· Septambra, 2009

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Septambra, 2009

Filipina: Arahi-maso ny Artistan'ny Firenena

Vao nanamafy ny Tafika an-dranomasina Filipiana fa iray amin'ny olony mizatra tena amin'ny fanaraha-maso ilay lehilahy tratra tamin'ny 17 Septambra nihaodihaody ny tranon'i Bienvenido Lumbera, poeta nahazo loka, mpilalao teatra, mpandalina literatiora ary solontenan'ny Artista ao amin'ny firenena.

30 Septambra 2009

Porto Rico: Adihevitra momba ny sivana

Ny Ministeran'ny Fampianaran'ny governemantan'i Porto Rico dia nanala boky dimy amin'ny fandaharam-pianaran'ny taona faha-11 ao amin'ny rafi-pampianaran'ny sekolim-panjakana. Maro ireo mpanoratra sy mpanakanto any Porto Rico no naneho ankarihary ny olany ary nandray ny fihetsiky ny governemanta ho sivana. Mihetsika noho izany fifanoheran-kevitra izany ny tontolon'ny blaogy ao Porto Rico.

28 Septambra 2009

Maraoka: Fampianarana ny teny “Berbery” any an-tsekoly

Niteraka resa-be tao amin'ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny lahatsoratry ny BBC News iray momba ny fampianarana ny “teny Berbery” any Maraoka. Ilay lahatsoratra, izay manasongadina ireo safidim-mpampianarana hianarana sy handalinana ilay fiteny, sy manome fanazavana momba ny fivoaran'ny alfabeta Tifinagh, dia niteraka karazan-dahatsoratra maro. Mitantara i Jillian C. York.

09 Septambra 2009

Tontolo arabo: tonga soa ny ramadan

Volana manana ny lanjany eo amin'ny tetiandron'ny silamo ny volana masin'ny ramadan. Kendrena mandritra ny volana ny mampianatra ny mpino ara-panahy hahatsapa ny fangirifirian'ireo tsy mitovy saranga aminy, ka tsy...

05 Septambra 2009