Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2014

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Mey, 2014

29 Mey 2014

Mpihira Hafa ao Shina Nosamborina Noho Ny Fanandratana Ny Mari-Panondroana Sy Ny Kolontsaina Tibetana

Manaraka ny fisamborana tany Shina an'ilay Tibetana mpihira Gepe ny fitetezana ny lahatsary YouTube-n'ny hiran'ireo nosamborina tahaka izany.

28 Mey 2014

Lahatsary “Happy” Nampigadra Tanora Enina Tany Iran

Nogadraina sy noterena hiaiky tao amin'ny televiziona nasionaly ry zareo fa voafitaka tamin'ny fananganana lahatsary "Happy" tao Tehran.

27 Mey 2014

Bitsika 10 Malaza Indrindra Amin'ny Teny Rosiana, Herinandro Faha-15 Anatin'ny Taona 2014

Akon'ny RuNet

Isaky ny faran'ny herinandro, hanangona ireo bitsika folo malaza indrindra amin'ny teny Rosiana ny RuNet Echo ary mandamina azy ireo ho an'ny mpamaky ny Global Voices.

Mpikanto Mampiranty An-tsary Ny Hanin'Ireo Iraniana Te-Hody An-Tanindrazana

Iraniana marobe monina any ivelany (am-pielezana) no nahatsiaro ny tanindrazany izay tsy hahafahany miverina mody noho ny tahotry ny fanenjehana. Ka ny mahatsiaro ny firenena niaviany hatrany an-tany lavitra amin'ny alalan'ny fampirantiana sary sisa no hany nataon'izy ireo

26 Mey 2014

SARIPIKA: Hafatra Artistikan'ny Mozea Palestiniana Iray Hoan'ny Papa

Nampiarahan'ny "The Palestinian Museum" tamin'ny afisy lehibe ny kisarisary Kristiana sy ny fijalian'ny Palestiniana ho fanairana ny Papa Fransoà amin'ny fitsidihana ataony any amin'ny Tany Masina.

22 Mey 2014

Nahoana Ny Saodiana No Manoroka Ny Ramevany?

Mihaika ny Coronavirus ny Saodiana amin'ny fanorohana ny ramevan'izy ireo sy mamoaka ny sarin'izy ireo amin'ny Twitter sy ny lahatsary ao amin'ny YouTube.

14 Mey 2014

Ny fiaran-Dàlamby Ambanin'ny Tany : Ain'i Tanànan'i New York

Ingain'ny rafitry ny fiaran-dalambin'i New York aminny fanangonana ny kanto, ny kolontsaina, ny tantaran'ny renivohitra ny nofinofy mifangaron'ireo mpanjifa azy.

12 Mey 2014

Mbola Mikasa Hanao Fampisehoana Hoan'ilay Mpanao Didy Jadona Gambiana, Yahya Jammehi Erykah Badu

Nanjary lasibatry ny tsikera indray ilay mpihira vehivavy Amerikana Erykah Badu noho ny fampisehoana kasainy atao hoan'ny filoha Yahya Jammeh ao Gambia, vao tsy ela akory izy izay no nahazo tsikera tamin'ny fampisehoana nataony hoan'ny Mpanjaka Mswati III ao Swaziland tamin'ny fankalazana ny tsingerintaona faha-46 nahaterahany.

09 Mey 2014

SARIPIKA: Dowlatabadi, Iraniana Mpanoratra, Azo Sary Teo Anilan'ny Lehiben'ny Sivana Ao Iran

Ilay sary dia namela marika iray tena manana ny lanjany ho an'ireo mpijery efa mahay tsara ny asan'i Lotfi sy Dowlatabadi, izay noraràn'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Taridàlana Islamika tamin'ny fotoan'androny.

07 Mey 2014

Taombaovao Tao Bangladesh Nisehoan'ny LGBT Tamin'ny Lokon'ny Avana

Hoan'ireo miozolomana maro an'isa ao Bangladesh, sokajiana ho tsy azo ekena ara-piarahamonina sy ara-pivavahana ny fahapelahana. Tsy ara-dalàna ny fahapelahana, araka ny voalazan'ny fehezan-dalàna famaizana ao amin'ny firenena.