Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2009

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Janoary, 2009

30 Janoary 2009

Taiwan: Boky, mpanoratra ary ampahan-tsary

Isaky ny alahady ao amin’ny gazety China Times (中國時報) any Taiwan, betsaka ny mpamaky miandry ny pejy roa manome tatitra fohy momba ny boky. Isaky ny faran’ny taona, ireo tonian-dahatsoratra dia milaza ireo nofinidiny ho  “Bokin’ny taona” (開卷好書獎), ny boky sinoa tsara indrindra navoaka tany Taiwan tamin’iny taona iny. Nanomboka...

27 Janoary 2009

Madagasikara: fitadiavam-bolan'ankizy

Green Boy sarin'i Patrick Lahatsary roa roa avy aty Madagasikara no maneho antsika ny fikaratahan'ny ankizy mikarokaroka sy mamoron-javatra ary fahasahiana kely mba hihoirany eo amin'ny fiainana. Voalohany amin'izany i Toky izay mampiasa kapoaka sy fitaovana hafa efa nampiasaina hanaovana fiara kapoaka, ny iray hafa indray mampiseho an'i Green Boy,...

19 Janoary 2009

Bolongan-tsary:Mamerina mandoko ireo ‘klasika’ tsy tontan'ny ela ny mpanakanto Costa Ricain iray

Francisco Munguía, mpanao tantara an-tsary sady mpanakanto iray avy any Costa Rica no mamerina mandoko indray ireo ‘classique’ tsy tontan'ny ela ary tsy ela akory izay dia nanao fampirantiana tao amin'ny Mozea natokana ho an'ny ankizy ao Costa Rica. Na izany aza, tsy voatery hiondrana any Costa Rica akory ianareo...

18 Janoary 2009

Korea: fahazarana 17 mahatonga ny hoditrao ho malaky antitra

Hanolotra lahatsoratra iray milaza fampahafantarana mahaliana (na mampihomehy) anareo aho: ny fahazarana 17 anananao izay manome taona (fahanterana?) ny hoditrao. 값비싼 화장품이 피부를 유지해준다!? 이런 마음가짐으로 고급 화장품만을 믿고 피부에 관심을 덜 가지게 되면 5년 후에는 “아줌마! 화장품 뭐 썼길래…” 라는 말을 들을수도 있습니다. 피부는 관리가 중요합니다. […]피부노화를 가속화시키는 몇가지...

17 Janoary 2009

Brunei: fampisehoana fahitalavitra mivantana “Passport to Fame”

Manana ny fankafizany manokana ny télé réalité toy ny firenen-kafa i Brunei amin'ny fisafidianany izay mpihira tiany indrindra. Nahatratra ny faratampony ny andiany faharoa tamin’ny fifaninana ny P2F(Passport To Fame) tamin’ny nioahan'i Dayat ho mpandresy tamin’izany. RanoAdidas dia nitatitra ny fizotran’ny lanonana ka nivoahan'i Dayat ho mpandresy ao amin'ity blaogy...

16 Janoary 2009

Mamolavola lalàna hifehezana ny aterineto sy ny famahanam-bolongana i Kambodza

Eo ampandrafetana ny lalàna hanitarana ny ny lalàna misy ankehitriny hisahana ny endrika fampitam-baovao hafa, ka tafiditra amin'izany ny aterineto ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao Kambôdziana. Araka ny fanadihadiana tsy ara-panjakana moa dia mihoatra ny 70 000 ankehitriny ny isan'ny mpampiasa aterineto any Kambôdza amin'izao fotoana izao. Hanitatra ny andraikitry ny Minisitera...

14 Janoary 2009

Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.

Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)” no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra...

07 Janoary 2009

Nepal Mihitsoka Anaty Olana Misesisesin'ny Tempoly

Ratsy fiantombohana ny taona vaovao tao Nepal. Ankoatra ny krizin'ny herinaratra dia mihitsoka anaty olana misesisesy ny firenena noho ny raharahan’ny toerana masin'ny Hindoisma ao Pashupatinath. Eo anivon’ny ady hevitra no misy fifanazavana hoe tokony hitohy ve ny fombafomba litorjika tarihin’ny pretra Indianina ao amin’ny Tempoly lehibe sa tokony handray...