· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Novambra, 2018

Sahara Andrefana: Fampisehoana Ny Tontolombolongana Sahraouie

Ny 5 Jolay 2008, nanomboka nandrakotra ny tontolombolongana tao Sahara ny Global Voices niaraka tamin'ny lahatsoratra iray momba ny fahitalavitra vaovao alefa amin'ny zanabolana [teny anglisy] ao amin'ny faritra. Io lahatsoratra io, an'i Yazan Badran, dia mifantoka amin'ny ampahany miteny arabo ao amin'ny tontolombolongan'i Sahara. Tsy ela dia narahina iray hafa izy io, an'i Renata Avila, mikasika ny poezia sy ny teny espaniola [teny frantsay], mampiseho an'ireo Sahraouis izay manao blaogy amin'ny teny espaniola. Samy nampisy fanehoankevitra marobe avokoa izy roa ireo, na tsara na ratsy.

30 Novambra 2018

Na dia eo aza ny fandrahonana amin'ny fisamborana, dia lasa nalaza tao Thailandy ny hira rap mitsikera ny fitondrana miaramila

As a response to the 40-million-view music video, the Thai government launched its own rap song celebrating innovation and progress (it flopped). Ho setrin'ny lahatsarin-kira nahasarika mpijery miisa 40 tapitrisa dia namorona ny hirany rap manokana ny governemanta Thailandey  izay mankalaza ny fanavaozana sy ny fandrosoana (tsy nahomby).

28 Novambra 2018

Foaram-bokin'ny bilaogera Ejipsiana

Nataon'ny bilaogera ejipsiana nitafiotra ny foaran'ny boky iraisampirenena ao Kairo taona 2009 tamin'ny famoahana lohateny vaovao miisa 15. Taterin'i Marwa Rakha ihany koa ny fanomanan'ny bilaogera fitsidihana iraisana amin'ilay lanonana mpitranga isa-taona.

26 Novambra 2018

Arzantina: 20 taonan'ny sarimihetsika sy sarimiaina “El Mate” maimaim-poana any an-tsekoly

Nandritra ny 20 taona mahery, ankizy sy zatovo Arzantiniana an-jatony maro no nianatra momba ny fanaovana horonantsarimihetsika sy sarimiaina izay tafiditra ao anatin'ny fandaharana Taller de Cine El Mate, ary ahafahan'ireo ankizy avy ao amin'ny kaominina Vicente López ao Buenos Aires mandray anjara sy mitrandraka ny dingana fanaovana filma maimaim-poana.

26 Novambra 2018

Japana : Ny Fankafizàna Saka

Ao Japana, tsy ny fanalana andro ihany no lohahevitra hany resahana ao anaty aterneto : Ny fitiavana ny biby naman'ny olombelona no resaka isan'ny tena malaza anaty blaogy. Ny saka, indrindra indrindra, dia maka ny laharana voalohany amin'ny filaharan'ny “blaogy momba ny biby”

20 Novambra 2018