsoratra Kanji Iray Mampiseho Ny Taonan'ny Fanjavozavoana Ao Japana
Ny endri-tsoratra 安 no voafidy tamin'ny fomba ofisialy ho kanji-n'ny taona 2015. Noheverina fa mampiseho ny "fandriampahalemana" ny endri-tsoratra, saingy tsy mandrakizay izany...
Krismasy ao Japan? Mivonòna amin'ny hazo mihazakazaka, jiro mahajambena ary ny akoho mendy
Manana fomba manokana iavahany i Japan eo amin'ny fankalazana ny noely ka tafiditra amin'izany ny firentirentin'ny jiro, ny mofomamy mampilendalenda ary ny akoho voatono mafilotra.
Fanisanandro feno sary saka nalaza haingana tao amin'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana

Ny fanisanandro “Pretra + Saka” no valiny ataon'ny Rosiana Ôrtôdôksa amin'ny Calendario Romano Italiana, mampisongadina ireo pretra Katôlika tanora sady bôgôsy sy ny fanisanandro feno saka I gatti di Roma.
Ireto No Nokarohan'ny Mpiserasera Rosiana Tao amin'ny Google Tamin'ny 2015

Nandritra ny herintaona, nidera ny Eurovision sy ny fanatanjahantena hockey ny mpiserasera aterineto Rosiana, saingy nisaona ireo Rosiana malaza namoy ny ainy ihany koa ary nanaraka ireo zava-nitranga mampalahelo tany Ejipta sy Frantsa, araka ny tahirin-kevitra tamin'ny tatitra nataon'ny Google.
Nolazain'ny Naysayers Fa ‘Vetaveta’ Ilay Mpihira Amerikana Adam Lambert, Manohana Azy Ny Singapaoreana
"Milaza ireo mpanao fitakiana fa mety hanao fampisehoana "fihetsika vetaveta" i Lambert ka mety hanafintohina ny mpijery ny fampisehoana sy ny mpijery fahitalavitra. Nisy ihany koa ny fanangonan-tsonia manohitra izany ary manohana an'i Lambert izay efa nahazo sonia maherin'ny 24.000 sahady.."
Sary Misy Ireo Hosodoko Amin'ny Rindrindra Ao Kyiv Hita Amin'ny Sarintany Ifarimbonana Antserasera

Efa mora ankehitriny ny mahita ireo hosodoko amin'ny rindrina eny an-dalamben'ny renivohitr'i Okraina, miaraka amin'ny sarintany ifarimbonana vaovao ahitana ny ankamaroan'ny toerana misy ireo sangan'asa vao haingana.
Misy tokoa ve ny zavatra lazaina ho ‘Soatoavina Eoropeanina'?
"Tsy ho voavahan'ny loharanombola irery ihany ny fanamby ateraky ny fitanjozotran'olona mikaroka fandriampahalemana sy fiadanana any Eoropa."
Mendrika Ny Tsaratsara Lavitra Noho Izao Ireo Mpiasa An-trano Any Amin'ny Ampahan'ny Tanibe Indiana
Karama kely, tsy fahampian'ireo fiarovana ara-dalàna, fanararaotana. Izany no fitondrana mahatsiravina azon'ireo mpiasa an-trano. Efa an-dàlana moramora nefa matotra ny fiovàna, tokatrano iray isaky ny mandeha.