· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Janoary, 2019

Shina : Famoronana tarehintsoratra Han vaovao

  31 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Vao tsy ela akory izay no nanambara ny firindran’ny endriky ny sarin’ny tarehintsoratra Han miisa 44 ny Minisiteran’ny fanabeazana ao amin’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Shina. Tsy dia nisy dikany loatra sy tsy nisy antony akory ny fanovana ka maro ireo mpisera Aterineto...

Rosia: Tsy hita ireo mariky ny vidin'entana tao amin'ny tempoly

Tsy nijanona tao amin'ny toerana intsony ny lisitry ny vidin'entana ho an'ny tolotra ara-barotra nomena tao amin'ny [Katedralin'ny Kristy Mpamonjy ao Moskoa], izay napetrak'ireo bilaogera mba hahafaly ny masontsika elaela kokoa. Tsy mbola feno herinandro akory dia efa nesorina mangingina tsy ho hitan'ireo mpiserasera ny lisitry ny vidin'entana.

Mamelona indray ny fiteny Inuktitut ao amin'ny media sosialy

Rising Voices  14 Janoary 2019

Niditra media sosialy ny Fikambanana Qikiqtani Inuit (QIA) mba handrisika ny fampiasana bebe kokoa ny Inuktitut, fiteny Inuit. Miorina ao amin'ny faritr'i Qikiqtani (Baffin) ao Nunavut, faritany tanora indrindra ao Canada, miasa mba "hiaro, hitantana sy hampandrosoana ny zo sy tombontsoan'ny Qikiqtani Inuit" ny fikambanana .

Mijery ny mari-panondroana Indo miaraka amin'ilay mpaka sary Holandey, Ello

  12 Janoary 2019

Ny Indo dia olona manana fototra Indoneziana sy Eoropeana (indrindra indrindra ny Holandey). Manodidina ny roa tapitrisa ireo Indo monina any Holandy, firenena iray izay nanjanaka an'i Indonezia ny taona 1600 hatramin'ny 1945. Misy ihany koa ireo Indo any amin'ny firenena hafa toa an'i Aostralia, Etazonia, ary ny maro hafa.