Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Febroary, 2011
Azerbaijan: Miala amin'ny karipetra mankany amin'ny bàn-kiraro
Voasoratra ao anatin'ny Lisitry fanehoana ny Kolotsaina Nolovaina hatramin'izay tsy mety miovan'ny taranak'olombelona (Representative List of the Intangible Cultural Heritage of Humanity) tamin'ny herintaona izay nokarakarain'ny UNESCO ny karipetra avy any Azerbaijan. Misarika ny fijerin'ny mpitoraka bilaogy ihany koa izy ireo matetika.
Ejipta: Ilay lehilahy ao an-damosin'i Omar Suleiman
Na dia ny revolisiona aza tsy nahasakana ny fahaiza-mampihomehy Ejiptiana. Amin'izao fotoana izao, efa malaza toa ny Kianja Tahrir ilay lehilahy mijoro aorian'ny filoha lefitra Omar Suleiman.
Video: Ireo fanatanjahantenan'izao tontolo izao sy ireo lalao lalaovin'ny olona
Ireo tehina, ganagana , fatim-biby, soavaly, famelezana sy ny dihy dia samy manana zavatra iombonana: samy singa ampiasaina amin'ireo fanatanjahantenam-pirenena eran-tany izy ireo. Ireo horonantsary androany dia mampiseho antsika sombintsombiny mikasika ireo fanatanjahantena sy lalao izay lalaovin'ny olona any amin'ireo faritra samy hafa eran-tany.



