
Pikantsary avy amin'ny fanadihadiana “Mosary” teo amin'ny fantsona Youtube Current Time
Fanadihadiana iray milazalaza ny mosary tamin'ny taona 1921 hatramin'ny taona 1923 tao amin'ny faritr'i Volga sy ny tany ivelany no noraran‘i Rosia noho ny antony tsy fantatra. Araka izay notaterin‘ny Deutsche Welle, “ny anton'ny fanafoanana ny sertifika ahafahana mandefa azy dia noho ilay sarimihetsika nisy” an'ireo vaovao izay voararan'ny lalànan'ny Federasiona Rosiana ny fampielezana azy” ; na izany aza anefa, ity fanapahankevitra ity dia tsy mamaritra hoe vaovao iza no heverina ho voarara manokana.
Faritan'ilay horontsary mitondra ny lohateny hoe “Mosary” ny ezaka nataon'ireo fikambanana mpanao asa soa sy governemantaly avy any Etazonia sy Eoropa mba hamonjena olona nanodidina ny 11 tapitrisa tao Rosia nandritra io mosary nataon'olona io.
Ho setrin'ny fandraràna nataon'ny governemanta, ireo telo namokatra ilay sarimihetsika, ny tale Alexander Arkhangelsky, ny mpanao gazety Maxim Kournikov sy Tatiana Sorokina, dia namoaka ilay fanadihadiana nataony teo amin'ny YouTube ho azo jerena.
Teo amin'ny tantaran'ny Firaisana Sovietika dia nisy mosary efatra. Ny mosary tamin'ny taona 1921-1923 izay antsoin'ny rehetra hoe mosary tany amin'ny faritra Volga, no tena nidadasika kokoa : niainga tao Okraina hatrany Daghestan, avy any amin'ny faritr'i Volga hatrany amin'ny faritra atsimon'i Oural, sy i Kouban, ary ireo faritra Kozaka. Saingy ny tena ivo, mazava ho azy, dia ny faritra Volga sy Oural.
Ny mosary faharoa dia ny mosary Kazaka tamin'ny taona 1930-1931. Mosary nahatsiravina izay niantraika tamin'ny 40 isanjaton'ny mponina. Mariho tsara fa tsy nilaza aho hoe maty daholo ireo olona ireo. Nanjavona ny efapolo isan-jaton'ny mponina. Ny ampahany maty, ny ampahany nankany Shina, ny ampahany nifindra tany amin'ireo firenena hafa.
Ny mosary fahatelo dia ny tamin'ny taona 1932-1933, fantatr'izao tontolo izao noho ny ezaky ny diaspora Okraniana, Holodomor. [Tao anatin'ny famahana olana noraisina tamin'ny 15 Novambra 2022, neken‘ny Parlemantera Eoropeana ho tahaka ny fandripahana olona faobe ny mosary napetraky ny fitondrana Sovietika tany Okraina tamin'ny taona 1932-1933.]
Ary ny mosary fahaefatra dia ny tamin'ny taona 1946-1947, taona taorian'ny ady, izay efa tena adinontsika tamin'ny ankapobeny”, hoy Arkhangelsky nanampy tao anaty tafatafa nifanaovany tamin'ny haino aman-jery an-tambajotra “Pravmir“. Nisy ihany koa ny tantaran'ny fahirano nanjo an'i Leningrad, hoy izy nanasongadina sady nanampy fa : “Ny fanadihadiana nataonay dia mikasika ny mosary voalohany tamin'ny taona 1921-1923, ilay tany Volga, ary mikasika ny ezaka iraisam-pirenena mba hanampiana ny mponina.” Olona dimy tapitrisa sy sasany no maty tamin'io mosary io, saingy maherin'ny 11 tapitrisa ihany koa anefa no voavonjin'ireo fikambanana mpanao asa soa avy any ivelany. Io ihany koa no mosary voalohany tamin'ny tantara izay voarakitra anaty fanadihadiana.”
Voarara amin'izao fotoana izao ilay sarimihetsika tsy ho azo alefa any amin'ny efitrano fijerena sarimihetsika any Rosia. Tamin'ny 14 Febroary, “nofoanan”ny minisitry ny Kolontsaina ny fanapahan-kevitra ahafahana manaparitaka ilay sarimihetsika. Nanoratra teo amin'ny Facebook i Arkhangelsky hoe:
Karazana lalàna toa inona no mandrara ny firesahana ny zavanisy momba ny mosary tamin'ny taona 1921-1923 ? Hoe olona maherin'ny dimy tapitrisa no maty ? Fa izao tontolo izao (tsy ny rehetra, raha ny marina) no tsy niraharaha izay ideôlôjia ary naneho firaisankina tamin'ireo mponina nijaly tao Rosia ? Ary noho izany dia maherin'ny folo tapitrisa no voavonjy ? Famadihana ny tantarany manokana izany, famadihana ny fahatsiarovan'ny fianakaviana.
Ny fandraketana an-tsary ilay fanadihadiana dia tontosa noho ireo fanomezana nangonina teo amin'ny aterineto, avy amin'ny olon-tsotra tamin'ny taona 2021. Hatreto dia any an-tsekoly sy ny mozea ao Rosia ihany no afaka atao ny fandefasana azy ho an'ny daholobe.
Tononkalo nosoratan'i Yulia Yagudina teratany Bashkir, avy ao amin'ny tanàna Burungul any Bashkortostan, repoblika mizaka tena an'ny faritr'i Oural any Rosia no manokatra ilay sarimihetsika fanadihadiana. Resahan'ilay tononkalony ny mosary ny izay nahatonga ny olona hifampihinana sy ny fatin'ireo ankizy mivangongo ao anaty lavaka nolavahana.

