Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2010

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Marsa, 2010

16 Marsa 2010

Miteraka fikorontanana ny tantara “fanampiana ho an'ny fitaovam-piadiana” Etiopiana

Niteraka fikorontanana be ny BBC tamin'ity herinandro ity noho ny tantara iray milaza fa nampiasain'ireo mpihoko nividianana fitaovam-piadiana ireo dollar an-tapitrisany maro nalefa hanampiana ireo fianakaviana tratran'ny hanoanana tany Etiopia tamin'ny taona 1980. Nanohitra izany tantara izany ireo mpihoko, izay manjaka ao amin'ny governemanta Etiopiana, sy ireo vondrona sasantsasany mpanao...

15 Marsa 2010

Ejipta: Hosakanana ve ny Skype!?

Mandeha ny resaka fa hoe hosakanan'ny governemanta Ejiptiana ny Skype. Maneho hevitra momba izay vaovao tsy voamarina izay ny mpitoraka blaogy maro ao anatin'ity lahatsoratra ity.

13 Marsa 2010

Manangam-peo hanohitra ny famehezam-bava ireo mpanoratra anivon'ny Global Voices

The Internet is the tool most feared today by the elites, the media and by the power. It empowers those who otherwise would remain forgotten, oppressed. It is a weapon that gives ammo to those who are protesting for justice, equality and freedom and that shakes the structures of the...

11 Marsa 2010

Shina: Tantara foronina voalohany @ Twitter

Nilaza tao amin'ny bolongany i Lian Yue, mpampianatra teo aloha sady mpitsara ihany koa teo aloha fa efa mpamaham-bolongana malaza sy mpanadihady politika any Shina, fa hanomboka hanoratra tantara foronina iray mitondra ny lohateny hoe 2020 izy amin'ity volana ity. Araka ny nolazainy ihany moa dia tsy hifarana ity tantara...

10 Marsa 2010

Però: mpanamory lasa olo-malazan'ny aterineto

Noho ny fomba fiteny fiarahabana miavaka nataony tamin'ny 20 desambra 2009 voarakitra an-dahatsary, dia nahasarika olona maro dia maro any Però hijery azy ao amin'ny Youtube  ny lehiben'ny sidina (commandant de bord) iray ao amin'ny TACA, César Soto. Nilaza izao teny manaraka izao i Soto rehefa nipetraka minitra vitsivitsy tao...

05 Marsa 2010

Maraoka : Ka ny bolongan'iza ary no BOMB e?

Ny fifaninanana Best Of Morocco Blog,[Bolongana Maraokana Tsara indrindra] na ny BOMBies, no fifaninanana famahanam-bolongana fanao isan-taona farany indrindra. Mifantoka amina bolongana miteny anglisy izy ity. Nikatona tamin'ny 21 febroary 2010 ny fifidianana izay hofantenana tao anaty sokajy dimy samihafa. Nanambara ny lisitra fenon'ny voafantina sy ny nandresy ny MoroccoBlogs.com...

02 Marsa 2010

Global Voices teny Espaniola Mpitsara fifaninanana fanaovan-gazety Bottup

Manaiky ny fisoratana handray anjara amin'ny fifaninanana fanaovan-gazety andiany faharoa hatramin'ny faha-15 marsa ho avy izao ny vohikalam-panaovan-gazety Espaniola Bottup. Hotondroina ho “Solontena manokan'” ny Bottup ary homena loka fandehanana maimai-poana any amin'izay toerana rehetra tiany hanaovana fanadihadiana (€1800 farafahabeny) izay mandresy amin'izany. Tafiditra ho anisan'ny mpitsara hifantina izay homena ny...