· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Jona, 2012

Myanmar: Mankalaza ny Tsingerintaona Nahaterahan'i Aung Ireo Mpampiasa Aterineto

Nandefa fiarahabana an'ilay mpitarika ny mpanohitra, Aung Suu Kyi izay any Eoropa noho ny fivoahany ny firenena voalohany indrindra taorian'ny roampolo taona izao, ireo mpampiasa aterineto ao Myanmar. Manontany tena ireo mpampiasa aterineto ny amin'ny antony tsy nandrakofan'ireo tambajotran'ny mediam-panjakana ny fanambarana nanolorana an'i Suu Kyi ny Loka Nobel an'ny fanriampahalemana.

26 Jona 2012

Iran: Hiran'ny Fahafahana

Ny United4Iran, fikambanana iray tsy mitady tombontsoa manao fampielezan-kevitra momba ny zon'olombelona any Iran, dia manao dingana miaraka amina rakikira ao anaty aterineto voatokana hamelona indray ny fanantenana hisian'ny fahalalahana miteny ho an'ireo Iraniana.

25 Jona 2012

Afrika : Ny Tantara “Adino” Momba Ilay Kaontinanta

Mifanohitra amin'izay nambaran'ny filoha frantsay teo aloha, Sarkozy, momba ny toerana tànan'ny lehilahy afrikana ao anatin'ny tantara tao anatin'ny kabariny tany Dakar, Ny tantaran'ny kaontinanta afrikana dia rakotra sivilizasiona manan-karena sy olona manana ny maha-izy azy. Saingy io tantara io dia mazàna no tsinontsinoavina tafahoatra na tsy fantatra mihitsy. Ireto ny fandraisana andraikitra vitsivitsy mba hamerenana indray ny tantaran'ny kaontinana

21 Jona 2012

Angola : Ny Mozikan'ny Fanoherana, Androny Tahaka Ny Omaly

Ireo fikambanana mpiaro n y zon'olombelona sy ireo bilaogera dia samy niteny faholo fa tandindonin-doza ny fahalalahana miteny ao Angola, amin'ny alàlan'ireo mafàna fo mpiangaly mozika. Mandritra izany fotoana izany dia natao tao Lisbonne ny fanomezam-bohinahitra ho an'ny mozikam-panoherana angoley izay ny tarika N'Gola Ritmos tamin'ny taona 50 sy 60. Fitetezana ny lasa izay mahatonga ny tena hisaina ny an,kehitriny ara-politikan'i Angola, nefa miha-manakaiky hatrany ny fifidianana.

18 Jona 2012

Pakistana: Mandria Am-piadanana Mehdi Hassan, Mpanjakan'ny Ghazal

Nodimandry ny Alarobia 13 Jona 2012 i Mehdi Hassan Khan, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe 'Mpanjakalahin'ny Ghazal’, taorian'ny aretina nitarazoka tany anatinà trano fitsaboana tany amin'ny tanànan'i Karachi any Pakistana.. Manome ny fanomezam-boninahiny azy ireo mpampiasa aterineto.

17 Jona 2012

Brezila: Mpihira Fanta-daza Manome Voninahitra Ilay Reniny Tsy Manam-paharoa

ilay mpihira Maria Rita dia nanao andianà fitetezam-paritra tao Brezila nanao seho maimaim-poana ho fanomezana voninahitra ny reniny efa nodimandry, Elis Regina, iray isan'ny endrika malaza amin'ireo mpiantsehatra mpiangaly mozika Breziliana. Lasa lohahevitra noresahana be tao amin'ny Twitter nanerana an'i Brezila sy izao tontolo izao ilay izy satria ireo mpankafy n y mpihira roa tonta dia samy nanondraka ny media sosialy tamin'ny fahatsapany avy amin'ilay seho avokoa.

14 Jona 2012

Gresy: Ny Aingam-panahy Ao Ambadik'ilay Sarinà ‘Maenad Maoderna ‘

Nivezivezy eran'izao tontolo izao ny sary iray mampiseho vehivavy tanora iray miboridana ilay sary, sary iray amantarana ny Maenad maoderina [Maenad , vehivavy fahiny mpanaraka an'i Dionysus araka ny lovan-tsofina], mandeha rà eo amin'ny foitrany ary toa mitazona zazakely vao teraka eny an-tànany, ny saina Grika. Ho an'ilay mpaka sary, io dia manasongadina ny toe-javatra ara-psikolojika iainan'ny vahoaka Grika amin'izao fotoana, ny reharehany very sy ny hatezerany, nandritra ny niainany ny krizy.

11 Jona 2012