Pikantsary avy amin'ilay fanadihadiana “Mosary” ao amin'ny YouTube.
Avy eo ilay fanadihadiana dia nitohy tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ireo mpahay tantara avy any Rosia (tany Orenburg, Chelyabinsk, Kazan, Saint-Petersburg sy ireo faritra hafa), Etazonia sy ny Vondrona Eoropeana izay mizara ny zava-misy mikasika io mosary io: “Manana angondrakitra avy amin'ireo toerana fitaizana zaza kamboty izahay… Tamin'izany vanim-potoana izany, ny taham-pahafatesana dia nahatratra 90 isan-jato : navondrona tany avokoa ireo ankizy raha ny tena izy, ary maty fotsiny tany izy ireny”, hoy ny fanazavan'i Dmitry Safonov. “Raha ara-jeografika, ity mosary lehibe ity dia nivelatra nandrakotra avy any Okraina ka hatrany Oural, avy any Saint-Petersburg ka hatrany North Caspian Sea, izay faritany maherin'ny iray tapitrisa kilaometatra toradroa”, hoy ny fanazavan'ilay Amerikana mpahay tantara, Douglas Smith.
Nitanisa tatitra tsiambaratelo iray nalefa tamin'i Lénine ihany koa ilay fanadihadiana :
Nanao tatitra ho an'i Lénine ireo manampahefana tao amin'ny faritr'i Samara : misy olona mandositra avy ao amin'ny faritany. Tsy misy mofo tavela intsony, mikatona ny toeram-pisakafoana tantanim-panjakana ary tsy manan-kohanina ireo ankizy any amin'ny fitaizana zaza kamboty. Misy valan'aretina kôlerà, feno mpitsoa-ponenana ireo tobim-piantsonana sy seranan-tsambo.

Pikantsary ahitàna ireo mpitsoa-ponenana ao amin'ny faritr'i Samara, nalaina avy tamin'ny fanadihadiaa “Mosary” teo amin'ny YouTube.
Nisy antony maro no nahatonga io mosary io : ankoatra ny Ady Lehibe Voalohany (1914-1918) sy ny ady an-trano Rosiana (1918-1920), dia tsy tapaka nogiazan'ireo Bolsevika ny sakafo avy amin'ireo tantsaha, izay nitarika azy ireo ho tezitra tsy hanome vokatra betsaka kokoa noho izay nilaina ho an'ny ankohonany, izay nogiazana ihany koa. Maxim Gorky, Sovietika mpanoratra, dia niangavy fanampiana tamin'ny “vahoakan'i Eoropa sy Etazonia”.

Sary peta-drindrina mikasika ny mosary tany Volga, miantso vonjy. Pikantsary tamin'ny fanadihadiana “Mosary” teo amin'ny YouTube.
Herbert Hoover, Sekreteran'ny Varotra Amerikana tamin'izany fotoana izany, dia nandefa iraka vonjy aina (narahany fepetra famotsorana an'ireo Amerikana gadra tany Rosia Sovietika sy fiantohana maimaimpoana ny fivezivezena ho an'ireo iraka mpanao vonjy aina). Ireo sambo mpitatitra sakafo sy fanafody dia naterina tamin'ny alalan'ny fitaterana an-drenirano nankany amin'ireo tanàna lehibe Rosiana : Saint-Petersburg, Kazan, sy ny hafa. Raha atambatra ny fitantanana maha-olona Amerikana dia nandany robla 137 tapitrisa (manodidina ny 2,2 miliara dolara amin'ny sandany ankehitriny) mba hanomezana sakafo tao anatin'ireny iraka ireny ; ny governemanta Sovietika dia nandany robla 9 tapirisa (na 144 tapitrisa dolara).

