Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Mey, 2011
Toekarena Erantany: Ny Lanjan'ny Vehivavy Amin'ny Resaka Fahantràna, Asa ary Trosa
Ny fanehoan'ny International Museum of Women / Tranombakoka Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy teo anivon'ny aterineto mikasika ireo vehivavy sy ny toe-karena, manasongadina sary mifandimby, podcasts, lahatsary sy andrana momba ireo vehivavy any amin'ny firenena toa an'i Sodana, Danemarka, Filipina, Etazonia, Costa Rica, Meksika, Arzantina sy ny fahitan'izy ireny ny olana tahaka ny fahantràna, ny fandraharahana, ny fianakaviana, ny zo, ny ara-bola ary ny maro hafa.
Lahatsary: Manam-pahaizana tanora vao misondrotra any Inde, Singapore ary Afrika Atsimo
Efa nivoaka ny filaharan'ireo mpifaninana hiatrika ny dingana antsasa-dalana amin'ny Tetikasan'ny Google Science Fair. Na dia nisokatra ho an'ireo tanora eo anelanelan'ny 13 sy 18 taona avy amin'izao tontolo izao aza izany, mahaliana ny manamarika fa i Etazonia, Singapore ary Inde no nahazo ny isa ambony indrindra tao anatin'ireo mpiatrika ny dingana antsasa-dalana 60 voafantina, izay ahitana ihany koa ireo tafiditra avy any Nouvelle-Zélande, Afrika Atsimo, Fanjakana Mitambatra ary Kanada.
Panama: Fahatsiarovana an'i Raúl Leis
Tamin'ny 30 aprily, nodimandry tampoka ilay sôsiology sady mpanoratra Raul Leis. Taorian'ny nahafatesany, nivoaka tamin'ny gazety sy tany amin'ny bilaogy ny asa sorany sy ny momba azy, izay nanasongadina ny...
Costa Rica: Andro Hanoherana Ny Tsy Fankasitrahana Ireo Olona Mitovy Nefa Mifanambady
Nankalaza ny andro tsy fankasitrahana ireo olona mitovy nefa mifanambady ny 17 May teo, ary na teo anivon'ny aterineto nataty ivelany dia samy nankalaza ny fahasamihafana ara-pananahan'ny olona.
Filipina: Gadra Politika Manoratra Diary Avy Any Am-Ponja ao Anaty Aterineto
Nanangana bilaogy iray handraketana ny fiainany any am-ponja sy ny eritreriny ny mpanakanto Filipiana iray, mpanao gazety sy mafàna fo izay notazonin'ireo manampahefana ao Philippines am-ponja. Ny fianakaviany, ny namany, ireo mpanakanto mpiara-miasa aminy sy mpanoratra avy amin'ny fiarahamonina sivily koa dia nampiasa ny vohikala ho fanentanana ny amin'ny hamotsorana azy.
Maraoka : “I love ‘Kech!”
Ny tanàna lehibe ho an'ny fizahantany be mpitsidika indrindra ao Maraoka, i Marrakech, izay niharan'ny famelezana tamin'ny fanapoahana baomba ny Alakamisy teo, tao amin'ny toeram-pisotroana sy fisakafoanana malaza iray, izay ao...
Masedoanina: Làlana Vaovao Mety hanimba ny Lovan-kolontsaina
Mety hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny lova ara-kolotsainan'ny firenena ny Lalàna vaovao ao Masedoniana. Vasilka Dimitrovska, mpanoratra ny bilaogy malaza Archaeological Diary, no nanohitra tamin'ny fametrahana lalàna ankamehana avy amin'ny hevitry ny matihanina...
Serba : Mendrika Hananganana Tsangambato ve ny Filoha Azeri izay efa Nodimandry?
Iray amin'ireo zaridaina maitso tsara indrindra ao Belgrady ny sahan'i Tasmajdan, izay vao avy nohavaozina, noho ny fanomezana vola 2 tapitrisa euro avy amin'ny governemanta Azerbaïdjan. Niteraka resabe teo anivon'ny bilaogera...