· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Oktobra, 2012

Porto Rico: Fomba Hafa Iandrandràna

Namoaka sarim-piaramanidina ao amin'ny kaontiny Instagram efa nihoatra ny enim-bolana izao ilay artista an-dalambe sady mpaka sary Porto Rikana Enrique Arce, izay fantatra amin'ny maha Aslan azy, (@ASLANTWIT) ary ao anatin'ny andiany "#parriba" (fiandrandràna) no hanaovany izany

29 Oktobra 2012

Madagasikara : Miaro ny Vako-Pirenena Amin'ny Alalan'ny Fandraketana Ny Haino Aman-Jery

Mampiady hevitra matetika ny tantaran'i Madagasikara noho ny antony samihafa: tsy fifanarahan-kevitra tamin'ny fizotran'ny voina manan-tantara, fomba fijery voafetran'ny fitenim-[pirenena] [mg], na ny famotehana ny arsivan-tantara rehefa misy ny krizy politika. Misy fandraisana an-tanana ataona fikambanana iray ho fandraisana anjara amin'ny fandraiketana ho nomerika ny tahirin-kevitra haino aman-jery amin'ny tantaran'i Madagasikara.

20 Oktobra 2012

Frantsa : Olan'ny Fahazoan-dàlana Nanamaloka ny “Black Fashion Week”

Mba hanehoana amin'izao tontolo izao ny hamaroana lafy sy ny dindon'ny asa famoronana avy amin'ny tany afrikana eo amin'ny filatroana amin'izao fotoana, ilay Senegaly vavy mpampiakanjo, Adama Paris, dia niketrika ny "Black Fashion Week" (Herinandron'ny Haingo Mainty) izay natao tao Dakar (Sénégal) nandritra ny 10 taona. Ny andiany voalohany dia natao tany Prague tamin'ny Novambra 2011.

09 Oktobra 2012

Kenya: Afaka Mividy Antsika Ny Vola Hoy Ny ‘Campus Divas for Rich Men’

Ny "Campus Divas For Rich Men" (Kalamanjan'i Campus ho an'ireo Lehilahy Manan-karena) dia pejy irao ao amin'ny Facebook natokana hanjonoana ireo tovovavy Kenyana mbola mpianatra ary latsaky ny 26 taona hiaraka amin'ireo lehilahy manan-karena, anatin'ny sokajin-taona rehetra. Ny adihevitra mikasika ilay pejy dia nampipongatra ny olana tahaka ny fanarahamaso ny tambajotra sosialy, VIH/AIDS, finoana sy fomban-drazana Afrikana, ny vintana ho an'ireo tanora Keniana, ny fahantrana, ny fitiavam-bola tafahoatra ary ny tsindrin'ireo mitovy amin'ny tena eo amin'ny samy Keniana mpianatry ny anjerimanontolo.

09 Oktobra 2012