Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Avrily, 2015
Iaino Indray Ny Matson'ireo Persiana Tao An-tanànan'i New York City
Hita hatraiza hatraiza nandritra ny Matson'ny Persiana tamin'ity taona ity ny sainam-pirenena Tajik - mitovy amin'ny sainam-pirenena Iraniana.
Nahita Teheran Tany Caracas Aho
Miankina amin'ny zava-misy amin'ny fifanatonan'ireo firenena roa, lasa mpinamana sy manana zavatra iraisana - hatramin'ny fitiavana -- ny Iraniana sy ny Venezoeliana.
Mitsangana Hanohitra Ny Herisetra Ara-nofo Taorian'ny Fanafihana Nandritra Taombaovao ny Bangladeshita
Nampiasa media sosialy ny mpiserasera mba hamantatra ireo jiolahimboto azo sary tamin'ny horonantsary. Mandritra izany, feno fihetsiketsehana manohitra ny herisetra ara-nofo ihany koa ny media sosialy
Resabe Taorian'ny Fandresen'ilay Sarimihetsika Timbuktu
Niteraka adihevitra marobe taty amin'ny tanibe afrikana ilay sarimihetsika Timbuktu. Ny sasany tia, ny kiana sasany miezaka manazava io fahombiazana io amin'ny fisian'ny dindo avy any ivelany
Afrikana No Lalao Voalohany Nihanaka Be Indrindra: Ny Fomba Nielezan'ny Lalao Nentin-drazana Hanenika Ny Tontolo
Vavolombelon'ny kolontsaina ao Afrika, ny lalaon'ny paikady nentin-drazana izay ankafizin'ireo mponina am-bohitra any Sahel ka hatramin'ireo mpanjono any amin'ny lakandranon'i Maozambika
Hotohizan'ilay Malayziana Mpanao Sariitatra ny Ady amin'ny Fihoara-pahefana na dia Voampanga ho Mpampisara-Bazana aza izy
"Tsy hangina aho. Ahoana no ahafahako tsy manandoko raha ny peniko aza manana ny ijoroany!"
Japana: Lavin'ilay “Mpanakanton'ny Làlan-jaza” Ireo Fiampangana Azy Ho Vetaveta Fisaina
Milaza i Megumi Igarashi, Japoney mpanakanto, nomen'ireo media Tandrefana ny solonanarana "The Vagina Artist" - na Mpanakanton'ny Lalan-jaza, fa tsy misy zava-betaveta mihitsy raha ny momba ny taokanto mifototra amin'ny taovam-pananahany
Politika Sosialy Ao Shina: Nataon'ireo Kisary Famantarana Malazan'ny Sarimiaina Ho Zava-Mahafinaritra
Kisary famantarana: manefy fitondrantena “sivily” ary hanapariaka fenitra vaovao mikasika izay fitondrantena azo ekena eny imasom-bahoaka, amin'ny fikendrena manokana ireo mpifindra-monina vaovao vao tafakatra an-tanàn-dehibe ary sambany no hifampizara ireo toerana natao ho an'ny rehetra
Misy Sahady Hira Rap Natao Ho An'ireo Tanora Mitafy Toy Ny Tantely Mampandihy Vody Ao Rosia
Nanova ny sariny tao amin'ny VKontake ny sasany tamin'ireo tanora any Orenburg, VKontake ilay tambajotra be mpampiasa indrindra ao Rosia, ho lasa teny mivaky hoe, “Tsy mila miady izahay, Mandihy no ilainay"
Fa Ahoana no Ahatafavoahan'ny Malagasy Miaina Amin'ny Vola Kely? Amin'ny Fahaiza-Mamoron-Javatra Maro
"Ady Gasy", fanadihadian'ilay mpanatontosa filma misandratra Lova Nantenaina, mamelabelatra ny fananan'ny mponin'i Madagasikara hakingan-tsaina handreseny ny adim-piainany isan'andro.