Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Oktobra, 2017
Karatra Paositaly Avy Any Congo
Mora ny mifantoka fotsiny amin'ny rivotra mifamahofaho ara-politika ao RDC miaraka amin'ny fifidianana , ny fanambaràna ny fihodinana faharoa, ny fifandonana nahery vaika teo amin'ny kandidà ho filoham-pirenena roa tonta. Na izany aza, maro ireo bilaogera ao Kongo no nanoratra momba ny zavakanto, kolontsaina sy ireo fomban'izao tontolo izao hafa...
Egypta : Lalao Video Manavakava-bolonkoditra
Lalao video antserasera izay navoaka vao haingana ny Muslim Massacre (Fandripahana Miozolomana) ary ahitana ny mpilalao mampiasa ireo karazana fitaovam-piadiana mba hamonoana Miozolomana maro sy olo-malaza Miozolomana araka izay azo atao, anisan'izany i Allah ilay mahery indrindra. Naneho hevitra momba izany ireo bilaogera Egyptiana.
Taïwan : Nopotehina Ireo Trano Miendrika “OVNI”
Nanazava tao anatin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny bilaoginy i avant tamin'ny 3 Jolay 2008 fa harodana ireo trano malaza miendrika ovni ao amin'ny torapasika fitsangatsanganana ao ambanivohitr'i Taipei, ao Taiwan..
Arabia Saodita: Fantsom-pahitalavitra Amin'ny Teny Persiana Ho An'ny Iraniana
Orinasam-pahitalavitra mandeha amin'ny zanabolana Saodiana ny MBC , fantatra eo amin'ny tontolo Arabo noho ireo fantsona fialamboly sy noho ny fantsom-baovao Al-Arabiya . Nanomboka nanokatra fantsona vaovao tamin'ny 9 Jolay 2008 ity orinasa ity, MBC Persia, izay ahitana sarimihetsika amin'ny dikanteny Persiana [farsi].
India: Fankalazàna ny Taombaovao
Raha liana ny hijery ianao hoe mitovy amin'inona ny fety fankalazàna ny puja any Bangalore , dia afaka mahita lahatsary maro ao amin'ny Youtube.
Bangladesh : Ambaran'Ilay Oliravina Teo Aloha Voatsipaka Fa Sisampatin'ny Fampanambadiana Ankizy Izy
"Odianareo tsy hita ny marina fa sisampatin'ny fampanambadiana ankizy izy ary tonga mpilatro sy mpitaingina môtô ikoizana tsy nisy fanohanana avy amin'ny fianakaviana. "
Sodàna: Ireo Heloka Bevavan'ny Ady ao Darfour, Ny USS Cole, Taovolo Iray Lamaody Ary Mbola Betsaka Koa
"Ankehitriny, azoko antoka 100% fa nataon'i Etazonia lasibatra ny fireneko. Hatramin'ny nilazàna fa tsy nahomby ny tetikadin'i Darfour, mampiasa hevitra hafa izy ireo mba hangejana ny governemanta. Nahoana i Etazonia no tsy mandoa ireo onitra sy ireo tombontsoa mikasika ny daroka baomba tamin'ny orinasa Al Shifa, tamin'ny taona 1998? Hitan'ireo masoko tsara ny balafomanga namakivaky ny habakabaka!"
Notoloran'ny Wikipedia Okrainiana Loka Ireo Nandresy Tamin'ny Fifaninanan-tsary ‘Wiki Mankafy ny Tany’
Nahitana mpandray anjara miisa 356, sary miisa 15.000 teo ho eo ary lova voajanahary miisa 1.860 mahery ny ampahany tamin'ny fifaninanana manerantany Okrainiana .
Azo Jerena Antserasera Ny Sarimihetsika , Lahatsary Fanadihadiana Sy Sarimihetsika Fohy Shiliana Miisa 1000 Mahery
Curious about Chilean cinema and culture? Look no further! Mahaliana anao ve ny sarimihetsika sy ny kolontsaina Shiliana? Aza mitady lavitra intsony!
Ny Fomba Fijerin'ny Bilaogera Momba Ny Fetiben'ny Sarimihetsika Sanfic Tao Shily
Fetiben'ny sarimihetsika iraisam-pirenena ao Santiago ny Sanfic izay natao tamin'ny faha-8 ka hatramin'ny faha 12-n'ny volana Aogositra. Nandray anjara tamin'ny fampirantiana ny firenena avy amin'izao tontolo izao, toa an'i Filipina, Kanada, Frantsa, Alemana, Thailandy, Meksika ary ny maro hafa.