Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Mey, 2015
Mifanjevo Ao Anatin'ny “Atin'akanjo Maloton'ny Paki” Ny Ara-nofo, Fivavahana Ary Politika
Nentin'ilay Pakistane metisy Amerikana, Aizzah Fatima, nitety izao karazan-toerana samihafa izao ny fampisehoana an-tsehatra lalaoviny samirery tato anatin'ny taona vitsy lasa. Na dia manafintohina ny sasany aza ny lohatenin'ilay fampisehoany. Lohateniny ny hoe : Atin'akanjo Maloton'ny Paki.
Mandrara Rakikira noho ny Tononkirany Prô-LGBT i Singapôra
"Moa ve tsy mampihomehy raha amin'ny andro andraran'i Singapore votoatin-tononkira ahitana ny mariazin'ny pelaka, no nifidy hankasitraka izany i Irelandy?"
Eny an-Dalan'i Dubai, Mitondra Harleys ny Vehivavy ary Mamotika ny Fitsarana an-Tendrony
Mety tsy nieritreritra hahita vehivavy mitondra môtô eny amin'ny lalana manavatsava an'i Emirà Arabo Mitambatra ianao, saingy misy tarika vehivavy avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao manao izany indrindra any.
Sary Nahazo Loka Mampiseho Ny Fiainan'ny Vahoaka Teratany Ao Amin'ny Nosy Orchid Ao Taiwan
Nitsidika matetika ny nosy Orchid ao Taiwan i Wen-Yen Wang ary nandrakitra ny tantaran'ny vahoaka Taô ao anaty sary, izay nahazo loka vao haingana tamin'ny sokajy maromaro nandritra ny fifaninanam-pirenena nokarakarain'ny Taiwan News Photograph Study Group.
Nahoana Ny Soratra Arabo No Tsy Afaka Manafoana Ny Fivalanandrano An-Kalamanjana Ao Dhaka
"Toeram-pivoahana iray ihany no misy ao Dhaka renivohitra isaky ny olona 150.000, nefa maro amin'ireo no tsy azo ampiasaina."
Ao Japana, Tambajotra Sosialy Iray Natokana Manontolo ho amin'ny Vaovaon'ny Toetr'Andro
Tia toetr'andro? Liana amin'ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra? Ary mpankafy Japan eo amin'ny fanombohana? Mety ho tambajotra sosialy ho anao ny SoLive24.
Fanomezam-boninahitra An'i Espíritu Bautista, Mpiaro Ny Teny Sy Kolontsain'ny Yanesha
Niara-niasa tamin'i Espíritu Bautista, izay efa namoy ny ainy i Anna Luisa Daigneault tamin'ny fitehirizana ny teny sy ny kolontsaina Yanesha. Manoratra lahatsoratra ho fanomezam-boninahitra azy i Anna amin'ny fizarana ny teniny avy amin'ny Tahirin-kevitry ny Tantara Am-bavan'iny Yanesha.
Kiobà : Ny Dihy Araka ny Fitsipiky ny Ocha-Ifá, Fombam-Pivavahana Afro-Kiobàna
Ity lahatsoratra ity no voalohany amin'ny andian-dahatsoratra momba ny fanehoana ara-mozika sy dihy mirindra kiobàna, anaovana topimaso ny fombam-pivavahana afro-kiobàna iray, ny Fitsipik'i Ocha-Ifà, na Santeria, sy ny dihy mbamin'ny fombandrazana miaraka aminy.
Ireo Yemenita Sy Ny Zavakanto Anaty Fotoanan'ny Ady
Mampiasa ny zavakantony sy ny fahaizany mamorona mba hamarànana ny ady ao amin'ny fireneny ireo Yemenita, firenena izay ny mahantra indrindra any Afovoany Atsinanana. Ato ny fomba ataon-dry zareo.
Tajikistan: Natiora Mangatsakatsaka sy Akon'ny Tantara
Misy aza ny olona sasantsasany no tsy mahalala ny fisian'i Tajikistan. Matiantoka be ry zareo.