· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Janoary, 2013

Adin'ny Graffiti Eny Amin'ireo Rindrina Syriana

Afaka raisina ho toy ny tsy fanarahan-dalàlan'ny olom-pirenena syfanehoan-kevitra milamina ny Graffiti. Na manana ny lanja manokana eo amin'ny fanampiana ireo sahirana aza ny Hetsi-panovàna Syriana; fanovàna manana endrika kanto izany. Iray amin'ireo fomba fampiasan'ny olombelona indrindra ny Sary hosodoko hanehoany ny heviny; izany no fomba haingana indrindra hanehoana hevitra na hampifandraisana ny olona amin'io hevitra io. Jereo ny fomba fampiasan'ny Syriana ny fahaizany mamorona eo amin'ireo rindrin'i Syria.

31 Janoary 2013

Ny Taokanton'ny Fanoherana Ao Shina, Mihoatra Lavitra An'i Ai Weiwei

Lasa malaza ao Shina ny endri-panoherana atao amin'ny endrika taokanto. Ity lahatsoratra ity dia mitondra ny mpamaky hijery ireo hetsika kanton'ny tarika - Made-in-J Town - izay nanao seho maro tamin'ny alàlan'ny vatany tao Shandong tamin'ny 2008, taonan'ny Olaimpika tao Beijing sady taona niatrehana famoretana henjana ho an'ireo feo manohitra.

24 Janoary 2013

“Ny fanjaitra” Tantara Iray Hafa Mikasika Ny Vondrom-piarahamonin'ireo Nanova Taovam-pananahana Any Porto Rikò

Matetika amin'ny alina no mivenjivenjy manao ny asany eny amin'ny sisin-dalan'ny tanan-dehiben'i San Juan, ireo mpikambana avy amin'ny vondrompiarahamonin'ireo 'trans' (olona nanova taovam-pananahana) ao amin'ny faritr'i Santurce avy any Porto Riko.“Ny fanjaitra”, fanadihadiana iray vaovao tarihin'ilay mpamokatra horonantsary iray avy eo an-toerana antsoina hoe Carmen Oquendo-Villar, izay tsy miompana loatra amin'ny zava-mitranga eny an-dalana; fa mifantoka kosa amin'ny endrika ambadiky ny sehatra dia ny hatsaran'ny asa hita eny an-dalana izay ametrahan'ireo mpiasan'ny sisin-dalana fitokisana.

23 Janoary 2013

Tenifototra Fankahalàna Manonjanonja Ao Amin'ny Twitter

Nanonjanonja tao amin'ny Twitter nandritra ny andron'ny Sabotsy 22 Desambra ny tenifototra #SiMonFilsEstGay. Fandrisihana ny olona hankahala ireo olona mitovy nefa mifanambady, mody ampiarahana amin'ny hanihany diso toerana izay ny tena fototra dia ny hanomezana izay heverina ho sazy sahaza ny zanaka lahy raha toa izy ka mpitia lehilahy toa azy.

17 Janoary 2013

Mampiakatra Ny Feo Ny Fanaovan-Tsonia Boky Tanaty Fahanginana Tao Shina

Tsy ela akory izay i Li Chengpeng, bilaogera iray sady tsy mataho-maso mena manao kiana ara-tsosialy, dia namoaka boky iray vaovao: Mahafantatra izao tontolo izao [zh]. Fantatra ihany koa amin'ny maha-mpikabary imasom-bahoaka mahay mandresy lahatra azy, nanao kabary iray sahisahy mikasika ny fahalalahana miteny i Li tamin'ny Novambra lasa teo tao amin'ny anjerimanontolon'i Beijing, sangany ao Shina. Raha kabary hafa no nandrasan'ireo mpanatrika tamin'ilay hetsika fanaovan-tsonia (dédicace) ny bokin'i Li tao an-tanànany ao Chengdu, faritanin'i Sichuan, Shina ny 12 Jan 2013, dia Li tsy niloa-bava sy misaron-tava no hitan'izy ireo. Nosivanina noraràna ny kabariny.

14 Janoary 2013