Pikantsary avy amin'ny fanadihadiana “Mosary” teo amin'ny YouTube.
Izay mahasamihafa ny iraka Amerikana dia ny tsy fiononana fotsiny tamin'ny fizarana sakafo ; nikarakara toeram-pisakafoanana ihany koa izy izay tsy maintsy nalehan'ireo ankizy mba hihinana ny sakafony. Ny tanjona dia ny mba hamonjena ireo zandriny indrindra. Ny tantsaha, miaraka amin'ny fahatakaran-dry zareo manokana ny firafitry ny fianakaviana nentim-paharazana, dia efa zatra tamin'ny hoe ankizy marobe maty ary tsy nahafantatra izay antony hanomezana sakafo ireo marefo kokoa nefa ireo izay afaka miasa dia mila sakafo bebe kokoa. Indraindray dia mitondra sakafo mody any an-trano ireo ankizy nafangaro ahidratsy na tanimanga, mba haharitra ela kokoa.

Pikantsary avy amin'ny fanadihadiana “Mosary” teo amin'ny YouTube.
Fridtjof Nansen, mpikaroka tany an-tendron'i Norvezy, mpanao soa sady nahazo ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana tamin'ny taona 1922, dia tonga tany Samara ary naka sary ilay loza mahatsiravina, ny olona maty, ary nanangona robla volamena manodidina ny antsasaka tapitrisa ( 8 tapitrisa dolara tany ho any amin'ny sandany ankehitriny) avy tamin'ireo fikambanana mpanao asa soa isan-karazany tany Eoropa. Nampiany tsy nasiana fepetra nialoha ireo olona, ary nampian'ilay iraka niasàny ihany koa ireo olon-dehibe.

Pikantsary avy amin'ny fanadihadiana “Mosary” teo amin'ny YouTube.
Araka izay hita tao anatin'ilay sarimihetsika, ny tatitra Sovietika dia nilaza fa ratsy indrindra ny toe-javatra tao amin'ny tanànan'i Busuluk sy ny manodidina ny vohitr'i Orenbourg. Nohanin'ny olona avokoa ireo biby fiompy rehetra, anisan'izany ny saka sy ny alika, ary betsaka ny trangana fihinana olona, rehefa nohanin'ny olona ny vatan'ireo nodimandry.

Pikantsary avy amin'ny fanadihadiana “Mosary” teo amin'ny YouTube.
Tsy voafetra tamin'ny fanolorana sakafo ho an'ireo ankizy ny fanampiana Amerikana. Nanampy koa an'ireo mpampianatra, ny toeram-mpampianarana sy ny hopitaly tamin'ny alalan'ny fanomezana fitaovana, fanafody sy vakisiny. Ankoatra ny fikambanana Amerikana misahana ny maha-olombelona dia nisy koa ireo fikambanana sy fandraharahana hafa tonga nanampy, anisan'izany ny Quakers.

Pikantsary avy amin'ny fanadihadiana “Mosary” teo amin'ny YouTube.
Na dia nankalazaina tany Rosia aza ny fanampiana nataon'i Nansen ary nisy ny tsangambato tany amin'ny faritra Saratov natokana ho an'ilay mpisavalàlana, tsy nomena lanja araka ny tokony izy velively ireo ezaka nataon'i Etazonia hanampiana tamin'ny fanalefahana ilay mosary izay naharitra ela sy lalimpaka. Farafaharatsiny olona 11 tapitrisa no voavonjy tamin'ireo ezaka ireo tamin'io vanim-potoana io.

Pikantsary avy amin'ny fanadihadiana “Mosary” teo amin'ny YouTube. Hoy ny soratra “misaotra Amerika, noho ny famonjena anay tamin'ny fahafatesana”
Tsy nahazo alalana avy tamin'ireo manampahefana Sovietika intsony mihitsy ny fanampiana iraisam-pirenena, na ho an'ny mosary tao Kazakstana tamin'ny fiandohan'ny taona 1930, na ho an'i Holodomor tao Okraina tamin'ny taona 1932-1933.
Ny May hatramin'ny Desambra 2022, fampirantiana iray tao amin'ny The Herbert Hoover Presidential Museum (USA) no nampiseho ny tantaran'ny fitantanan-draharahan'ny vonjy taitra Amerikana, izay nanome sakafo sy famonjena ara-pahasalamana nandritra ny mosary Sovietika tamin'ny 1921-1922.