Androm-piravoravoana ny volana Desambra manontolo ao Kôlômbia

“Alborada 1 de Diciembre” Saripika an'i Zimonrock Padilla. Miaraka amin'ny lisansa hahafahana mizara azy. https://www.flickr.com/photos/41142886@N04/15741213659

Ankoatra ny fombandrazana rehefa alin'ny Noely, ny 24 hifoha 25 Desambra sy ny fankalazàna erantany ny taombaovao, ry zareo Kôlômbiàna dia mankalaza ny faran'ny taona amina fety telo nentindrazany: ny Alborada Navideña, ny andron'ny labozia ary ny Novena de Aguinaldos

Vao manomboka ny sasakalin'ny 30 Novambra, mifamory tsindrin-daona ireo tanora handray ilay Desambra iray volan'ny fety.  Ny Alborada Decembrina no resaka eto, fankalazàna iray vao haingana, ka mandritra izany dia an-jatony maro ireo olona midina an'arabe mba hanapoaka basy, handefa afomanga ary hitanjozotra anatin'ny fiaran-dry zareo no sady mampaneno anjomara

Ity fombandrazana tena mbola vao haingana ity dia voalaza fa avy amin'ny resaka heloka bevava no nahaterahany, tao anatin'ny fifampiraharahana fandriampahalemana nataon'ny filoham-pirenena tamin'izany fotoana izany, Álvaro Uribe, tamin'ny 2003 niaraka tamin'ireo fikambanana ivelan'ny tafika avy amin'ny elatra farany havanana.

Tamin'ny Novambra 2003, neken'ilay vondrona mpanondrana zavamahadomelina sy mpanohitra-fikomiana “Cacique Nutibara”, izay niasa tany amina kaominina am-polony tao Medellin, ny  sarintsarina dingana iray hametrahana ny fitaovam-piadiana sy hidirana ho ao anatin'ny fiarahamonina sivily. Ny 1 Desambra tamin'io taona io ihany, niaraka tamin'ny firehetana tsy voafehy tamin'ireo vanjan-tafondro, nampahafantarin-dry zareo tamin'ny mponina tao am-bohitra fa izy ireo no nifehy ary mbola teny an-kianja ry zareo. Fomba mitovy tamin'izay nampiasain-dry zareo ihany mba hankalazana ny fahatogavana tsy nisy sakantsakan'ny zavamahadomelina avy any amin'ireo firenena vahiny.

Ny firavoravoana manaraka dia ny andron'ny labozia. Ny 8 Desambra dia androm-pirenena any amin'ireo firenena ao Amerika Latina mankalaza ny dôgman'ny Masina Maria Virijiny tsy misy kilema. Tohanan'io dôgma io ny hoe tsy notorontoronina  tamin'ny ota i Maria, midika hoe noraisiny ny batemin'ny fanafahana amin'ny ota tany am-boalohany vantany vao tonga ny andron'ny kônsepsiôna, ny 8 Desambra, sivy volana talohan'ny 8 Septambra nahaterahany.​

“Labozian'ny krismasy ao Kôlômbia”. Saripika an'i Verygugú. Lisansa azo zaraina. https://openverse.org/image/51788a68-4011-4470-81e3-679cb4a4bb96?q=dia%20velitas%20colombia

Ho an-dry zareo Kôlômbiàna, io andro io dia lasa dingana iray andrehetana amin'ny fomba ôfisialy ny jiro manazava ny tanàna sy ny tsy miankina izay hijanona ho toy izany mandritra ilay vanimpotoana. Manomboka ny alin'ny 7 Desambra ny fankalazana ary arahan'ny fandrehetana labozia ho fitsaohana ilay Virijiny. Ankehitriny, mihamafy ilay fankalazana, miaraka amin'ny fandraisana anjaran'ireo Ben'ny Tanàna, ireo governemanta eo an-toerana sy ireo orinasa tsy miankina, izay mandrehitra ny jiro hanazava ireo lalambe mahazatra sy ireo kianja ao an-tanàna

Raha eny anivon'ny olontsotra indray, ezahan'ireo fianakaviana mba ho efa tafapetraka ny fanaingoana krismasy ao an-tokantranony ary tohizany ny fandrehetana arendrina sy labozia ny 7 sy 8 Desambra. Misy ireo làlana akatona manontolo hanaovana fampisehoana ara-javakanto an'ireo arendrina izay ny endriny dia ny fiarahamonina ihany no efa namaritra azy mialoha. Araka izany, isantaona, ireo mpandalo tonga hankalaza ny fety mba hizaha ireo haingo eo amin'ny vohitra sy ny tanàna misy an-dry zareo dia mitolagaga noho ny fahaiza-mamorona.

“Mihinana” avy amin'i Julián Hoyos. Lisansana ahafahana mizara azy. https://www.flickr.com/photos/77686714@N00/2119203968

Manaraka avy eo ny Novena de Aguinaldos, vavaka iray namboarina hifanaraka amin'ny ao Kôlômbia, izay ventesina manomboka ny 16 Desambra, sivy andro mialoha ny Noely. Amin'izao fotoana izao, lasa malaza be ho toy ny hetsika sôsialy izy io, izay manangona ireo rehefa taranaky ny ankohonana ho ao an-tokantrano, ny mpiara-miasa ao anatin'ny orinasa misy azy ireo ary ireo vondrom-piarahamonina any amin'ireo valanjavaboary sy ireo Toeram-pivarotana lehibe. Aorian'ny vavaka, mihira ireo hiran'ny Noely ny ankizy ary, amin'ny faran'ny fankalazàna, misy ny fandrosoana ireo fombandrazana fiaraha-misakafo ho an'ny vanim-potoanan'ny Noely, toy ny ‘crème’ anglisy sy ny 0buñuelos.

Na ahoana na ahoana, ny iraisan'ireny fankalazana rehefa fotoanan'ny Noely ireny dia ilay sakafo nentindrazana ifampizaràna, toy ny ‘crème’ anglisy, ronono nomamiana sy natavezina tamin'ny vovon-katsaka ary nasiana panela (fary); izay arahana amin'ilay tsy afa-misaraka aminy, ireo ‘beignets’, lafarinina nendasina sy bolabolana frômazy nolovaina avy amin'ny haify tao Mediteranea. 

Ary satria moa Kôlômbia no resahana, miafara amina dihy daholo ny hetsika sôsialy rehetra. Araka izany, mandritra ny fitandrozorana, amin'ny alàlan'ny fitazonana ny afon'ny labozia tsy ho faty, sy any am-paran'ny sivy andro nivavahana, tsy maintsy mihaino ireo hira malazan'ilay fety, toy ny Ron pa´todo el mundo kaloin'ireo Kôlômbiàna feno fireharehàna, ny vallenatero Diomedes Diaz sy salsero Joe Arroyo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.