Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2016

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Desambra, 2016

29 Desambra 2016

Taombaovao Mankalaza Ny Fimaroana ao Bangladesh: Raki-Peo Mankany Amin'ny Lalina

Saingy misy amin'ity jerena ho toy ny lanonana an-dalambe fotsiny ity no mametraka azy ho fahaiza-mamorona mampijoro ny firaisankina -- sy miady amin'ireo herin'ny tsy fahazakana miezaka mitady izay hampisaraka sy hangeja ny Bangladeshis.

16 Desambra 2016

Mbola Manohy Manao Sary Ny Famoretana Atao any An-tànanany Ihany Ilay Venezoelana Mpanao Saritatra Voatery Nandeha an-Tsesitany

Nandritra ny efa ho 20 taona teo, Lasa anton-dresaka sy tsy maintsy jerena isan-kerinandro tao Venezoela ireo kisarisary ara-politikan'i Rayma Suprani. Fa tsy tia azy ireny ny governemanta Maduro ka nanery azy handeha hanao hiaina an-tsesitany.

14 Desambra 2016

Mpialokaloka ao Etazonia Mamelona Hira Nentin-drazana Amin'ny Alalan'ny Hiran'Ankizy

Nanonofy hevitra ny mpihiram-bahoaka ao amin'ny Mozea ara-java-kanto iray ao Erie ao amin'ny fanjakana Amerikana, Pennsylvania: manampy ny mpitady fialokalofana hahazo asa sady miara-miasa amin'izy ireo mba hitahiry ny hiran'izy ireo.

09 Desambra 2016

Ny Tsy Tokony Hanatsatohanao Hazokely Ao Anaty Loviam-bary, Na Finoanoampoana Hafa Ao Vietnam

"Izaho manokana tsy mahafantatra raha toa mety hitondra loza ilay finoanoampoana, saingy tohizako hatrany ny misoroka azy satria raisiko ho toy ny tsy fahaizana miaina ny mankahatra azy."

08 Desambra 2016

Mitohy Ny Fanao Makedoniana: Manentana Ny Ady Amin'ny VIH/SIDA Ny Fanisanandron'ny Twitter Miboridana

Te ho alaina sary miboridana hanaovana asa fanasoavana ve ianao? Manao izany isan-taona ireo mpisera Twitter Makedoniana ary manentana momba ny ady amin'ny VIH/SIDA ny andiany 2016.

“Resaka” Naharitra Ampolony Taona Teo Amin'ireo Mpiangaly Rock Yogoslavy sy ny Poloney

Na dia tsy matetika loatra aza ny fifamatorana ara-kolontsaina eo amin'ny firenena niteraka an'i Yogoslavia sy Polonina, misy ny endri-pifandraisana iray miavaka. Nandritra ny efapolo taona farany, namorona tetezana manokana nampifanakaiky ny olona ao amin'ireo firenena ireo ny mozika rock.

06 Desambra 2016

Mahaliana Anao Ve Ny Feminisma Ara-kolontsaina ? Tongava hanatevin-daharana!

Manolotra lahatsoratra 70 amin'ny teny Espaniola ny bilaogy Peroviana miompana amin'ny fampielezana ny fanabeazana ka azo trohana ato amin'ny aterineto izany.

05 Desambra 2016

Karazam-Pihetseham-po Manoloana ny Teatira Vaovao Ao Podil, Kyev

Akon'ny RuNet

Nankasitraka sy nihorakoraka tamin'ny fampisehoana ny "Trano fanaovana fampisehoana tantara an-tsehatra" ao amin'ny iray amin'ireo arabe tranainy indrindra ao an-tanandehibe ireo mponina ao Kyev.

Tantara, Tambajotra Sy Sarin'ny Fikambanana Izay Mety Hanova Ny Fomba Fiainana Ao Caracas

Moa ve ireo olona ao anaty vondrona kely afaka manova ireo tantara ao an-drenivohitra Venezoelana ? Milaza mazava hoe eny ireo fikambanam-piarahamonim-pirenena .

01 Desambra 2016

Miverina ao amin'ny Fahitalavitra Rosiana ny Fanalàna Ara-politika, Tsy Nombàna na iza na Iza

Akon'ny RuNet

Zavatra ahitan-doza any Rosia ny fandrabirabiana ara-politika, raha toa ka efa maherin'ny am-polo taonany izay no nisehoan'ny fandrabirabiana farany tsy misy fiafarany natao tao amin'ny fandaharana fahitalavitra.