Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Aogositra, 2021
Taokanton'ny làlana atao hetsipanoherana ao Kazakhstana, lasa mahazatra
Hatramin'ny 2019 nametrahan'i Nazarbayev ny fialàny, nisy hetsika fanoherana vaovao teraka tao Kazakhstana nisafidy ny arabe ho toerana fiadiana. Tamin'ity indray mandeha ity dia trano fampiasan'ny daholobe ao Almaty no lasibatra.
Koety: niteraka tabataba ny fampianarana dihin'ny kibo tao amin'ny toerana iray fanatanjahantena ho an'ny vehivavy, nitondra hatramin'ny firotsahana an-tsehatry ny governemanta
Nampisafoaka ireo mponina fatra-pifikitra amn'ny nentindrazana sy ireo foko ao an-toerana ilay toerana fanaovana fanatanjahantena, ao amin'ny tanàna avaratra ao Al-Jahra. Ho azy ireo dia manitsakitsaka ny soatoaviny sy ny fombandrazany ireo kilasy fampianarana dihin'ny kibo.
‘Mitaky fahafahana 100 isanjato aho’ — Nandao an'i Hong Kong honina any Taiwan ny artista ara-politika iray noho ny famoretana
Notadiavin'i Wong ny hanosehana ny fetran'ny zavakanto ho fomba hananan-kevitra hafa eny an-dalambe ary nanaraka tsy tapaka ny hetsika fanohanana demaokrasia 1 jolay izy
Kazakhstana:Fanafihana vaovao fankahalàna pelaka, nanangona fanohanana an'ireo mpikatroka mafàna fo
Tato anatin'ny telo volana nisesy, in-telo ireo mpikatroka LGBTQ+ no notafihan'ireo hetsika tselatra fankahalana pelaka tany amin'ny tanàna samihafa nanerana an'i Kazhakhstana. Artista iray no nosotasotaina tety anaty tambajotra noho izy nanao sarin'olona roa nifanoroka nefa mitovy fananahana.
Any Zeorzia, voatsikera ny boky nosoratan'ny lehilahy misy tantara hankaherezana vehivavy
Inoana fa nisy ny fikasana tsara tamin'ny "Love yourself," (Tiavo ny tenanao), boky iray ahitana tantaram-behivavy miisa 13 mitantara ny fanilikilihana izay natrehin'izy ireo noho ny sary mampiseho vatana.