· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Mey, 2017

Egypta: Nirehitra Ny Teatira Nasionaly

Toa hita fa nahavita namelona indray an'i Néron ny Egyptiana . Ary misy ny lisitra lavan'ireo toerana izay hodoran'ny Néron Egyptiana . Ary nanomboka izany tamin'ny Parlemanta Egyptiana izy herinandro vitsivitsy lasa izay, ary ankehitriny tonga ny fotoana ho an'ny Teatira Nasionaly Egyptiana .

31 Mey 2017

Tontolo Arabo: Ratsy Dikateny Ilay Boky Momba Ireo Arabo Pelaka

Vao nivoaka dia efa nisedra olana ilay boky pelaka voalohany indrindra voadika amin'ny teny Arabo taorian'ny namoahana azy mialoha tamin'ny teny Anglisy. Mitatitra ireo fanehoankevitry ny mpitoraka bilaogy momba ilay boky Gay Travels in the Muslim World i Katharine Ganly, ny dikateniny izay niteraka adihevitra mafana.

30 Mey 2017

Zeorzia: Ny Fahamaroam-Piterahana Masina!

Nitombo 20 isan-jato ny taham-piterahana ao Zeorzia ary nahazo tombontsoa tamin'izany ny Eglizy Ortodoksa ao amin'ny firenena. Ny fampanantenana nataon'ny mpitarika fiangonana Zeorziana amin'ny fanaovana batisa ireo zaza vao teraka no tompon'andraikitry ny fahagagana tamin'ity baby boom nilaina fatratra tao amin'ny firenena Kristianina iray ity. Toa nahagaga ireo bilaogera izany

26 Mey 2017