· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Avrily, 2018

Ny Harenan'ny Iraniana Sy Ny Hevitr'I Ganji

Vao tsy ela akory no nitatitra ny Chicago Tribune fa nandà vavolombelona lehibe iray avy amin'ny Oniversiten'i Chicago ny mpitsara federaly Amerikana tamin'ny Fampiakarana fitsarana nataon'ireo olona sisa velona tamin'ilay fandarohana baomba nataon'ny Amerikana ny taona 1997 tany Jerosalema nikatsahana ny famarotana ireo zava-tsarobidy Iraniana (takelaka tranainy) tao amin'ny tahirin'ny Oniversite mba ho fanonerana amin'ny maha firenena mpiray tsikombakomba an'i Iran amin'ny asa fampihorohoroana.

Makedonia: Andro fahalalahan'ny rindrambaiko

Ao anatin'ny Andron'ny fahalalahan'ny rindrambaiko manerantany, nikarakara hetsika fanin-telony tao tao afovoan-tanànan'i Skopje ny Free Software Macedonia. Tamin'ny 4 Oktobra, nizara bokikely sy kapila mangilatra ahitana Linux Ubuntu izy ireo, izay nomanina manokana tamin'ity indray mitoraka ity

Lahatsary: Ny Popcorn Shinoa Mipoaka

  23 Avrily 2018

Nivezivezy tao amin'ny aterineto ny lahatsarin'ny teknika shinoa fanamboarana popcorn. Na dia vokatry ny fipoahan'ny voa-katsaka (amin'ny feo ping sy pop) izay mandeha tsy ankijanona aza ho an'ny maro ny popcorn ; any Shina kosa, feo hafa (bang) mipoaka no hahenoana ny fikarakarana izany.